“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–79: Ny fandaminana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–79,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 36: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22
Ireo ôrdônansy masin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo
Nanazava mikasika ny ôrdônansin’ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana ary ny fanasan’ny Tompo ny Tompo tao amin’ny fanambarana iray nomeny ny Mpaminany Joseph Smith izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 . Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanombantombana hoe aiza ho aiza izy ireo eo amin’ny fanatratrarana ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonany.
Fanomanana ny mpianatra: Afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–79 ny mpianatra. Asao izy ireo hitady ireo torolalana nomen’ny Tompo ho an’ireo izay maniry hiditra ho mpikamban’ny Fiangonany sy ireo izay efa isan’ny ao amin’ny Fiangonany.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny fiovana eo amin’ny fiainana aorian’ny batisa
Alohan’ny hanasanao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto dia mampisehoa sarin’olona iray nandritra ny andro nanaovana batisa azy, tahaka ilay sary hita any amin’ny fiandohan’ity lesona ity.
Inona no mety ho fiovana eo amin’ny fiainan’ny olona iray aorian’ny fanapahan-kevitr’izy ireo hatao batisa?
Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny mitantara mombana olona iray fantatrao izay natao batisa. Afaka mamariparitra ireo fahasamihafana tsikaritrao ao amin’io olona io ianao talohan’ny nanaovana batisa azy sy taorian’izany. Afaka manasa ireo mpianatra ihany koa ianao hisaintsaina sy hizara hoe inona no fiantraikan’ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo hatao batisa teo amin’ny fiainan’izy ireo.
Nahoana, araka ny eritreritrao, no manan-danja amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny ôrdônansin’ny batisa?
Zarao ity andiam-pehezan-teny manaraka ity mba hanampy amin’ny hahafantatra ny zavatra hohalalininy androany:
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia ahitana torolalana momba ny fandaminana ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Ao anatin’ireo torolalana ireo dia nizara fampianarana manan-danja izay manampy antsika hahatakatra ny lanjan’ny ôrdônansin’ny batisa ny Tompo. Nampianatra fahamarinana manan-danja momba ny fanasan’ny Tompo ihany koa Izy, izay andidiana antsika ma horaisina isan-kerinandro aorian’ny nanaovana batisa antsika. Rehefa mandalina ny tenin’ny Mpamonjy ianao dia mifantoha amin’ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao hamantatra ny lanjan’ireo ôrdônansy ireo eo amin’ny fiainanao.
Ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo
Zarao tsiroaroa na ho vondrona kely ireo mpianatra. Omeo ny taratasy zaraina ho an’ny lesona ny mpianatra tsirairay ary asao ny mpianatra mba hiara-hiasa hamita ny sahanasa fandalinana ao amin’ilay taratasy zaraina. Mety hanampy ny manendry mpianatra iray ao amin’ny vondrona tsirairay ho mpitarika ny fifanakalozan-kevitra.
Mba hahitana hevitra samihafa dia asao ny mpianatra mba hiato kely rehefa avy mamita fizarana iray mba hahafahanao mamorona fiaraha-miasan’olon-droa na mamorona vondrona samihafa ho an’ny fizarana tsirairay.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 mba hitadiavana izay tsy maintsy ataon’ny olona iray mba ho mendrika ny hatao batisa.
Raha ilaina dia tadiavo ny famaritana ny teny tsy azonao. Avy eo tanisao eo amin’ilay faritra etsy ambany ireo fepetra takina amin’ny firotsahana amin’ny batisa. Azonao atao ny mamerina ny sasany amin’izy ireo amin’ny alalan’ny teninao manokana.
Hamorona fanamarihana
Misafidiana fepetra takina roa na telo izay voatanisa ao amin’ny andininy 37 . Ifanakalozy hevitra hoe nahoana no mety hanampy anao ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy kokoa ny fiezahana tsy tapaka hanatanteraka azy ireo.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:68–69 mba hitadiavana ireo zavatra andrasan’ny Tompo amintsika tsirairay aorian’ny nanaovana batisa antsika.
Hevero ny hanisy marika ny andian-teny hoe “ny fandehanana sy ny firesahana araka an’ Andriamanitra” ao amin’ny andininy 69 . Afaka mampiseho “ny fandehanana sy ny firesahana araka an’ Andriamanitra” ny olona iray amin’ny alalan’ny zavatra atao sy ny toetra ary ny teny mifanaraka amin’ Andriamanitra.
