“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–24, tapany 2: -Izaho [Jesoa Kristy] dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny olona rehetra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–24, Tapany 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 32: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19
“Izaho [Jesoa Kristy] dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny olona rehetra”
Nampianatra fahamarinana mahery vaika momba ny Sorompanavotany tamin’i Martin Harris ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 . Ny fibebahana amin’ny fahotantsika dia azo tanterahina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Noho Izy sy ny Sorompanavotany feno famindram-po sy feno fitiavana dia afaka ny ho voadio amin’ny alalan’ny fibebahantsika isika. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hankasitraka lalina kokoa ny fanomezan’ny Mpamonjy ny fibebahana, izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny sorompanavotany lehibe.
Sahanasa fianarana azo atao
Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia ampio ny mpianatra hanombana ny zavatra fantany na inoany momba ny fibebahana. Ny fomba iray azo anaovana izany dia ny manasa azy ireo handinika ireto teny nambara manaraka ireto. Azonao atao ny manonta printy mitokana ny fanambarana tsirairay ary mampiseho izany eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ireo fanambarana ho ao amin’ny sokajin’ny Fahamarinana na Angano avy eo. Safidy iray hafa ny manangana fitsapan-kevitra amin’ny endrika nomerika ka tsy mitonona anarana ary manasa ireo mpianatra hamaly.
Ireto fanambarana manaraka ireto ve fahamarinana sa angano ?
Ny tena tanjon’ny fibebahana dia ny hanasaziana ny mpanota.
Ireo izay tsy mibebaka dia tsy ho mendrika ny hiverina hiara-hiaina amin’ Andriamanitra.
Na dia sarotra aza ny fibebahana, dia tsy hanenenana izany.
Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny fibebahana.
Tsy afaka ny ho tia ahy tokoa ny Ray any an-danitra raha tsy mibebaka aho.
Ny fibebahana dia dingana tsy maharary.
Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy amin’ny fitarihana fifanakalozan-kevitra momba ny valintenin’ny mpianatra. Mba hahitana hevitra mahasoa momba ny fifanakalozan-kevitra, dia jereo ny Sujets de l’Évangile, “Repentance ,” topics.ChurchofJesusChrist.org .
Fanamarihana: Aza mandany fotoana be loatra amin’ny fifanakalozan-kevitra. Hampitaha ireo fanambarana ireo amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ireo mpianatra any aoriana any ao amin’ny lesona.
Asao ny mpianatra handrakitra an-tsoratra amin’ny fomba fohy ao amin’ny diary fandalinany ny fahatsapany manokana momba ny fibebahana. Azonao atao ny mangataka azy ireo mba hampiditra ny hevitr’izy ireo momba ireo fahamarinana sy angano izay noresahin’izy ireo.
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 , ny Tompo dia namaly ny ahiahin’i Martin Harris momba ny mety hamoizany ny toeram-pamboleny sy ny fiompiany mba handoavana ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna. Nampianatra an’i Martin momba ny fibebahana sy momba ny sorompanavotany lehibe ny Tompo. Rehefa mandalina ianao androany dia azonao atao ny mirakitra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fahamarinana nianaranao momba ny Mpamonjy sy ny fitahian’ny fibebahana atolony antsika.
Manamaivana ny fijaliantsika ny fijaliany
Amin’ity sahanasa manaraka ity dia afaka mandalina ao anatina vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Amporisiho ny mpianatra mba ho feno fanajana rehefa mandalina ireo andininy ireo.
Mety ho liana ny mpianatra hahafantatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 no hany tantara ao amin’ny soratra masina ahitana ny famaritan’ny Mpamonjy manokana ny fijaliany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–20 ary tadiavo ny zavatra tian’ny Mpamonjy hianaranao momba Azy sy momba ny fibebahana. Azonao atao ny mivavaka sy manasa ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra tian’ny Tompo ho fantatrao sy ho tsapanao avy amin’ireo andininy ireo.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy ireo.
Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra, dia afaka manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ireo fahamarinana ireo ny Fanahy Masina. Ny fomba iray hanolorana fahafahana manao izany dia ny fanomezana taratasy kely ny vondrona tsirairay. Asao ireo vondrona hanoratra amin’ny taratasy ny fahamarinana iray manan-danja nianarany momba ny fibebahana na momba ny Mpamonjy nandritra ny fandalinany. Asao ny solontenan’ny vondrona tsirairay hitsangana, hamaky mafy ny fahamarinana hitan’izy ireo, ary asehoy eny amin’ny solaitrabe izany avy eo.
Asao ireo vondrona mba hampitaha ny zavatra nianaran’ny mpianatra avy amin’ireo andininy amin’ireo fahamarinana sy angano nodinihina tany am-piandohan’ny lesona. Afaka mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy izao manaraka izao izy ireo:
Ahoana no ahafahan’ny fampianaran’ny Mpamonjy manampy antsika hamantatra mora kokoa ireo fahamarinana sy angano momba ny fibebahana?
Ahoana no ahafahanao mamerina manoratra araka ny tokony ho izy ireo angano ireo mba hanehoana ireo fahamarinana momba ny fibebahana?
Antitrantero ireto fahamarinana manaraka ireto: Nizaka an-tsitrapo ny fijaliany tamin’ny Sorompanavotany ho an’ny olon-drehetra i Jesoa Kristy (andininy 16, 19 ). Raha misafidy ny tsy hibebaka isika dia hizaka ny sazin’ny fahotantsika (andininy 17 ).
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana ireo dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
Inona no fiantraikan’ny tenin’ny Mpamonjy manokana momba ny Sorompanavotany eo amin’ny zavatra tsapanao momba Azy? Nahoana?
Nahoana no porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika ny didin’ny Tompo mba hibebaka?
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika mampitombo ny faniriantsika hibebaka?
Ny fanomezana ny fibebahana avy amin’ny Mpamonjy
Omeo fahafahana ny mpianatra mba hizara ny zavatra tsapany momba ny Mpamonjy. Ireto misy fomba roa azonao anaovana izany. Afaka manasa ireo mpianatra handalina ny fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ianao na mihira hira iray ao am-pianarana. Azonao atao ny mampiasa ny iray na maromaro amin’ireo, arakaraka ny zavatra ilain’ny mpianatrao sy ny bitsiky ny Fanahy Masina.
4:48
Give thanks for the Lord Jesus Christ: His life, His atoning sacrifice, and His Resurrection. John 3:16
Hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana
Hevero ny hanasaraka ireo teny nambara anankiroa ao amin’ilay taratasy zaraina ary omeo ny iray amin’izy ireo ny mpianatra tsirairay. Asao izy ireo handalina izany ary hanoratra ao an-damosina ny antony maha-zava-dehibe ny hahatakaran’ny zatovo iray izany. Avy eo dia asao izy ireo mba hifanakalo taratasy amin’ny mpianatra iray izay nanana ilay teny nambara iray hafa, ary hamaky ilay fanambarana sy ny zavatra nosoratan’ilay mpianatra iray hafa.
Izao no fanamarihana nataon’ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy:
Tsy misy na iza na iza maniry kokoa ny fahombiazantsika mihoatra noho ny Mpamonjy. …
… Ny fibebahana dia tsy hoe drafitra atao fiandry sao dia ho lavo isika. Ny fibebahana no drafiny, satria fantany fa hanao izany isika. (Lynn G. Robbins, “Hatramin’ny fito-polo im-pito ,”Liahona , mey 2018, 22)
Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
I Jesoa Kristy no ohatra lafatra indrindra ho antsika amin’ny zavatra rehetra, “izay naharitra ny hazo fijaliana mba hahazoana ny fifaliana napetraka teo anoloany” [Hebreo 12:2 ]. Eritrereto tsara anie izany! Mba hizakana ny zavatra sarotra indrindra niainana teto ambonin’ny tany, ny Mpamonjintsika dia nifantoka tamin’ny fifaliana !
