“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35: Ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 35,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 49: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36
Ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith
Tamin’ny fahavaratry ny taona 1830 ny Mpaminany Joseph Smith dia nanomboka niasa tamin’ny fanavaozana na fandikana nentanim-panahy ny Baiboly King James. Noraisiny ho ampahany manan-danja tamin’ny antsony ho mpaminanin’Andriamanitra io tetikasa io. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fankasitrahana noho ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith
Mba hampahafantarana ny mpianatra ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith dia omeo azy ireo ireto fanambarana manaraka ireto. Asao ny mpianatra hilaza raha toa ka marina na diso ny fehezanteny tsirairay.
Taoriana kelin’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny 1830, dia nanome baiko an’i Joseph Smith ny Tompo mba hanomboka ny fandikana ny Baiboly.
Nijery ireo asa soratra hebreo sy grika tany am-boalohany i Joseph Smith mba hanaovana fandikan-teny anglisy vaovao ny Baiboly.
Ny Tompo dia nanambara ny bokin’i Mosesy sy Joseph Smith—Matio ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ho ampahany amin’ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith.
Ny Tompo dia nanambara ny sasany amin’ireo fahamarinana ara-potopampianarana ampianarin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’i Joseph Smith rehefa nandika ny Baiboly izy.
Nitahy ny fiainanao tamin’ny alalan’ny Dikantenin’i Joseph Smith ny Tompo.
Asao ireo mpianatra hikatsaka ny valin’ireo fanambarana ireo sy ireo fanontaniana hafa ananany mikasika ilay lohahevitra mandritra ny lesona. Asaivo saintsainin’izy ireo manokana raha marina ho azy ireo ilay fanambarana fahadimy.
Asao ny mpianatra hanao sarina boky ao amin’ny diary fandalinany ary hametraka ny lohateny hoe “Dikantenin’i Joseph Smith” eo amin’izany. Mandritra ny lesona dia amporisiho ny mpianatra hanoratra eo amin’ny manodidina an’ilay sary hoe inona avy ny antony hanehoan’izy ireo fankasitrahana noho ny Dikantenin’ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith na hevi-baovao izay hitany fa manan-danja.
Fitahiana avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith
Taorian’ny nanaovan’i Oliver Cowdery batisa azy tao Kirtland, Ohio, dia nandeha tany Fayette, New York, ny mpitoriteny taloha iray antsoina hoe Sidney Rigdon mba hihaona amin’ny Mpaminany Joseph Smith. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35 dia fanambarana avy amin’ny Tompo ho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon.
Vakio ny sasin-tenin’ilay fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35 sy ny andininy 17–20 , ary tadiavo ao ny zavatra azontsika ianarana mikasika ny Dikantenin’i Joseph Smith.
Fahamarinana iray izay nampianarin’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo ny hoe tamin’ny alalan’ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith, dia nanambara fahamarinana fanampiny i Jesoa Kristy mba hitarihana antsika ho amin’ny famonjena. Azonao atao ny mampifandray ity fampahalalana manaraka ity amin’ny mpianatra mba hamaliana ilay fanontaniana faharoa.
Ho fankatoavana io fanambarana io dia nanomboka nanompo ho mpitantsoratra i Sidney Rigdon rehefa nanambara fanitsiana nentanim-panahy sy fanampiany ao amin’ny Baiboly tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Tsy fandikana ara-bakiteny avy amin’ny fiteny iray mankany amin’ny fiteny iray hafa ilay asa. Nampiasa tahadikan’ny Baiboly King James iray i Joseph mba hanombohana izany rehefa nikatsaka fanambarana izy ary nanonona fanitsiana sy fanampiana nentanim-panahy.
Ity sahanasa atao manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ilay fitsipika nohamafisina amin’ny soratra matavy sy ho zatra amin’ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith. Zarao ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ny Dikantenin’i Joseph Smith.” Asao ny mpianatra hisafidy fizarana iray na maromaro hohalalinin’izy ireo samirery sy hiomana hampianatra ny mpiara-mianatra aminy ny zavatra nianarany. Rehefa mandalina ny mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo ny tokony hanoratany hevi-baovao manan-danja na antony ankasitrahan’izy ireo ny Dikantenin’i Joseph Smith eo amin’ny manodidina an’ilay sary noforoniny ao amin’ny diary fandalinany.
Afaka mahita ny bokin’i Mosesy ao amin’ny soratra masinao ve ianao? Naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny ny fahalalana fanampiny tamin’ny alalan’ny Dikantenin’i Joseph Smith, anisan’izany ny fahitana sy ny fampianaran’i Mosesy sy ny hafa. Ireo dia voarakitra ao amin’ny Bokin’i Mosesy ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy.
