“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Tapany 2: -Sokafy ny vavanareo, dia hofenoina izany,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Tapany 2,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 48: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36
“Sokafy ny vavanareo, dia hofenoina izany”
Rehefa niantso misiônera ny Tompo mba hitory ny filazantsarany taoriana kelin’ny nandaminana ny Fiangonany, dia nanome torohevitra azy ireo Izy mba hampatanjaka sy hitarika azy ireo amin’ny asa fitoriana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hizara ny filazantsara.
Sahanasa fianarana azo atao
Fanahiana momba ny fizarana ny filazantsara
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ity rafi-tantara ity sy ireto fanontaniana manaraka ireto.
Raha niresaka momba ny maha zava-dehibe ny asa fitoriana ny mpandahateny iray ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nisalasala i Conor ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa. I Conor dia olona somary tsy be teny voajanahary. Fanampin’izany, dia tsy mbola nifampiresaka momba ny filazantsara tamin’ny olona tsy mpikamban’ny Fiangonana mihitsy izy. Manahy ny amin’izay mety ho fandehan’ny resaka toy izany izy. Ny toetrany tsy dia be teny sy ny tsy fahampian’ny traikefa dia nahatonga azy tsy hahazo aina amin’ny fanombohana resaka momba ny filazantsara amin’ny olon-kafa.
Inona, araka ny eritreritrao, no mety hanampy an’i Conor hahatakatra momba ny asa fitoriana?
Inona no olana hafa ananan’ny olona matetika mikasika ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao amin’ny lesona teo aloha dia nianatra momba ny olona maro izay nantsoina hanao asa fitoriana fotoana fohy taorian’ny nandaminana ny Fiangonana izy ireo. Ny sasany tamin’ireo lehilahy ireo dia tsy nahafantatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny raha tsy fotoana fohy talohan’ny niantsoana azy ireo hanao asa fitoriana.
Asao ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo olana mety ho nananan’ireo misiônera vao nantsoina ireo. Azonao atao ihany koa ny mangataka ny mpianatra hieritreritra ny ahiahin’izy ireo manokana momba ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa. Zarao avy eo ity manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra handalina.
Anio ianao dia handalina ireo fampianarana avy amin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 izay afaka manampy anao hamantatra ny fahavononany hanampy anao hizara ny filazantsarany. Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fahavononanao sy ny fahaizanao mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Manome torohevitra mahasoa ho an’ireo misiônerany ny Tompo
Omeo fotoana ny mpianatra handalina ny torohevitry ny Tompo ao amin’ireto andininy manaraka ireto. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fizarana ny kilasy ho vondrona dimy. Omeo taratasy tsy misy na inona na inona ny vondrona tsirairay ary asao izy ireo hamorona pejy iray misy lohateny toy ny hoe “Torohevitra mahasoa momba ny misiônera avy amin’ny Tompo.”
Omeo andinin-tsoratra masina iray ny vondrona tsirairay. Afaka manampy hevitra telo farafahakeliny ao amin’ny pejin’izy ireo ny mpianatra avy eo, izay hitany ao amin’ny andininy nomena azy. Afaka manampy sary ao amin’ny pejiny izy ireo raha ilaina. Azonao atao avy eo ny manasa ireo mpianatra hizara ny pejy efa vitany amin’ny iray kilasy.
Vakio ireto andininy manaraka ireto dia tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo anao izay mety hanampy anao ho vonona kokoa sy mba ho afaka hizara ny filazantsara.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5, 8–11 (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny “rahalahin[’i]” Peter Whitmer resahina ao amin’ny andininy 5 dia i Oliver Cowdery, izay nantsoina hitory tao amin’ny fanambarana teo aloha [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:14–16 ].)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:4–9, 11–13
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:1–5
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:8–12, 16–17
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13–15, 24
Rehefa vitan’ny mpianatra ny fandalinana, dia angataho izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanasana ireo mpianatra isan-karazany hizara ny torohevitra hitany tao amin’ny andininy izay tena manan-danja indrindra ho azy ireo ary hizara fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’io torohevitra io. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana ireo na asao ny mpianatra hanoratra izany.
Ireto misy ohatra amin’ireo fahamarinana mety holazain’ny mpianatra: tsy tokony hatahotra ny hafa isika fa afaka miantehitra amin’ny Tompo kosa mba hahazoana fanampiana amin’ny fizarana ny filazantsarany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:11 ); hanokatra ny fon’ny olona ampianarintsika ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:7 ); hiaraka amintsika ny Tompo rehefa mikatsaka ny hizara ny filazantsarany isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:3 ); rehefa manokatra ny vavantsika hizara ny filazantsara isika dia hanampy antsika ny Tompo hahafantatra izay tokony holazaina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:8–10 ); ny Tompo manome ny herin’ny Fanahiny ho an’ny malemy izay manompo Azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13–14 ).
