“Tombano ny fianaranao 2: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–19,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Tombano ny fianaranao 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 34: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19
Tombano ny fianaranao 2
Ny fisaintsainana sy ny fanombantombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo hitombo ara-panahy hatreto.
Sahanasa fianarana azo atao
Tombano ny fianaranao
-
Manao ahoana ny hafainganam-pandehan’ny fivoaranao ao anatin’ity sahanasa ity?
-
Nahoana no zava-dehibe ny fanombantombanana ny fivoaranao? Inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fanirianao hanohy hanao fanazaran-tena?
-
Inona no fiantraikan’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana teo amin’ny fahatsapanao momba ny filazantsara?
-
Inona no fiantraikan’ny ezaka tsy tapaka nataonao, rehefa nandeha ny fotoana, teo amin’ny fivoaranao ara-panahy sy ny finoanao an’i Jesoa Kristy?
-
Raha tsy mahatsapa ianao fa nivoatra ara-panahy, inona no fanitsiana kely azonao atao eo amin’ny zavatra ataonao tsy tapaka?
Manazava ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna
Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona manontany ny finoanao ny Bokin’i Môrmôna ary mangataka anao hanampy azy ireo hahatakatra ny atao hoe Bokin’i Môrmôna sy ny fiavian’izany. Ahoana no hanazavanao izany?
Afaka manao ny sasany amin’ireto manaraka ireto ianao ao anatin’ny fanazavanao:
-
Tantarao amin’izy ireo amin’ny alalan’ny teninao manokana ny tantaran’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. (Azonao atao ny mitady soratra masina izay hanampy anao na tantara voarakitra izay azonao fintinina.)
-
Mampiasà sary izay afaka manampy anao hanazava.
-
Zarao ny fahatsapanao momba ny Bokin’i Môrmôna na ny zavatra niainanao tamin’ny Bokin’i Môrmôna.
Fahatsapana fa lehibe ny hasarobidin’ny fanahinao amin’ Andriamanitra
Tao anatin’ny lesona iray vao haingana dia nasaina ianao hieritreritra lalina kokoa momba ny hasarobidinao eo imason’ Andriamanitra. Mety efa namorona fampahatsiahivana izay hitanao tsy tapaka ianao (toy ny peta-drindrina na fond d’écran amin’ny telefaonina), na nirotsaka nanao vavaka misy fifantohana kokoa, na nanokana fotoana hanoratana ao amin’ny diary, na nandalina ny tsodranon’ny patriarika nomena anao, na nanao zavatra hafa.
-
Inona no nataonao mba hanampiana anao hieritreritra bebe kokoa momba ny hasarobidinao eo imason’ Andriamanitra?
-
Inona no fahasamihafana tsikaritrao vao haingana teo amin’ny fomba famaritan’izao tontolo izao ny hoe hasarobidy sy ny fomba famaritan’ Andriamanitra ny hoe hasarobidy?
-
Inona no nianaranao vao haingana izay nanamafy na nampitombo ny fahatokisanao fa lehibe ny hasarobidinao eo anatrehan’ Andriamanitra?
Fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana
Mifidiana vitsivitsy amin’ireto teny nambara ireto ary fenoy ao anatin’ny diarinao izy ireo. Mety hahatsapa ho voatarika hanoratra eritreritra sy fahatsapana hafa ianao. Aza misalasala manao izany.
Ny zavatra manan-danja indrindra nianarako vao haingana momba ny fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra dia …
Ny zavatra vitsivitsy izay nezahiko natao vao haingana mba handraisana fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia ahitana ny …
Ny zavatra iray izay toa nisy fiantraikany tamin’ny fahafahako nandray fanambarana dia ny …
Ny zavatra niainako vao haingana izay tsy tiako hohadinoina dia …
Te hanohy hampitombo ny fahafahako mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra aho satria …
Mba hampitomboana bebe kokoa ny fahafahako mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia manolo-tena aho …