Vakio ny Mosesy 1:3–4, 6, 8, 39 . Tadiavo ny zavatra nianaran’i Mosesy momba ny tenany sy ny Tompo nandritra ny fahitany. (Azonao atao koa ny mikaroka ireo andininy tianao indrindra ao amin’ny Bokin’i Mosesy.)
Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ao amin’ireo andininy ireo manampy antsika rehefa miezaka ny hanaraka ny Mpamonjy isika?
Nahoana no mety ho feno fankasitrahana ny olona iray noho ny zavatra nambaran’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo?
Efa nandre ve ianao fa misy fahamarinana lehibe sasany tsy hita na tsy mazava ao amin’ny Baiboly? Boky azo itokisana sy nentanim-panahy ny Baiboly. Na izany aza dia nampianatra i Nefia fa misy “zavatra tsotra sy sarobidy” tsy hita na tsy mazava (1 Nefia 13:28–29 ). Ohatra, ny batisa dia tsy voalaza mivantana ao amin’ny Baiboly raha tsy ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary ny tantaran’i Noà ao amin’ny Baiboly dia tsy manazava fa ny Tompo dia nampitandrina ny olona ary nanome azy ireo fahafahana hibebaka talohan’ny handefasany ny safo-drano.
Vakio ny Mosesy 6:64–66 ; 8:16–17, 20 mba hahitana ny fomba namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith.
Amin’ny fomba ahoana izy io no manampy antsika hahafantatra ankehitriny fa ny batisa dia didy hatramin’ny andron’i Adama?
Amin’ny fomba ahoana izy io no manampy antsika hahafantatra fa ny Tompo dia manasa antsika hibebaka hatrany ary vonona ny hamela antsika?
Ahoana no anampian’ireo fahamarinana ireo hitarika antsika ho amin’ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?
Efa nanampy anao hahazo fanambarana fanampiny ve ny fandalinana soratra masina? Nitranga tamin’i Joseph izany. Fotoana fohy taorian’ny nianarany tao amin’ny fandikan-teny nentanim-panahy ny momba an’i Enoka sy ny olony izay nanorina an’i Ziona (jereo ny Mosesy 7:18–21 ), dia nanambara toromarika tamin’i Joseph ny Tompo mba hanampiana ny Olomasina ho lasa vahoakan’i Ziona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38 , 42 , 45 ).
Ohatra iray hafa momba izany no nitranga rehefa nandika teny i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon Jaona 5:29 . Nanana fanontaniana momba ny lanitra sy ny helo izy ireo izay nitarika ho amin’ny fahitana iray miavaka voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 . Io fahitana io dia nahitana fahamarinana momba ireo ambaratongam-boninahitra telo azon’ny olona lovana aorian’ity fiainana ity.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24, 50–53 , sy ny 58–62 , ary asio marika ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafahantsika miverina miaina miaraka Aminy sy ny Ray any An-danitra.
Ankoatra ny ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy, fantatrao ve hoe aiza no ahitana ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith? Maro no hita ao amin’ny Fantina avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Baiboly ao ambadiky ny soratra masina na ao amin’ny Tovana Dikantenin’i Joseph Smith hita ao amin’ny fizarana Fanampiana amin’ny fandalinana ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Ianaro ny fomba fampiasana ireo loharanom-pitaovana ireo amin’ny fijerena ny ohatra sy ny fanazavana etsy ambany.
Amin’ny fiteny sasany dia azo jerena ao amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ao amin’ny edisiôn’ny Baiboly an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny andalan-tsoratra masina ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith na ao amin’ny “Related Content” amin’ny endrika elektrônika.
Vakio ireto andalan-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly manaraka ireto, dia ampiasao ny Dikantenin’i Joseph Smith mba hamantarana ireo fiovana nentanim-panahy.
