Seminera
Lesona 50: Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 3: Manao tsianjery; Fahazoana fahalalana ara-panahy


“Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 3: Manao tsianjery; Fahazoana fahalalana ara-panahy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 3,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 50: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 3

Manao tsianjery; Fahazoana fahalalana ara-panahy

vondrona fifanakalozan-kevitra ho an’ny zatovo

Ny fifehezana fotopampianarana dia ahafahana manampy ireo mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra mba hizatra hahafantatra tsara an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fotopampianarana izay ampianariny. Hanampy azy ireo hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ihany koa izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Ataovy tsianjery

Raha nampahafantarina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina maro ireo mpianatra tamin’ity taona ity, dia tsara raha asaina izy ireo hanao fanazaran-tena amin’ny fanaovana tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Afaka mampitombo ny fatokisan-tenany amin’ny fahaizana tsara ireo soratra masina ny mpianatra ka afaka mahita izany amin’ny fotoana ilana azy.

Omeo 10 minitra eo ny mpianatra ao amin’ny kilasy ary amporisiho koa izy ireo mba hiezaka hanao tsianjery rehefa any ivelan’ny kilasy. Asehoy ny tabilao mitanisa ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miaraka amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, izay hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay tianao hatao tsianjery androany. Mitadiava hevitra izay hanampy anao hitadidy ilay andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina.

Afaka miasa irery ny mpianatra na mitady olona hafa ao amin’ny kilasy izay te hanao tsianjery ilay soratra masina nosafidiany. Rehefa avy nandany minitra vitsy hanaovana tsianjery ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hizara amin’ny hafa izay hevitra na hafetsena nampiasainy hanaovana tsianjery.

Mialoha ny hirosoana amin’ny ampahany manaraka amin’ny lesona, sy amin’ireo kilasy manaraka, dia azonao atao ny mamaky andian-teny manan-danja vitsivitsy ao amin’ny soratra masina amin’ny mpianatra ary mangataka ny mpianatra hilaza tsy an-kijery ny andinin-tsoratra masina miaraka aminy. Ny fampiasana matetika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanao tsianjery izany maharitra ary hampiasa izany amin’ny fotoana ilany azy.

Misy hevitra fanampiny momba ny fomba hanampiana ireo mpianatra hanao tsianjery hita ao amin’ny tovana amin’ity boky torolalana ity, eo ambanin’ny “Asa famerenana ny fifehezana ny fotopampianarana.”

Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamerina handinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ireo asa atao famerenana naroso dia ampidirina ao amin’ny tovana hoe “Asa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.” Ny famariparitana ireo fitsipika dia hita ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Ampiasao ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hanao fanazara-tena amin’ny fampiharana ireo fitsipika ireo amin’ny fanehoana trangan-javatra teny misy.

Mialoha ny hanombohan’ny Sekoly Alahady dia mipetraka eo akaikinao i Noelle namanao. Mijery eny amin’ny solaitrabe izy ary toa sosotra amin’ny zavatra vakiny. Mifantoka amin’ny fanarahana ny mpaminany ny lesona androany. Milaza aminao i Noelle fa vao tsy ela izy no namaky momba ny olona izay sorena amin’ny mpaminany. Manontany tena izy hoe nahoana ny mpaminany no tsy mahafantatra bebe kokoa ny filan’ny olona na nahoana izy no toa tsy mamaly ny soso-kevitra ataon’ny olona.

  • Ahoana no azonao ampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hoentina manampy amin’io rafi-tantara io?

  • Inona no ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay afaka manampy?

Fomba iray hanaovan’ny mpianatra fanazaran-tena mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ny mandinika ny fomba mety hampiova ny eritreritra sy ny fihetsik’ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara raha nahatakatra ireo fitsipika ireo izy.

Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia azonao zaraina ho vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra ary avelao izy ireo hisafidy fisipiky ny fahazoana fahalalana iray. Asao izy ireo hijery ireo andiam-pehezanteny miaraka amin’izany ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana mba hatakarana tsara kokoa io fitsipika io. Ampio ireo mpianatra hitady ireo soratra masina izay mety nohalalininy tao amin’ny seminera momba ny mpaminany (toy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38; 21:4–6; 28:2). Azonao aseho ihany koa ireto toromarika manaraka ireo ary asao ireo mpianatra hiaraka hamita izany miaraka amin’ny vondrona misy azy.

Manao asa amim-pinoana

Manomàna zavatra roa farafahakeliny azon’i Noelle atao mba hanaovana asa amim-pinoana ho valin’ny ahiahiny.

Hazavao ny antony hanoloranao ireo zavatra atao ireo na zarao ny traikefa nanananao.

Tanisao ireo fahamarinana vitsivitsy mety ho fantatr’i Noelle momba ny mpaminany izay afaka manampy azy hatoky kokoa ny Tompo sy ireo mpanompony rehefa mikatsaka ny hianatra misimisy kokoa.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ho an’i Noelle ny mijanona ho mahatoky amin’ny zavatra efa fantany sy inoany rehefa mitady ny valin’ireo fanontaniana ananany amin’izao izy?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Soraty ny anjara asa sahanin’ny mpaminany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena.

Manaova fampitahana ny tanjon’ny Tompo amin’ny mpaminany sy ny zavatra toa eritreretin’i Noelle sy ny hafa ho andraikiny.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Tanisao ireo voka-dratsy vitsivitsy azo avy amin’ny loharanom-pahalalana tsy azo antoka eo amin’ny olona iray.

Mitadiava andinin-tsoratra masina iray na maromaro ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (na loharanom-pahalalana hafa nofidin’ Andriamanitra) izay mety hanampy an’i Noelle.

Manorata fitahiana roa farafahakeliny mety ho azon’i Noelle raha toa ka takany ny antony iantsoan’ Andriamanitra mpaminany.

Omeo fotoana ahafahana mizara ny sasany amin’ny zavatra nataony sy nianarany ireo mpianatra. Fomba iray azonao anaovana izany ny manasa azy ireo haka sary an-tsaina hoe misafidy ny hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy i Noelle mba hanampy azy hamaha ny ahiahiny. Afaka manoratra ny zavatra mety ho nitranga tamin’i Noelle ireo mpianatra rehefa nampihatra iray na maromaro amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy izy.

Azon’ireo mpianatra zaraina avy eo ny zavatra nosoratany ary hazavaina ny sasany amin’ireo antony nanoratany ny ilay rafi-tantara ho toy izany. Rehefa avy nizara ireo mpianatra dia azonao asaina izy ireo handinika ny zavatra nianarany na tsapany androany izay afaka manampy azy ireo eo amin’ny fiainany.