Seminera
Lesona 52: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15–27, 34–42: Aoka ho iray


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15–27, 34–42: Aoka ho iray,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera, (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15–27, 34–42,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 52: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15–27, 34–42

Aoka ho iray

Ny Mpamonjy manompo

Nomen’ny Tompo toromarika ireo Olomasiny rehefa niomana hanao sorona lehibe izy ireo mba hiangona any Ohio. Tao anatin’ny fanambarana nataony tamin’ny Olomasina dia nanambara ny toetrany ny Mpamonjy ary nanasa ny olony hiaina tahaka Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny hafa sy ny fikatsahana ny firaisan-kina.

Sahanasa fianarana azo atao

Tian’ny Tompo ho tonga tahaka Azy isika

Azonao atao ny manomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra tsirairay mba hanoratra dimy amin’ireo zavatra mahaliana azy ireo. Zarao ho vondrona kely ny iray kilasy avy eo. Asao izy ireo hizara ny zavatra mahaliana azy ireo ary hanao lisitra izay zavatra iraisan’izy ireo. Aorian’izay dia angataho izy ireo hifanakalo hevitra momba ny hoe nahoana no sarotra ho an’ny olona tsy mitovy zavatra mahaliana indraindray ny miray hina ary nahoana no zava-dehibe ho an’ny mpianatr’i Kristy ny firaisan-kina.

Asao ny mpianatra hieritreritra olona iray izay mety ho azon’izy ireo entina amin’ny fomba tsara kokoa na mety hananany fifandraisana tsara kokoa. Amporisiho ny mpianatra hikatsaka fitaomam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampiana azy ireo hitondra an’io olona io amin’ny fomba tsara kokoa na hanatsara ny fifandraisany amin’io olona io. Asao izy ireo hieritreritra hoe nahoana ny fanaovana an’izany amin’ny fifandraisany amin’io olona io ny olona no mety hanampy amin’ny fananganana firaisan-kina.

Tamin’ny desambra 1830 i Joseph Smith dia nanao ny fandikana mifono fanitsiana ny Baiboly ary nahazo ny zavatra izay hita ao amin’ny Mosesy 6–7 ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy amin’izao fotoana izao. Ireo toko ireo dia mitantara momba ny mpaminany iray antsoina hoe Enoka sy ny vahoakany. Noho ny fahamarinana sy ny firaisan-kinan’izy ireo dia nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ireo vahoaka ireo.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38, ny Mpamonjy dia nanome toromarika ny Olomasina momba ny fiangonana any Ohio. Nampianatra azy ireo momba ny toetrany Izy ary nanantitrantitra ireo fitsipiky ny fananganana an’i Ziona. Ny fankatoavana ireo fitsipika ireo dia hanampy ny Olomasina hanomana ny tenany handray ny lalàn’ny Mpamonjy sy hahazo ny heriny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27, ka tadiavo ireo toetra izay tian’ny Tompo hezahantsika ananana.

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27 ny mpianatra dia azonao atao ny manondro ilay andian-teny miverimberina ao amin’ny andininy 24–25. Azonao atao koa ny manasa mpianatra vitsivitsy hilalao an-tsehatra ilay fanoharana ao amin’ny andininy 26–27.

  • Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe mandray ny rahalahinao tahaka ny tenanao? (Jereo ny Matio 22:36–39; Jaona 13:34–35; Jakôba 2:17–19.)

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Mpamonjy avy amin’ny fanoharana ao amin’ny andininy 26–27?

  • Inona no ampianarin’ny andininy 24–27 antsika mikasika ny fomba ahafahantsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy?

    Ampio ny mpianatra hahita fitsipika mitovy amin’ity: Afaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy isika rehefa manome lanja ny hafa sy mikatsaka ny firaisan-kina amin’ny maha mpianany antsika.

    Ampiasao ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na fanontaniana hafa eritreretinao mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fitsipika io. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hieritreritra mandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ireo olona izay iriany hananana fifandraisana tsara kokoa.

  • Amin’ny ahoana i Jesoa Kristy no ohatra amin’ny fanomezana lanja ny hafa? Amin’ny famporisihana ny firaisan-kina?

  • Nahoana no sarotra indraindray ny miray hina amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana?

  • Inona no fiovana mety hisy eo amin’ny fiainanao rehefa maneho fitiavana bebe kokoa ny hafa sy miray hina bebe kokoa amin’ny Fiangonana ianao?

Asehoy ny horonan-tsary “Iray ao amin’i Kristy” (4:48), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba anampian’ny Mpamonjy antsika mba hiray hina.

