Lesona 31: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–24, tapany 1: Nanaiky ny sitrapon’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–24, tapany 1: Nanaiky ny sitrapon’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–24, tapany 1,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 31: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19
Nanaiky ny sitrapon’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy
Nitady fampiononana sy torohevitra i Martin Harris ka nangataka fanambarana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 dia nitantara ny fomba nisafidianany ny hanaiky ny sitrapon’ny Ray any An-danitra sy ny nahazoany hery handresena ny zava-drehetra ny Mpamonjy. Nampanantenaina fiadanana i Martin raha toa ka mibebaka sy manaiky ny zavatra nasain’ny Tompo nataony. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra amin’ny fampitomboana ny fanirian’izy ireo hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy eo amin’ny fanekena ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy
Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe manolotra ny sitrapontsika amin’ Andriamanitra?
Inona ny zavatra sarotra sasany ilaina afoy mety tsy maintsy angatahina mba hataon’ny zatovo mba hanarahana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra?
Ny faneken’ny Mpamonjy ny Rainy
Noho ny faniriany hanohana ny Mpaminany Joseph Smith sy ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna, dia nampanantena i Martin Harris fa hanampy amin’ny fandoavana ny fanaovana ny fanontana. Rehefa tsapany fa mety ho voatery hivarotra ny toeram-pamboleny sy fiompiany izy noho izany, dia nangataka fanambarana misy tari-dalana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph izy. Ao amin’ilay fanambarana, izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19, dia nampianatra fahamarinana manan-danja momba ny sorompanavotany ny Mpamonjy. Ireo fahamarinana ireo dia nanampy an’i Martin hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fanekena ny sitrapon’ny Ray any An-danitra na dia sarotra aza izany.
Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Ny fankatoavana ny sitrapon’olona iray no hany tena zavatry ny tena manokana izay azontsika apetraka eo amin’ny alitaran’ Andriamanitra. Ireo zavatra hafa izay “omentsika” … dia tsy inona fa ireo zavatra izay efa nomeny na nampindraminy antsika. Na izany aza rehefa mankatò izaho sy ianao amin’ny farany, amin’ny famelana ny sitrapontsika ho atelin’ny sitrapon’ Andriamanitra, amin’izay isika dia tena manome zavatra ho Azy! Izay no tena fananantsika izay tena antsika marina mba hatolotra! (Neal A. Maxwell, “Swallowed Up in the Will of the Father,” Ensign, Nov. 1995, 24)
Inona, araka ny eritreritrao, no tsy mampitovy ny fampandeferana ny sitraponao, araka ny nampianarin’ny Loholona Maxwell, sy ny fankatoavana tsotra?
Oviana ianao no nahita olona nanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny fampandeferana ny sitrapony eo anatrehan’ny sitrapon’ Andriamanitra na dia sarotra aza izany?
Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:
Ireo lehilahy sy vehivavy izay mampitodika ny fiainany amin’ Andriamanitra dia hahita fa Izy dia afaka manao zavatra bebe kokoa amin’ny fiainan’izy ireo mihoatra izay azon’izy ireo atao. Hahatonga ny fifalian’izy ireo ho lalim-paka Izy, hanitatra ny fahitan’izy ireo, hampavitrika ny sain’izy ireo, … hampahery ny fanahin’izy ireo, hampitombo ny fitahiana ho azy ireo, hampitombo ireo fahafahana manao zavatra azon’izy ireo araraotina, hampitony ny fanahin’izy ireo, hanome namana ary handrotsaka fiadanana. Na iza na iza hanolotra ny fiainany amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia hahazo ny fiainana mandrakizay izy. (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 42–43)