Inona, araka ny eritreritrao, no sasany amin’ireo antony hitiavan’ny Tompo mba hanehoan’ny mpikamban’ny Fiangonany “ny fandehanana sy ny firesahana araka an’ Andriamanitra” rehefa vita batisa izy ireo?
Mifanakaloza hevitra mombana ohatra telo manokana farafahakeliny mikasika ny fomba ahafahantsika maneho “ny fandehanana sy ny firesahana araka an’ Andriamanitra” eo amin’ny fiainantsika. Azonao atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ireo fomba niezahanao nampiseho izany teo amin’ny fiainanao manokana.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75 mba hitadiavana ny torolalan’ny Tompo momba ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.
Ny andininy 77 sy 79 dia mirakitra ireo vavaka nasain’ny Tompo hataon’ireo mpihazona ny fisoronana rehefa manamasina ny fanasan’ny Tompo. Amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, isika dia manavao ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny fotoana nanaovana batisa sy nandraisana antsika ho mpikambana. Rehefa miezaka mitandrina ny fanekempihavanantsika sy mibebaka isan’andro isika dia afaka miaina ilay fanadiovana sy ilay fitahiana izay niainantsika tamin’ny alalan’ny batisa.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77 sy 79 , mba hitadiavana ny zavatra ampanantenaintsika sy izay ampanantenain’ny Tompo rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Hevero ny hanisy marika ireo fampanantenana ireo ao amin’ny soratra masinao.
Ahoana no hanehoan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika sy ny famindram-pony?
© 2023 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.
Mampihatra ny zavatra nianaranao
Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapany avy amin’ny sahanasa fandalinana natao teo aloha. Afaka mametraka ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ianao.
Inona avy ireo hevi-baovao na fahatsapana tonga taminao rehefa avy nandalina ireo andininy ireo ianao?
Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy rehefa nandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao?
Inona no nianaranao na tsapanao androany momba ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo?
Asao ireo mpianatra mba hanombantombana amim-pahanginana hoe raha ny fahatsapan’izy ireo dia aiza ho aiza ny fiainan’izy ireo ireo fepetra takina nianaran’izy ireo androany. Ny fomba iray ahafahanao manao izany dia amin’ny alalan’ny fampisehoana ireto torolalana manaraka ireto sy ny fanasana ireo mpianatra mba hanoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany.
Mitadiava andian-teny voatanisa ao amin’ireo andinin-tsoratra masina nianaranao androany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–69, 75–79 ) izay mamariparitra zavatra iray izay vitanao tsara. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao io andian-teny io ary lazao hoe nahoana ianao no manana fahatsapana tsara mikasika io lafin-javatra iray io.
Mitadiava andian-teny avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay mamaritra zavatra tianao hivoarana. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao io andian-teny io ary lazao ny antony nifidiananao izany.
Mametraha tanjona manokana mba hivoarana amin’io zavatra nofidinao io.
Amporisiho ny mpianatra rehetra hiezaka hanatratra ny tanjona izay napetrany. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo sy ny fanampiana azony omena rehefa miezaka ny hitandrina ireo fanekempihavanana nataony Taminy izy ireo.
Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
2:3
Plead with God in the name of Christ to write the gospel in your mind that you may have understanding and in your heart that you may love to do His will.
Rehefa mikatsaka ny fitahian’ny fiovam-po ianao dia afaka manolotra ho an’ny Tompo ny fonao torotoro na mibebaka ary ny fanahinao manenina na mankatò. Raha ny marina dia fanomezanao ny tenanao izany—ny maha-ianao anao sy izay hahatongavanao. (D. Todd Christofferson, “When Thou Art Converted ,” Liahona , May 2004, 12)
Nampianatra ny Loholona Bruce D. Porter (1952–2016) tao amin’ny Fitopololahy hoe:
2:3
Those who have a broken heart and a contrite spirit are willing to do anything and everything that God asks of them.