4:48

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:34–36, 39–42, ka tadiavo ny fomba nanasana ireo Olomasina niomana hiangona tao Ohio mba hiray hina.

  • Inona no hitanao fa mety hanampy ireo nifindra tany Ohio mba hifanome lanja sy hiray hina?

Ny ezaka ataontsika hanome lanja ny hafa sy hikatsaka ny firaisan-kina

kisary fanofananaAmpiasao ny tenin’ny mpaminany mba hanamafisana ny fotopampianarana sy ny fitsipika: Mba hampiharana izany dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Ampiasao ny tenin’ireo mpaminany mba hanazavana fotopampianarana sy fitsipika.” ao amin’ny fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra. Manaova fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao “manomana fanasana izay manampy ireo mpianatra hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ny zavatra lazain’ny mpaminany velona” araka ny asehon’ity teny manaraka avy amin’ny Loholona Renlund ity.

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fomba ahafahantsika hiray hina amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika. Vakio ilay fanambarana na jereo ilay horonan-tsary hoe “Manafoana ny fifandrafiana ny fiadanan’i Kristy” (12:39; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 4:49 ka hatramin’ny 6:32) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

12:51
Loholona Dale G. Renlund

Mitaky ezaka ny firaisan-kina. Mitombo izany rehefa mikolokolo ny fitiavana an’ Andriamanitra ao am-pontsika isika ary mifantoka amin’ny anjarantsika mandrakizay. Ny mampiray antsika dia ny fototra maha isika iraisantsika amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika sy ny fanekentsika hanaraka ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia miteraka fiahiana amin-kitsim-po ny hafa. Zava-dehibe amintsika ny fahasamihafana maro karazana eo amin’ny toetoetran’ny hafa sy ny fomba fijeriny ary ny talentany. Raha tsy haintsika ny mametraka ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika ho ambonin’ny tombontsoa sy ny fomba fijerin’ny tena manokana dia tokony hamerina handinika ireo laharam-pahamehantsika isika ary hiova.

Mety halaim-panahy isika hiteny hoe: “Mazava ho azy fa hahavita hiray hina isika, raha vonona hanaiky ny hevitro ianao!” Tsaratsara kokoa ny manontany tena hoe “Inona no azoko atao hanamafisana ny firaisan-kina? Inona no azoko avaly mba hanampiana ity olona ity hanatona kokoa an’i Kristy? Inona no azoko atao mba hampihenana ny fifandirana ka hanorenana fiarahamonim-piangonana feno fiantrana sy fifampitsinjovana?”

Rehefa ny fitiavana an’i Kristy no manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika, dia halemem-panahy sy faharetana ary hatsaram-panahy no entintsika miatrika ny tsy fitovian-kevitra. Tsy ny fahatsapan’ny tenantsika manokana loatra no isahiranantsika fa ny an’ny namantsika. Isika dia “mikatsaka ny handravona sy ny hampiray hina” [Dallin H. Oaks, “Miaro ny lalàmpanorenantsika izay nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2021, 107]. Tsy mirotsaka amin’ny “fitsarana eritreritra” isika, na mitsara ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika, na miezaka manao izay hahalavo azy ireo [jereo ny Romana 14:1–3, 13, 21]. Fa mihevitra kosa isika fa ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika dia manao izay tsara indrindra vitany araka izay traikefam-piainana efa nananany. (Dale G. Renlund, “Manafoana ny fandrafiana ny fiadanan’i Kristy,” Liahona, nôv. 2021, 84)

Angataho ny mpianatra mba hizara ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny fiezahana hanome lanja ny hafa sy hiray hina amin’ny maha mpianatr’i Kristy azy.

Asao ireo mpianatra mba hanombantombana ombam-bavaka hoe manao ahoana ny fahatsapan’izy ireo ny zavatra ataony amin’ny fanomezana lanja ny hafa sy ny fanamafisana orina ny fifandraisan’izy ireo.

Azon’ny mpianatra atao ny mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Mifidiana ombam-bavaka fifandraisana iray tianao hohamafisina amin’ny olona iray na ao anatin’ny vondrona iray. Valio ny iray na mihoatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no azonao atao mba hanomezana lanja io olona io na ireo olona ireo sy hanehoana fitiavana azy ireo?

  • Ahoana no ahafahanao mitodika any amin’ny Mpamonjy mba handresena ireo sakana atrehinao?

  • Ahoana no fomba hanampian’izany anao ho lasa hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy?