“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36
Topimaso ankapobeny
Fotoana fohy taorian’ny nandaminana ny Fiangonana dia niantso olona maro hanao asa fitoriana ny Tompo. Nampianariny ireo loholona vao nantsoina ny fahamarinana manan-danja maro momba ny hoe nahoana izy ireo no tiany hitory ny filazantsarany. Nanome toky azy ireo koa Izy ny amin’ny fanampiany sy ny toroheviny mahakasika ny fomba hahafahan’izy ireo mitory amin’ny fomba mahomby.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Tapany 1
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ireo antony andidian’ny Mpamonjy antsika mba hitory ny filazantsarany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanomana valiny amin’ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no manome lanja be loatra ny asa misiônera?
-
Horonan-tsary: “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana” (5:22; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 2:52 hatramin’ny 5:00)
-
Votoatiny haseho: Ny anaran’ireo nantsoina hitory ny filazantsara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 (voatanisa ao amin’ny lesona eo ambanin’ny lohateny hoe “[Mitoria] hatramin’izao fotoana izao”)
-
Taratasy zaraina: “Ny torohevitry ny Tompo ho an’ny misiônera ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Tapany 2
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hizara ny filazantsara.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitsidika ny pejin-tranonkala “Sharing the Gospel” mba hahitana hevitra hizarana ny filazantsara amin’ny hafa amin’ny fomba natoraly sy mahazatra.
-
Horonan-tsary: “Avia fa ho hitanareo” (1:17); “Avia ary manampia” (1:03); “Mizara ny filazantsara” (3:49)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35
Tanjon’ny lesona: Ampio ireo mpianatra hahatsapa fankasitrahana noho ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Dikantenin’i Joseph Smith ny Baiboly.
-
Fanomanana ny mpianatra: Omeo ireto teny manaraka ireto ny mpianatra: “Taoriana kelin’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny 1830, dia nanome baiko an’i Joseph Smith ny Tompo mba hanomboka ny fandikana ny Baiboly.” Asao izy ireo hamantatra raha marina na diso ilay fanambarana, ary hitady izay fampahalalana fanampiny mety hahaliana azy ireo momba ilay lohahevitra. Asao izy ireo hieritreritra hoe nahoana izany no mety ho manan-danja amin’izy ireo, ary mba ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ireo fanontaniana mifandraika amin’izany.
-
Taratasy zaraina: “Ny Dikantenin’i Joseph Smith”
Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 3
Tanjon’ny lesona: Omeo fahafahana ny mpianatra hizatra hahafantatra tsara an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fotopampianarana izay ampianariny. Hanampy azy ireo hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ihany koa izany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao fanazaran-tena hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny fototra ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana vitsivitsy izay nianaran’izy ireo.