Ireo izay manana fo torotoro sy fanahy manenina dia vonona hanao na inona na inona sy ny zava-drehetra takin’ Andriamanitra amin’izy ireo, tsy amim-panoherana sy tsy ao anatin’ny fananana lolom-po. Manatsahatra ny fanaovana zavatra araka ny fombantsika isika ary mianatra ny manao azy ireo araka ny fomban’ Andriamanitra kosa. Afaka ny hisy fiantraikany ny Sorompanavotana ary afaka mitranga ny fibebahana marina ao anatin’izany toetran’ny fankatoavana izany. (Bruce D. Porter, “A Broken Heart and a Contrite Spirit ,” Liahona , Nov. 2007, 32)
Ny Loholona Melvin J. Ballard (1873–1939) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Ny zavatra iray izay hitondra fiarovana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia ny fahatongavana eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo isaky ny andro Sabata. Tsy ho lasa lavitra loatra isika ao anatin’ny herinandro iray—tsy ho lavitra loatra hany ka tsy afaka hanitsy ireo hadisoana mety ho vitantsika amin’ny alalan’ny fanaovana fandinihan-tena manokana. … Ny lalana mankany amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo no lalan’ny fiarovana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. (Melvin J. Ballard, “The Sacramental Covenant,” in Bryant S. Hinckley, Sermons and Missionary Services of Melvin Joseph Ballard [1949], 151)
Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Ny mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika dia [manana] dikany telo farafahakeliny. … Voalohany dia maneho ny fahavononantsika ho fantatra fa mpino an’i Jesoa Kristy sy mpikamban’ny Fiangonana izay mitondra ny anarany sy mitory ny filazantsarany manerana an’izao tontolo izao isika. Faharoa, maneho ny fahavononantsika hitondra … [ny] asan’ny Mpamonjy isika mba hanatanteraka ny fiainana mandrakizain’ireo zanak’ Andriamanitra. … Fahatelo, vavolombelon’ny fanolorantenantsika hiezaka ny ho mendrika ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy isika. (Dallin H. Oaks, His Holy Name [1998], 66–67)
Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Saintsaino ny antony hivavahantsika sy handalinantsika ny soratra masina. … Ireo fomba mahazatra masina ireo dia fomba voalohany indrindra izay ahafahantsika mahatsiaro ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Malala ary fepetra takina mialoha ny hananana ny Fanahy Masina ho namana tsy tapaka. (David A. Bednar, “Receive the Holy Ghost ,” Liahona , Nov. 2010, 96)
Azonao atao ny manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe nangatahina mba hanao lahateny iray momba ny batisa mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy ireo na mandritra ny fotoam-batisan’ny olona akaikin’ny fo iray. Asao izy ireo handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–79 ary hanomana lahateny iray maharitra eo amin’ny telo ka hatramin’ny dimy minitra eo. Azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana eo amin’ny fitarihana ny mpianatra amin’ny fiomanan’izy ireo:
Inona no tokony hataon’ny olona iray mba ho mendrika ny hatao batisa?
Ahoana no tokony hanatanterahana ny batisa?
Inona no andrasan’ny Tompo amin’ny olona iray aorian’ny batisa?
Inona no ifandraisan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo amin’ny batisa?
Inona no fiantraikan’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo teo amin’ny fiainanao?
Azonao atao ny manome fahafahana ireo mpianatra vonona mba hizara ny lahateniny amin’ny iray kilasy na amin’ny vondrona kely.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady andian-teny iray izay miverimberina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 sy 77 . Angataho ny mpianatra mba hizara ny eritreritreny mikasika ny dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika. Mba hanampiana azy ireo hampitombo ny fahatakarany an’io foto-kevitra io dia hevero ny hampiseho zavatra iray misy anarana eo aminy, toy ny anarana marika iray na ny anaran’ny tompon’ilay entana. Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra ambaran’ilay anarana amintsika momba ilay zavatra. Inona no ifandraisan’izany amin’ny foto-kevitra hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika?
Azonao zaraina koa ilay teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”
Rehefa mandalina ireo tenin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara teny na andian-teny manokana izay misarika ny sain’izy ireo. Azonao atao koa ny mangataka azy ireo hizara ny zavatra ampianarin’ireo teny ao amin’ireo vavaka ireo azy ireo momba an’i Jesoa Kristy.
Hevero ny hampiseho ireto famaritana ny sasany amin’ireo teny fototry ny vavaky ny fanasan’ny Tompo manaraka ireto :
Mitahy: manome sitraka na manamasina
Manamasina: manokana
Fanahy: ny fanahy sy ny vatana
Mijoro ho vavolombelona: manamafy na manamarina
Vonona: maniry na tapa-kevitra
Mandrakariva: amin’ny fotoana rehetra
Mahatsiaro: mamerina ao an-tsaina na mieritreritra indray
Mitandrina: mankatò
Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky indray ny andininy 77 sy 79 ary hanolo ireo teny fototra voatanisa etsy ambony amin’ny famaritana azy ireo. Anontanio azy ireo hoe inona no fahatakarana fanampiny azon’izy ireo amin’ny famakiana ireo vavaka amin’izany fomba izany.