Nahoana, araka ny eritreritrao, no maniry mafy ny hanampy antsika hizara ny filazantsara ny Tompo?
Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana momba ny Tompo ireo manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika amin’ny fitoriana ny filazantsara?
Hevitra hanokafana ny vavanao hizarana ny filazantsara
Makà fotoana kely hanampiana ny mpianatra hianatra sy hifanakalo hevitra momba ireo fomba manokana ahafahan’izy ireo manatanteraka ny didin’ny Tompo mba “[hanoka-bava]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:8–10 ; jereo koa ny 30:5 ,11 ) sy hizara ny filazantsara. Ny fanampiana ireo mpianatra hahita fomba manokana sy azo tanterahina, dia afaka manorina ny fatokisany hizara ny filazantsara.
Fomba iray hanaovana izany ny fampisehoana iray na maromaro amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto. Asao ny mpianatra hitady ireo fomba samihafa nanokafan’ny olona ny vavany sy nanasany ny Tompo hitahy azy ireo. Azonao atao koa ny mizara loharano hafa avy amin’ny pejy “Sharing the Gospel ” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org .
Ireto horonan-tsary manaraka ireto dia mizara hevitra mikasika ny fomba ahafahanao “[hanokatra] ny vavana[o]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5 ) ary manasa ny hafa, amin’ny fomba voajanahary sy manan-danja, mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
1:17
Tia ampandraisina anjara ny olona. Fanasana fotsiny no ilainy.
1:3
Te hanampy ny olona; matetika dia fanasana fotsiny no ilainy.
3:49
What we call “member missionary work” is not a program but an attitude of love and outreach to help those around us.
Omeo fotoana ny mpianatra hanoratra drafitra tsotra mikasika ny zavatra hataony mba hizarana ny filazantsara amin’ny hafa. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manome azy ireo hevitra momba ny zavatra hosoratana.
Iza no olona tsapanao fa azonao izarana ny filazantsara?
Avy amin’ny zavatra nianaranao androany, inona avy ireo fomba voajanahary sy manan-danja azonao anampiana io olona io hanatona akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?
Inona avy ireo sakana heverinao fa mety hanakana anao tsy hanatanteraka ny drafitrao?
Inona avy ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 izay afaka manampy anao handresy ireo sakana ireo?
Eritrereto ny fomba ahafahanao mamporisika ny mpianatra hanao zavatra amim-pinoana amin’ny zavatra tsapany androany. Azonao atao ny manasa azy ireo hihevitra ny fametrahana fe-potoana hanaovana izay nosoratany. Zarao ny fatokisanao ny fahafahan’ny Mpamonjy manohina ny fon’ny hafa amin’ny alalan’izy ireo.
Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra nianarany: Ho fanofanana mikasika ny fanarahana ireo drafitr’izy ireo hiaina ny zavatra nianarany, dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe, “Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany ,” hita ao amin’ny fanofanana Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra .
Nampianatra toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
2:3
Nanome sosokevitra dimy ny amin’ny fomba handraisana anjara amin’ny asa fitoriana ny Loholona Uchtdorf.
Aoka ho takatrao fa tsy asanao ny mampiova fo ny olona. Izany no anjara andraikitry ny Fanahy Masina. Ny anjara andraikitrareo dia ny mizara izay ao am-ponareo sy miaina tsy tapaka araka ireo zavatra inoanareo.
Noho izany dia aza kivy ianareo raha misy olona tsy mandray avy hatrany ny hafatry ny filazantsara. Tsy hoe tsy fahombiazan’ny tena manokana izany.
Raharahan’ilay olona sy Andriamanitra izany.
Ny anao dia ny mitia an’ Andriamanitra sy mitia ireo mpiray monina aminao, eny dia ireo zanany.
Minoa, mitiava, ary manaova asa.
Araho io lalana io dia hanao fahagagana amin’ny alalanao Andriamanitra mba hitahiana ireo zanany sarobidy. (Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao ,” Liahona , mey 2019, 17)
Nanome izao hevi-baovao manaraka izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
2:3
The fire of the covenant will burn in the heart of every faithful member of this Church who shall worship and honorably hold a name and standing in the Lord’s holy house.
Maneho ireo mpikambana vao vita batisa ao amin’ny Fiangonana ireo amboara [voa] ato amin’ity fifanahafana ity. Ny trano fitehirizam-bokatra [toerana fitehirizana voa] dia ny tempoly masina. Nohazavain’ny Loholona Neal A. Maxwell fa: “Mazava ho azy fa rehefa manao batisa isika dia tokony ho miandrandra ny tempoly masina ny masontsika mihoatra ny toerana fanaovana batisa. Ny sompitra lehibe izay tokony hanangonana ireo amboara ireo dia ny tempoly masina” (ao amin’ny John L. Hart, “Make Calling Focus of Your Mission,” Vaovaom-Piangonana , 17 sept. 1994, 4). Ity torolalana ity dia manazava sy manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny tempoly—mba tsy ho very maina ny amboara. (David A. Bednar, “Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra ,” Liahona , mey 2009, 97)
Jereo ny Almà 26:5 ho ohatra iray hafa amin’ny fampiasana an’io fanehoana an’ohatra io ao amin’ny soratra masina.
