Seminera
Lesona 53: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40: “Fitahiana lehibe tokoa toy izay tsy mbola fantatrao na oviana na oviana”


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40: -Fitahiana lehibe tokoa toy izay tsy mbola fantatrao na oviana na oviana,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

Lesona 53: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40

“Fitahiana lehibe tokoa toy izay tsy mbola fantatrao na oviana na oviana”

Ny tanan’ny Mpamonjy mitolotra mba hanampy

I James Covel dia mpitoriteny Metôdista tany amin’ny faritr’i New York nandritra ny 40 taona. Rehefa nandre ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny izy dia nampanantena fa hankatò izay didy rehetra nomena azy tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Nandidy an’i James ny Mpamonjy mba hatao batisa sy hiara-hiangona amin’ireo Olomasina tany Ohio ary nampanantena azy hery lehibe raha toa ka manao sy mitandrina fanekempihavanana masina izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanana faniriana hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’i Jesoa Kristy mba hahazoana ny heriny bebe kokoa.

Sahanasa fianarana azo atao

Manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra

Eritrereto ny hampiseho amin’ny mpianatra zavatra iray toy ny jiro, izay tsy afaka manatratra ny fahafaha-manaony raha tsy rehefa atambatra amin’ny loharanon-jiro. Anontanio ny mpianatra hoe inona no azon’ny jiro atao samirery raha ampitahaina amin’ny izy apetaka amin’ny loharanon-jiro. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fomba hanehoan’izany ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra.

Vakio ny “Fanekempihavanana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina sy ity teny manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ka tadiavo ny famaritana ny hoe fanekempihavanana.

Ny Filoha Russell M. Nelson

Ny fanekempihavanana … dia voady masina ifanaovana amin’ Andriamanitra. Izy no mametraka ny fepetra. Ary ny olona tsirairay dia afaka misafidy ny hanaiky ireo fepetra ireo. Raha manaiky ireo fepetra mifehy ilay fanekempihavanana ny olona iray, ka mankatò ny lalàn’ Andriamanitra dia mandray ireo fitahiana izay mifandray amin’ ilay fanekempihavanana. (Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2011, 86)

  • Ahoana no hanoritsoritanao na hamaritanao ny hoe fanekempihavanana?

  • Inona avy ny fanekempihavanana efa nataonao tamin’ny Tompo?

  • Inona no fiantraikan’ireo fanekempihavanana ireo teo amin’ny fiainanao?

Manasa antsika hanao fanekempihavanana Aminy i Jesoa Kristy

Mpitandrina Metôdista i James Covel. Rehefa nahare momba ny Mpaminany Joseph Smith i Covel dia nampanantena ny Tompo izy “fa hankatò izay didy rehetra homen’ny Tompo azy tamin’ny alalan’i Joseph Mpaminany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39, sasin-tenin’ny fizarana).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:1–9 ary tadiavo ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay mety hanosika olona iray hanao fanekempihavanana Aminy.

  • Inona no hitanao momba ny Mpamonjy?

  • Inona no asain’ny Mpamonjy hataontsika mba hahazoana ny heriny?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra fitsipika iray dia azon’izy ireo atao ny mameno eny amin’ny solaitrabe na ao amin’ny diary fandalinany izao filazana manaraka izao: “Raha __________ isika dia mahazo ___________.”

Mety hahita fitsipika mitovy amin’izao ny mpianatra: Raha manao sy mitandrina fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra isika dia mahazo ny heriny.

Raha mampiasa ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia ampidiro amin’ny loharanon-jiro ny jiro mba hanehoana fa ny fanaovana fanekempihavanana dia manampy antsika hahazo ny herin’ny Mpamonjy. Anontanio ny mpianatra hoe ahoana no ahafahan’izany maneho ilay fitsipika hitany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:10–15 ary tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’i James Covel mba hanaovana fanekempihavanana Aminy.

  • Inona no nampanantenain’i Jesoa Kristy an’i James Covel raha nanao io fanekempihavanana io izy?

  • Ahoana no iharan’ny torohevitry ny Tompo ho an’i James Covel amintsika ankehitriny?

  • Oviana no nahitanao ny herin’ny Tompo teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olon-kafa izay fantatrao?

Ny tahotra sy ny fanenjehana ary ny fiahiahiana izao fiainana izao

I James Covel dia nanana fianakaviana sy namana ary fiaraha-monina akaiky tao New York. Nandidy azy ny Mpamonjy mba hatao batisa sy hifindra miaraka amin’ireo Olomasina ho any Ohio. Sorona ho an’i James Covel ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana.

Vakio ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40 ary koa ny andininy 1–3, ary tadiavo ny fanapahan-kevitra noraisin’i James Covel.

Mety ho fotoana tsara hanaovana fanazaran-tena amin’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy izany. Azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba nahafahan’i James Covel nanao asa tamim-pinoana. Hevero ihany koa ny hifanakalo hevitra momba ny fomba mety ho nahitany ny safidiny sy ny torohevitry ny Tompo tamin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Ahoana no mety hahatonga ny “fahatahorana ny fanenjehana” (andininy 2) hahatonga ny olona iray handà na handika ny fanekempihavanany tamin’ Andriamanitra?

  • Inona avy ireo “fiahiahiana izao fiainana izao” (andininy 2) izay mitarika ny olona handà ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ankehitriny?

Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity na jereo ny horonan-tsary “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fiadanana” (18:31), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 4:21 ka hatramin’ny 5:39. Rehefa mamaky na mijery ianao dia tadiavo ny hery nampanantenaina an’ireo izay manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra:

18:44
Ny Filoha Russell M. Nelson

Ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekempihavanana dia tena manamora ny fiainana! Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana ao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly—ka mitandrina izany—dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy. Mba saintsaino io fahamarinana mampitolagaga io!

Ny valisoa amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia hery avy any an-danitra—hery izay mampatanjaka antsika mba hanohitra tsara kokoa ny fitsapana sy ny fakam-panahy ary ny ratram-pontsika. Manamora ny lalantsika io hery io. Ireo izay miaina ny lalàn’i Jesoa Kristy izay ambony kokoa dia afaka mahazo ny heriny ambony kokoa. Noho izany, ny mpitandrina fanekempihavanana dia manan-jo hahazo karazana fitsaharana manokana izay tonga amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fifandraisany amin’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana. (Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 96)

  • Inona no hitanao ho manan-danja indrindra tamin’ny tenin’ny Filoha Nelson?

Omeo fahafahana ny mpianatra hisaintsaina ny fanirian’izy ireo hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ny Mpamonjy mba hahazoana ny heriny. Afaka manoratra ao amin’ny diariny na amin’ny tapa-taratasy ny mpianatra. Azon’izy ireo atao koa ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany na tsapany ao anaty vondrona kely na miaraka amin’ny iray kilasy.

Ho famaranana ny lesona dia azonao atao ny mizara ny fomba nahitanao ny herin’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao rehefa nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra ianao. Amporisiho ny mpianatra hanohy hiezaka hanao sy hitandrina ny fanekempihavanany ary hatoky ny fampanantenan’ny Tompo hitahy azy ireo amin’ny ezaka ataony.