“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21: -Amin’ireo rehetra izay manana faniriana tsara,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 37: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22
Mandray ny tenin’ireo mpaminany amim-paharetana sy amim-pinoana
Noraisina nandritra ny fanorenana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 6 aprily 1830 ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 . Ao amin’ity fanambarana ity ny Tompo dia manome torolalana ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonany mba hanarahan’izy ireo ny torohevitra omen’ireo mpaminaniny. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanaraka ny tenin’ireo mpaminanin’ny Tompo amim-paharetana sy amim-pinoana.
Sahanasa fianarana azo atao
Asehoy ity rafi-tantara manaraka ity. Azonao atao koa ny mamorona rafi-tantara hafa mifandray amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao sy ny toe-javatra iainan’izy ireo.
Eritrereto hoe maharay ity hafatra fohy manaraka ity ianao eo am-pihainoanao ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: “Henonao ve ny zavatra vao nolazain’ny mpaminany teo? Ohatra ny tsy mitovy hevitra aminy aho momba izany!”
Inona no mety ho tsapanao raha toa naharay hafatra fohy tahaka izany ianao?
Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay ho manan-danja ny fandinihan’ilay namanao azy mialoha ny hanapahany hevitra raha toa ka tokony hanaraka ny torohevitry ny mpaminany izy na tsia?
Hazavao amin’ireo mpianatra fa hianatra ny sasany amin’ireo fampianaran’ny Tompo mikasika ireo mpaminaniny izy ireo androany. Asao izy ireo handinika amim-pahanginana ny maha-zava-dehibe ny tokony hanarahan’izy ireo ny torohevitra omen’ireo mpaminany. Amporisiho izy ireo hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hampitombo ny fahavononany sy ny fahafahany hanaraka ireo mpaminanin’ny Tompo.
Amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra
Ny andro nanorenana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 6 aprily 1830 dia nanome fanambarana an’i Joseph Smith ny Tompo, izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 . Anisan’ny mandrafitra izany fanambarana izany ny fanomezan’ny Tompo torohevitra manan-danja momba ny fanarahana ny mpaminany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–3 mba hitadiavana ireo anarana nentin’ny Tompo hiantsoana ny Mpaminany Joseph Smith.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy ireo.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5 mba hitadiavana ny torohevitra nomen’ny Tompo ireo Olomasina mikasika ny fomba tokony handraisan’izy ireo ny tenin’ny Mpaminany Joseph Smith.
Mety ho tombontsoa ho an’ireo mpianatra ny fahatakarana hoe iza no tiana horesahina amin’ireo mpisolo anarana hita ao amin’ny andininy 4–5 . Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto teny sy famaritana manaraka ireto: “aminareo” (mpikamban’ny Fiangonana); “-ny,” ”izy” (Joseph Smith, ilay mpaminany); “aho,” “-ko” (Jesoa Kristy) .
Inona avy ireo teny na andian-teny nisarika ny sainao tao anatin’ireo andininy ireo? Nahoana?
Inona no zavatra nianaranao avy amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy olona iray misalasala amin’ny fanarahana ny torohevitra omen’ireo mpaminanin’ Andriamanitra?
Raha ilaina dia tsindrio manokana ilay andian-teny hoe “amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” ao amin’ny andininy 5 . Alohan’ny hizaranao ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ity dia mety hanampy raha anontanianao ireo mpianatra hoe inona ny antony mahatonga ny fanarahana ny tenin’ireo mpaminanin’ny Tompo hitaky faharetana sy finoana indraindray.
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba ahafahantsika maneho faharetana sy finoana rehefa miezaka manaraka ny mpaminany isika.
2:3
Aza gaga raha indraindray ny sasany amin’ireo fomba fijerinao manokana dia tsy mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny mpaminanin’ny Tompo any am-boalohany. Fotoana hianarana sy hanetrena tena ireny, rehefa mandohalika mivavaka isika. Mandroso amim-pinoana isika, matoky an’ Andriamanitra, mahalala fa rehefa mandeha ny fotoana dia handray fahazavana ara-panahy misimisy kokoa avy amin’ny Ray any An-danitra isika. (Neil L. Andersen, “Ny mpaminanin’ Andriamanitra ,” Liahona , mey 2018, 26)
Asao ireo mpianatra hieritreritra torohevitra avy amin’ny mpaminany sy ny apôstôly izay mety ho sarotra amin’izy ireo ny manaraka azy. Afaka misaintsaina izy ireo hoe ahoana ny fomba ahafahan’ny fampitomboan’izy ireo ny faharetana sy ny finoana ananany manampy azy ireo hanaraka ny torohevitry ny mpaminany.