Nampianatra toy izao ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
13:15
Mampianatra momba ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona sy ny maha-zava-dehibe ny fihazonana ny fijoroana ho vavolombelona anananao ho matanjaka sy ny fizarana izany amin’ny teny sy amin’ny asa atao ny Loholona Stevenson.
Mijoro ho vavolombelona ianao rehefa mizara fahatsapana ara-panahy amin’ny hafa. Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana, dia manana fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelona am-bava ianao mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana voalahatra na tsy voalahatra, amin’ny fifampiresahana manokana amin’olona ao amin’ny fianakaviana, sy ny namana, ary ny olon-kafa.
Fomba iray hafa hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona dia ny toetra marina. Tsy izay lazainao no fijoroanao ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy—fa ny maha anao anao.
Isak’izay mijoro ho vavolombelona am-bava na maneho amin’ny alalan’ny zavatra ataonao ny fanolorantenanao hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao dia manasa ny hafa mba “hanatona an’i Kristy” [Môrônia 10:32 ].
Ny mpikamban’ny Fiangonana dia mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra. Tsy voafetra ny fahafahana misokatra hanaovana izany ao amin’ny tontolo nomerika amin’ny alalan’ny fampiasana votoatin-javatra manentana ny fanahy avy amintsika ihany na ny fizarana votoatin-javatra mankahery nomanin’ny hafa. Mijoro ho vavolombelona isika rehefa mitia sy mizara ary manome fanasana, eny fa na dia an-jotra aza. Rehefa mampiasa ny tambajotran-tserasera hanehoana ny fomba nikolokoloan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fiainanao koa ianao dia hiakatra ambony kokoa, ho masina kokoa ny tanjon’ireo tweets, sy hafatra mivantana ary hafatra aparitaka ho an’ny maro alefanao. (Gary E. Stevenson, “Mikolokolo sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao ,” Liahona , nôv. 2022, 112)
Mety ho tian’ny mpianatra ny hianatra momba ny sasany amin’ireo fahombiazana niainan’ny misiônera vitsivitsy izay nantsoina hitory ny filazantsara ao amin’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 .
Hazavao fa nandritra ny fotoana nanatanterahan’i Parley Pratt sy ny namany ny andraikiny hitory ny filazantsara “mankany an-tany foana, any anivon’ny Lamanita” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:2 ), dia nitsidika an’i Mentor, Ohio, izy ireo. Tao no nampianaran’i Parley an’i Sidney Rigdon namany, izay mpanompo ara-pivavahana.
Afaka mamaky fitantarana fohy momba ireo zava-nitranga nitarika ny fiovam-pon’i Sidney sy i Phebe Rigdon ny mpianatra ao amin’ny “Voices of the Restoration: Early Converts [Ireo olo-malazan’ny famerenana amin’ny laoniny: Mpikambana voalohany] ” (jereo ihany koa Come, Follow Me—For Home and Church: Doctrine and Covenants 2025 [Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny tokantrano sy ny Fiangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025] ; Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao , boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 100–101 ).
Aorian’ny famakiana ity tantara ity dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hiresaka momba ny zavatra niavaka tamin’izy ireo. Hevero koa ny hilaza fa ankoatra ny fiovam-pon’i Sidney dia olona 100 mahery tao amin’ilay faritra ihany koa no niova fo ary lasa fitahiana lehibe ho an’ny Fiangonana vao nitsangana.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahafantatra ny fomba mety hampiasany ny tambajotra sosialy mba hizarana ny filazantsara dia zarao ilay horonan-tsary “Mipaoka ny tany toy ny amin’ny safodrano—Fanasongadina ” (2:56). Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hamoaka ny fitaovany ary hizara hafatra mifantoka amin’ny filazantsara izay tsapan’izy ireo hoe tokony hozaraina alohan’ny hivoahany, na afaka mizara zavatra iray izy ireo rehefa tonga any an-trano.
Eritrereto ny hanasa misiônera iray na maromaro avy ao amin’ny faritra misy anao izay vao tafaverina mba ho tonga ao an-dakilasy sy hizara ny traikefany amin’ny fampianarana ny filazantsara amin’ny hafa. Afaka mizara ny fomba nahitany ireo mpikambana nizara ny filazantsara tamin’ny namany sy ny olona ao amin’ny fianakaviana ihany koa izy ireo. Ataovy azo antoka ny maka hevitra amin’ireo mpitarika ao amin’ny seminera sy institiota mba hahazoana fankatoavana amin’ny hetsika toy izany.