Jaona 1:16–18 (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:16–19 )
Jaona 4:24 (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 4:26 )
Jaona 6:44 (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 6:44 )
© 2023 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy tsapany nandritra ny fandalinany. Raha ilaina dia omeo ny mpianatra ny valin’ireo fanambarana efatra voalohany momba ilay sahanasa fanokafana (1. Marina; 2. Diso; 3. Marina; 4. Marina). Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra mba hanoratana ao amin’ny diary fandalinany ny hevi-baovao azony na ny antony ankasitrahan’izy ireo ny Dikantenin’i Joseph Smith. Manasà mpirotsaka an-tsitrapo vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany na hizara hoe nahoana no -marina amin’izy ireo ny fanambarana fahadimy tany am-piandohan’ny kilasy. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fomba anampian’ny asany antsika hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto dia manome fampahalalana fanampiny momba ny Dikantenin’i Joseph Smith:
Ireo lohahevitry ny tantaran’ny Fiangonana, “Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith, ” ChurchofJesusChrist.org/study/history/topics
Elizabeth Maki, “Ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith ,” ao amin’ny Revelations in Context [2016], 99–104
The Joseph Smith Papers, season 1, episodes 20, “Dikantenin’i Joseph Smith (JST), Fizarana 1,” ChurchofJesusChrist.org
The Joseph Smith Papers, season 1, episode 21 , “Joseph Smith Translation (JST), Fizarana 2,” ChurchofJesusChrist.org
2:3
2:3
I Robert J. Matthews, manam-pahaizana Olomasin’ny Andro Farany, dia nizara izao manaraka izao:
Ny Fiangonana tamin’ny 1830 dia niankina tanteraka tamin’ny fanambarana vaovao iray mba hahafantarana izay zava-dehibe momba an’i Enoka, ny asa fanompoany, ny vahoakan’ny tanànany (Ziona), na ny lalàn’izy ireo. Na dia izany aza, ny Tompo dia efa nanambara betsaka amin’ny Fiangonana momba an’i Enoka sy ireo lalàna mikasika ny Ziona fahiny sy ny ho avy. Ny fampidirana voalohany ireo zavatra ireo dia natao tamin’ny nôvambra sy desambra 1830 raha teo ampandikana ny Genesisy ny Mpaminany. Tao anatin’ny volana vitsivitsy taorian’izay dia tonga ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42–43 , 45–51 , and 57–59 (febroary–aogositra 1831). Hitanao ve fa santatra mahatalanjona tokoa ny faminanian’i Enoka ao amin’ny JST Genesisy toko 7 (Mosesy 7 ) tamin’ny fametrahana ny fototra ho an’ireo fanambarana taty aoriana ireo? Amin’ny halavany fotsiny dia mahavariana. Ny fampahalalana momba an’i Enoka sy i Ziona, araka ny nambara tamin’i Joseph Smith tamin’ny nôvambra sy desambra 1830 raha teo ampandikana ny Baiboly izy, dia avo valo ambin’ny folo eny noho ireo soratanan’i Enoka rehetra izay voarakitra ao amin’ny Version Roi Jacques. (Robert J. Matthews, “The Joseph Smith Translation: A Primary Source for the Doctrine and Covenants ,” ao amin’ny Sperry Symposium Classics: The Doctrine and Covenants, ed. Craig K. Manscill [2004], 142–54)
Atombohy amin’ny fizarana ireo mpianatra ho ao anaty vondrona dimy na mihoatra ny fotoam-pianarana. Omeo torolalana ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hipetraka milahatra. Asao hivoaka ny efitrano fianarana ilay mpianatra eo amin’ny laharana voalohan’ny vondrona tsirairay ary ilazao andian-teny iray tsy dia mahazatra izy ireo, toy ny hoe: “Mitsambikina eo ambonin’ilay alika kamo ilay amboahaolo miloko volontany ary miarahaba ilay saka.” Omeo torolalana ireo mpianatra ireo mba hiverina hiaraka amin’ny vondrona misy azy ireo ary hibitsibitsika ilay andian-teny indray mandeha amin’ny mpianatra manaraka eo amin’ny laharana. Avy eo io mpianatra io dia hibitsibitsika izay henony amin’ny mpianatra manaraka, ary toy izany hatrany mandra-pandraisan’ilay mpianatra farany ao amin’ny vondrona tsirairay ilay andian-teny. Asao ny mpianatra farany ao amin’ny vondrona tsirairay mba hizara ny zavatra reny ary ampitahao amin’ilay andian-teny tany am-boalohany.
Nahazo fahitana mikasika ny fivoahan’ny Baiboly i Nefia. Vakio ny 1 Nefia 13:24–27 . Tadiavo ny fomba mety hifandraisan’ireo andininy ireo amin’ilay asa atao.
Afaka mizara ny valin’ny fanontaniana faharoa toy ny Bokin’i Môrmôna na ny mpaminany maoderina ny mpianatra. Hazavao fa ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith dia namerina tamin’ny laoniny ireo fahamarinana maro izay very rehefa nandeha ny fotoana.
Hazavao fa raha teo am-pandikana ny bokin’ny Genesisy i Joseph Smith dia nahazo hevi-baovao fanampiny momba ny Fahariana izao tontolo izao sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva izy (jereo ny Mosesy 2–4 ). Manodidina ny fotoana nandikana io fitaovana io i Joseph dia nahazo ny fanambarana hita ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 .
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–42 . Tadiavo ny zavatra nianaranao momba ny Fahariana izao tontolo izao sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva.
Saintsaino ny fomba ahafahan’ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo hitondra anao any amin’ny Tompo sy amin’ny famonjena.