Fitahiana avy amin’ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6 . Mitadiava fitahiana telo izay ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mandray ny teniny amin’ny alalan’ireo mpaminany amim-paharetana sy amim-pinoana.
Amin’ny fomba ahoana no hamenoanao ity fehezan-teny manaraka ity raha mifototra amin’ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny andininy 6 ? Rehefa mandray ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny amim-paharetana sy amim-pinoana isika dia …
Azon’ireo mpianatra atao ny mameno ilay fehezan-teny tahaka izao: Rehefa mandray ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny amim-paharetana sy amim-pinoana isika dia horoahiny ny herin’ny haizina, hanome antsika fitahiana avy any an-danitra Izy ary ho voaro amin’ilay fahavalo isika.
Ahoana no hamintinanao amin’ny alalan’ny teninao manokana ny mety ho dikan’ireo fampanantenana ireo aminao?
Mety hahasoa ny mpianatra ny fahatakarana fa ny dikan’ilay teny hoe mampihozongozona dia manala na mamoaka zavatra iray avy eo amin’ny fototra iray na fitoeran-javatra iray. Iray amin’ireo fanazavana ny hevitra fonosin’io andininy io ny hoe avoaka avy any an-danitra ireo fitahiana ary omena ireo izay mandray ny tenin’ireo mpaminany.
Manampy anao hahatakatra inona momba ny Tompo ireo fampanantenana ireo?
Inona no mety ho fiantraikan’ireo fampanantenana ireo amin’ny faniriantsika hanaraka ireo mpaminanin’ny Tompo?
Manaraka ireo mpaminanin’ny Tompo amin’izao fotoana izao
Ity asa atao manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahita torohevitra avy amin’ny mpaminany maoderina izay azon’izy ireo ezahina arahina eo amin’ny fiainany. Asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary omeo fotoana ampy ny mpianatra hanaovana ilay sahanasa.
Mitadiava fanasana iray nomen’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina izay tianao handramana hampiharina eo amin’ny fiainanao. Ampiasao ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022) na lahateny iray natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo mba hahitana torohevitra manan-danja.
Aorian’ny fandalinana, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona ny fanasana na torohevitra hitanao?
Ahoana no mety hilanao faharetana sy finoana mba hihainoana io fanasana avy amin’ny mpaminany io?
Inona avy ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra hitanao fa azonao raisina rehefa manaraka io torohevitra io ianao?
Inona no andraikitra manokana horaisinao mba hanarahana io torohevitra io eo amin’ny fiainanao?
Rehefa avy mandalina ireo mpianatra dia omeo fahafahana hizara ny valinteny noraketin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany izy ireo. Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao hizara ny fomba nitahiana azy ireo na ny hafa tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny torohevitr’ireo mpaminany izay resahina. Azonao atao ihany koa ny mizara ohatra iray avy amin’ny fiainanao.
Amporisiho ireo mpianatra handray andraikitra eo anatrehan’ilay tanjona napetrak’izy ireo ho an’ny tenany manokana ary hifantoka amin’ny fiantraikan’ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpaminany eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy. Hazavao fa ao amin’ny lesona manaraka dia hanana fahafahana hanombantombana ny fivoarany eo amin’ny tanjona napetrany izy ireo.
