Seminera
Lesona 47: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Tapany 1: “[Torio] ny filazantsarako”


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Tapany 1: -[Torio] ny filazantsarako,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Tapany 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 47: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Tapany 1

“[Torio] ny filazantsarako”

misiônera mitory ny filazantsara

Volana vitsivitsy monja taorian’ny nandaminana tamin’ny fomba ofisialy ny Fiangonana dia nanome toromarika ireo mpikambana vaovao maromaro ny Mpamonjy mba hanao asa fitoriana. Na teo aza ny fanekeny vao haingana sy ny fahatakarany voafetra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, dia niantso ireo lehilahy ireo ny Tompo mba hitory ny filazantsarany amin’ny “feon’ny trompetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:9). Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny antony sasany andidian’ny Mpamonjy antsika hitory ny filazantsarany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity no lesona voalohany amin’ny lesona roa izay miresaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36. Ny fizarana 1 dia hifantoka amin’ny antony tian’ny Tompo hizarantsika ny filazantsarany, ary ny fizarana 2 dia hifantoka amin’ny fanampiana omeny antsika sy ny fomba ahafahantsika mitory azy amin’ny hafa. Raha toa ka fohy ny fotoam-pianarana ka lesona iray monja momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 no azo ampianarina, dia diniho ny fomba mety hanambarana ireo lesona roa ireo.

Ny adidintsika hitory ny filazantsara

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fampisehoana antso iray ho misiônera vao haingana sy amin’ny famakiana izany mafy. Asao ny mpianatra haneho ny fihetseham-pony momba ny zavatra mampientanentana azy ireo sy mety hiteraka tebiteby rehefa mieritreritra ny hanao asa fitoriana.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara izao torohevitra manaraka izao mikasika ny asa fitoriana mandritra ny fotoana feno:

5:34
Filoha Russell M. Nelson

Androany aho dia mamerina manamafy amin-kery fa ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. Ho an’ny zatovolahy Olomasin’ny Andro Farany dia andraikitry ny fisoronana ny asa fitoriana. …

Ho anareo vehivavy tanora sy rahavavy afaka manao izany, fahafahana lehibe koa ny asa fitoriana saingy tsy voatery handeha ianareo. Tianay ireo rahavavy misiônera ary raisinay amin’ny fo manontolo izy ireo. Mahatalanjona ny anjara biriky entinareo amin’ity asa ity! Mivavaha mba hahafantarana raha tian’ny Tompo ny handehananao hanao asa fitoriana, ary ny Fanahy Masina dia hamaly ao am-ponao sy ao an-tsainao.

Ry tanora namako malala isany, tena ilain’ny Tompo ny tsirairay avy aminareo. Tsy nalefan’ny Tompo raha tsy amin’izao fotoana izao ianareo mba hanampianareo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ny fanapahan-kevitrareo ny hanao asa fitoriana, na misiônera mpanao asa fitoriana na mpanao asa fanompoana, dia hitahy anareo sy ny hafa. …

Ny misiônera rehetra dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelon’ny Mpamonjy. Ny haizina ara-panahy eto amin’izao tontolo izao dia mahatonga ny fahazavan’i Kristy ho vao mainka ilaina kokoa mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra. Ny olona rehetra dia mendrika ny hanana fahafahana ny hahafantatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ny olona rehetra dia mendrika ny hahafantatra hoe aiza no ahafahany mahita fanantenana sy fiadanana izay “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” [Filipiana 4:7]. (Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey 2022, 6–7)

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana anananao momba ny fanambaran’ny Filoha Nelson?

  • Inona no porofo ahitanao fa ilaina kokoa noho ny hatramin’izay eto amin’izao tontolo izao ny fahazavan’i Jesoa Kristy?

Hazavao fa ny fitoriana ny filazantsaran’ny Mpamonjy dia tsy natao ho an’ny misiônera amin’ny fotoana feno fotsiny fa andraikitra iraisan’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Lazao amin’ny mpianatra fa ny lohahevitry ny lesona anio dia hifantoka amin’ireo fampianarana avy amin’ny Tompo izay manazava ny antony tokony hizaràna ny filazantsarany. Zarao ireto sosokevitra manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny fandalinana ity lesona ity.

