Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19

Topimaso ankapobeny

Nangataka fanambarana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith i Martin Harris rehefa nahatsapa fa mety hamoy ny toeram-pamboleny sy fiompany mba handoavana ny fanaovana fanontana ny Bokin’i Môrmôna izy. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 dia nitantara ny fomba nisafidianany ny hanaiky ny sitrapon’ny Ray any An-danitra sy ny nahazoany hery handresena ny zava-drehetra ny Mpamonjy. Nanoro hevitra an’i Martin ny Tompo mba hibebaka sy hanao ny fahafoizan-tena ilaina mba handoavana ny trosany tamin’ilay mpanonta pirinty.

sary famantarana ny fampiofananaMifantoka amin’i Jesoa Kristy: Ny fianarantsika momba an’i Jesoa Kristy dia mitaona antsika ho lasa tahaka Azy kokoa. Tsy afaka ny hitovy Aminy anefa isika raha tsy manao zavatra amim-pinoana, na ao an-dakilasy na any ivelany. Mba hahitana fanazavana fanampiny dia jereo ny fizarana hoe “Ampio ny mpianatra hinia hiezaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany ianao ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–24, tapany 1.”

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–24, tapany 1

Tanjon’ny lesona: Mba hampitombo ny fanirian’ny mpianatra hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fanekena ny sitrapon’ny Ray any An-danitra

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana izay iainan’ny zatovo ilay hoe alaim-panahy hanao izay tiany fa tsy izay tian’ny Tompo.

  • Votoatiny haseho: Teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–24, tapany 2

Tanjon’ny lesona: Mba hanampy ny mpianatra hankasitraka lalindalina kokoa ny fanomezan’ny Mpamonjy ny fibebahana, izay tanteraka tamin’ny alalan’ny sorompanavotany lehibe

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny Almà 36:12–21, hitadiavana ny antony nahatsapan’i Almà fahoriana lehibe sy fifaliana mahatalanjona tamin’ny fibebahany.

  • Votoatiny haseho: Teny nambara momba ny fibebahana

  • Fitaovana ilaina: Tapa-taratasy maromaro

  • Taratasy zaraina: “I Jesoa Kristy sy ny fibebahantsika”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:25–41

Tanjon’ny lesona: Mba hanampy ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana sorona izay rehetra angatahan’ny Ray any An-danitra amintsika

  • Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanontany ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay atokisan’izy ireo hoe inona avy ireo fahafoizan-tena efa nataony amin’ny maha-mpianatry ny Tompo azy.

  • Votoatiny haseho: Famporisihana hanao sahanasa mahakasika ny diary fandalinana

Tombano ny fianaranao 2

Tanjon’ny lesona: Mba hanampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hatreto mba hivoatra ara-panahy

  • Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hisaintsaina momba ny lesona iray tao amin’ny seminera natao vao haingana izay nisy fiantraikany manokana tamin’izy ireo. Afaka misaintsaina izay fanovana rehetra nataony vokatr’ilay lesona izy ireo.

  • Fitaovana ilaina: Taratasy kely maromaro

  • Sary: I Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith; i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery nandika ireo takelaka; ireo Vavolombelona Telo nahita ireo takelaka; sarin’ny olona iray izay ahitana marika ny sainy sy ny fony