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary avereno jerena izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6 dia ny hoe “Ny tenin’ireo mpaminany dia -horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny.-” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fitadidiana dia ao amin’ny fitaovana misy ny tovana ao amin’ilay hoe “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”
Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) hoe:
Ny hany fiarovana ananantsika amin’ny maha-mpikambana antsika ato amin’ity fiangonana ity dia ny manao izay nolazain’ny Tompo tamin’ny Fiangonana tamin’ilay andro izay nanorenana ny Fiangonana. Tokony hianatra hihaino ny teny sy ny didy homen’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny isika, “araka ny handraisany azy ireny, amin’ny fandehanana amin’ny fahamasinana tanteraka eo anoloako; … toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (F&F 21:4–5 ). Hisy ireo zavatra sasantsasany izay ilàna faharetana sy finoana. Mety tsy ho tianareo ny zavatra lazain’ireo manampahefana ambonin’ny Fiangonana. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo ara-pôlitika izany. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo ara-piarahamonina izany. Mety hisalovana ny fiainanareo eo amin’ny fiarahamonina izany. Kanefa raha mihaino ireo zavatra ireo ianareo, toy ny hoe avy amin’ny vavan’ny Tompo mihitsy izany, amim-paharetana sy am-pinoana, ny fampanantenana dia hoe “tsy haharesy anareo ny vavahadin’ny helo; … ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny maizina eo anoloanareo, ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany” (F&F 21:6 ). (Enseignements des Présidents de l’Église: Harold B. Lee [2000], )
Ny Loholona Ulisses Soares avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Rehefa manaraka [ny mpaminanin’ny Tompo] isika dia hisy fifaliana kokoa sy tsy dia ho sarotra ny fiainantsika, mora kokoa ny mizaka ireo olantsika, ary manorina fitaovam-piarovana ara-panahy manodidina antsika izay hiaro antsika amin’ireo fanafihan’ny fahavalo amin’izao androntsika izao isika. (Ulisses Soares, “Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany ,” Liahona , mey 2018, 99)
Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
2:3
Manàna fahatokiana fa ireo mpitarika efa ela nanompoana indrindra ato amin’ny Fiangonana izay miahy ireo tanjona masina nampandraiketina ny Fiangonana dia mandray fanampiana avy any an-danitra. Izany fitarihana izany dia avy amin’ny Fanahy ary indraindray dia avy amin’ny Mpamonjy mivantana. Samy omena ireo karazana fitarihana ara-panahy roa ireo. Feno fankasitrahana aho noho ny nandraisako fanampiana toy izany. Saingy omena amin’ny fotoan’ny Tompo ny fitarihana, andalana anampy andalana ary fitsipika anampy fitsipika, rehefa “misafidy tsotra izao ny hampianatra antsika ny Tompo mahefa ny zava-drehetra.” Ny fitarihana ho an’ny Fiangonana manontolo dia tsy omena afa-tsy amin’ny mpaminaniny ihany. (Quentin L. Cook, “Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra ,” Liahona , mey 2018, 117)
Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
15:21
Irin’ny Raintsika any An-danitra ny hisafidian’ny zanany amim-pahafantarana sy an-tsitrapo ny ho tonga tahaka Azy sy ho mendrika ilay karazana fiainana izay ananany. Manatanteraka ny tanjona masin’izy ireo ireo zanany ka tonga mpandova ny zavatra rehetra izay ananany amin’ny fanaovana izany. Noho izany antony izany no tsy ahafahan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana manova ireo didin’ Andriamanitra na fotopampianarana hifanohitra amin’ny sitrapony, mba ho eken’ny maro na halaza. (Dale G. Renlund, “Ilay Mpiandry Tsarantsika ,” Liahona , mey 2017, 30–31)
Mpahita, mpandika teny, mpaminany, apôstôly, loholona
Asao ny mpianatra hitady ireo anarana nampiasain’ny Mpamonjy mba hiantsoana an’i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1 . Ny tsirairay amin’ireo anarana fiantsoana ireo dia azo faritana amin’ny alalan’ny fampiasana ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ao amin’ny application Mediathèque de l’Évangile. (jereo ny hoe “mandika teny” raha hianatra momba ny atao hoe “mpandika teny”)
15:21
Mba hanampiana ireo mpianatra hanao fanazaran-tena manazava ny zavatra nianarany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 , dia hevero ny hijery ilay rafi-tantara kely tany am-piandohan’ny lesona.
Omeo fotoana ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany mba hamoronana valiny izay azony averiny alefa amin’ny namany ao anatina hafatra fohy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 dia nambara tamin’ny andro nanorenana ny Fiangonana. Mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra bebe kokoa ny lanjan’ny mpaminany sy ny apôstôly ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy dia asao izy ireo handalina ny Efesiana 2:19–20 ; 4:11–14 .
Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6 . Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny antony ahatsapany fa zava-dehibe ny fananana mpaminany ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.