Saintsaino ny zavatra efa nianaranao mikasika ny antony mahatonga ny Tompo hanantena hoe hitory ny filazantsara ny mpianany, na amin’ny maha misiônera amin’ny fotoana feno na eo amin’ny fifandraisan’izy ireo isan’andro. Azonao soratana ao anatin’ny diary fandalinanao ireo antony ireo. Eo am-pandalinanao anio dia tadiavo ireo fampianarana izay manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny antony mahatonga ny Tompo haniry mafy ny mpianany hizara ny filazantsarany.

“[Mitoria] hatramin’izao fotoana izao”

Alohan’ny fotoam-pianarana dia asehoy eny amin’ny solaitrabe na eny amin’ny rindrina manerana ny efitrano ireto anarana manaraka ireto: Peter Whitmer Jr., John Whitmer, Thomas B. Marsh, Parley P. Pratt, Ziba Peterson, Ezra Thayer, Northrop Sweet, Orson Pratt, Sidney Rigdon, ary Edward Partridge. Anontanio ireo mpianatra raha mahafantatra ny iray amin’ireo anarana ireo. Hazavao fa ireo lehilahy rehetra ireo dia nantsoin’ny Tompo hanao asa fitoriana sy hitory ny filazantsara fotoana fohy taorian’ny nandaminana ny Fiangonana. Mariho fa ny sasany tamin’izy ireo dia natao batisa iray volana latsaka talohan’ny antsony.

sary famantarana ny taratasy zarainaIty sahanasa fianarana manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ireo antony hanasan’ny Mpamonjy antsika hitory ny filazantsarany. Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely ary omeo ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ny taratasy zaraina. Ny vondrona tsirairay dia azo omena iray amin’ireo andinin-tsoratra masina hohalalinina.

Ny torohevitry ny Tompo ho an’ny misiônera ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

Halalino ny torohevitr’ny Mpamonjy ho an’ireo olona voatanisa etsy ambany, ary mirosoa amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–5 (Thomas B. Marsh)

  • Inona avy ireo fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo izay mety hanampy anao hahatakatra ny antony nangatahan’ny Mpamonjy antsika hizara ny filazantsarany?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, i Jesoa Kristy no niantso ny filazantsarany hoe “vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe”? (andininy 3). Ahoana no itondran’ny filazantsaran’ny Mpamonjy fifaliana ho anao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:1–7, 10–12 (Ezra Thayer sy Northrop Sweet)

  • Inona avy ireo fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo izay mety hanampy anao hahatakatra ny antony nangatahan’ny Mpamonjy antsika hizara ny filazantsarany?

  • Nahoana no tian’ny Tompo hotorina amin’ny feo mahery toy ny “fanenon’ny trompetra” ny filazantsarany? (andininy 2).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:1–7 (Orson Pratt)

  • Inona avy ireo fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo izay mety hanampy anao hahatakatra ny antony nangatahan’ny Mpamonjy antsika hizara ny filazantsarany?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no “mainka hotahiana” isika (andininy 5) noho isika voantso hitory ny filazantsaran’ny Mpamonjy fa tsy hino izany fotsiny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:1–3, 6–8, 12–13 (Sidney Rigdon)

  • Inona avy ireo fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo izay mety hanampy anao hahatakatra ny antony nangatahan’ny Mpamonjy antsika hizara ny filazantsarany?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no miantso olona “tsy mahay” sy tsy manana traikefa ny Tompo mba hitory ny filazantsarany amin’ireo “firenena” eto an-tany? (andininy 13).

Rehefa avy nandalina ireo andininy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany. Fomba anankiray azo anaovana ny manoratra ny andian-teny hoe Ireo antony tian’ny Tompo hizarantsika ny filazantsarany eo afovoan’ny solaitrabe. Mpianatra maromaro avy eo no afaka mifandimby manatona eny amin’ny solaitrabe sy manoratra ireo hevitra nianarany tamin’ny fandalinany. Amporisiho ny mpianatra hamoaka antony maro araka izay azony atao. Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo valin-teny mety hozarain’izy ireo:

Rehefa avy nizara ireo fahamarinana nianarany ireo mpianatra dia azonao atao ny mametraka fanontaniana vitsivitsy toy izao:

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo hitaona antsika hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny hafa, na amin’ny maha misiônera amin’ny fotoana feno na eo amin’ny fifandraisantsika isan’andro?

  • Inona avy ireo antony tena manosika anao hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy?

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany. Amporisiho ny mpianatra hanao zavatra mifanaraka amin’ny bitsika azony. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ombam-bavaka ny fomba ahafahany mampihatra ny torohevitry ny Filoha Nelson mikasika ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno.