“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22: Topimaso ankapobeny” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22
Topimaso ankapobeny
Fotoana fohy taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna dia naorina ny Fiangonan’ny Mpamonjy tamin’ny 6 aprily 1830, tao Fayette, New York. Ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22 dia manome ny torohevitry ny Tompo ho an’ilay Fiangonana vao naorina. Ao amin’ireo fizarana ireo dia mianatra fampahalalana manan-danja isika, toy ny fepetra takina amin’ny firotsahana amin’ny batisa ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, ny teny ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo, ary ny torohevitry ny Tompo ho an’ny Fiangonana mba handray ny tenin’ny Mpaminaniny “amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5).
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny Fiangonan’ny Mpamonjy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ny fomba hamaliany ny olona iray izay nanontany azy ireo hoe nahoana no ilaina ny maha-mpikambana ao amin’ny fiangonana.
-
Horonan-tsary: “Ny ilàna Fiangonana” (15:42; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:48)
-
Taratasy zaraina: “Nahoana no manana Fiangonana ny Mpamonjy?”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–79
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanombantombana hoe aiza ho aiza ny fanatanterahan’izy ireo ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Afaka manasa ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–79 ianao ary angataho izy ireo hitady ireo torolalana nomen’ny Tompo ho an’ireo izay te hiditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonany sy te hiaraka amin’ireo izay mpikamban’ny Fiangonany.
-
Sary: Olona iray tamin’ny andron’ny batisany.
-
Taratasy zaraina: “Fampianarana momba ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 20”
-
Votoatiny haseho: Torolalana ho an’ny mpianatra mba hanombantombanany ny tenany any amin’ny faran’ny lesona.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanaraka ny tenin’ireo mpaminanin’ny Tompo amim-paharetana sy amim-pinoana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hizara ny fomba nitahiana azy ireo na nitahiana ny olona iray fantany tamin’ny fanarahana mpaminany iray.
-
Horonan-tsary: “Ny mpaminanin’ Andriamanitra” (15:55; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 11:51 hatramin’ny 12:17)
-
Fitaovana ilaina entina: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022) ho an’ny mpianatra izay mety tsy mikirakira fitaovana amin’ny endrika nomerika.