Ary inona ilay fifaliana izay napetraka teo anoloany? Azo antoka fa izany dia nahitana ny fifaliana avy amin’ny fanadiovana, fanasitranana, ary fampatanjahana antsika; ny fifaliana avy amin’ny fanefana ny fahotan’ny olona rehetra izay mibebaka; ny fifaliana avy amin’ny fanaovana izay hahafahantsika sy ianao mandeha mody—madio sy mendrika—mba hiaina miaraka amin’ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra sy ny fianakaviantsika. (Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy ,” Liahona , nôv. 2016, 83)
Hira ao amin’ny fihirana momba ny Mpamonjy
Raha mampiasa io safidy io ianao dia azonao atao ny mamela ny mpianatra hizara andian-teny momba ny Mpamonjy avy amin’ireo hira samihafa ao amin’ny fihirana izay mampianatra momba ilay fanomezana ny fibebahana avy Aminy. Azonao atao ny misafidy ny hihira hira vitsivitsy ao amin’ny fihirana ao am-pianarana, miankina amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao sy ny fahaiza-manaony. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hampifandray ireo hira ireo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 ao amin’ny soratra masin’izy ireo.
Fandinihana ataon’ny tena manokana
Omeo fotoana hieritreretana ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo ny mpianatra. Afaka manasa azy ireo ianao mba hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy izay zavatra tsapany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo manasa feno kokoa ny fitahian’ny fibebahana avy amin’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Aoka ianao hahay hihaino tsara ny bitsiky ny Fanahy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hifampizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary avereno jerena izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ilay andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina dia “Izaho [Jesoa Kristy] dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny olona rehetra.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fitadidiana dia ao amin’ny fitaovana misy ny tovana ao amin’ilay hoe “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nijoro ho vavolombelona hoe:
Niaritra fijaliana tsy takatry ny saina ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika mba ho lasa sorona ho an’ny fahotan’ny olombelona rehetra izay mibebaka. Io sorona fanavotana io dia nanolotra ny faran’izay tsara indrindra, ilay zanak’ondry madio tsy misy kilema, ho an’ny ratsy lehibe indrindra, dia ny fahotan’izao tontolo rehetra izao. Nanokatra varavarana ho antsika tsirairay avy izany mba ho voadio amin’ny fahotantsika manokana ka ahafahantsika ho tafaverina indray eo anatrehan’ Andriamanitra, ilay Raintsika Mandrakizay. Natao ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra io varavarana misokatra io. …
Ny Mpamonjintsika dia mahatsapa sy mahafantatra ny fakam-panahy mahazo antsika, ny adintsika, ny ratram-pontsika, ary ny fahoriantsika, satria niaina izany rehetra izany an-tsitrapo Izy tao anatin’ny Sorompanavotany. … Ireo rehetra izay mijaly noho ireo karazana rofy rehetra eto amin’ny fiainana an-tany dia tokony hahatsiaro fa ny Mpamonjintsika ihany koa dia efa niaina izany karazana fanaintainana izany ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany no hanolorany amintsika tsirairay avy ny hery mba hahazakana izany. (Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika? ,” Liahona , mey 2021, 76–77)
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina afa-tsy ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay ratsy. Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy, izay mijoro mamelatra ny sandriny, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika. …
Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika ,” Liahona , mey 2019, 67).
Nanao fanamarihana toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Indraindray isika, mandritra ny fibebahantsika sy ny ezaka ataontsika isan’andro mba hitovy bebe kokoa amin’i Kristy, dia mahita fa sahirana mitolona amin’ireo zava-tsarotra izay miverimberina foana isika. … Aza kivy. Rehefa miezaka sy miasa mba hibebaka ianao dia ao anatin’ny dingan’ny fibebahana. (Neil L. Andersen, “Repent … That I May Heal You ,” Liahona , Nov. 2009, 41)
Ny hoe mitakemotra dia midika hoe misoroka ny fanaovana zavatra iray na miverin-dalana amin’ny fanaovana zavatra iray, izay matetika rehefa sarotra izany na maharary.
2:3
(D&C 19:16-19) Elder M. Russell Ballard teaches how Christ suffered for all.
Horonan-tsary: “[Fahamarinana,] fitiavana, famindram-po, no tafaraka soa” (5:36)
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny tantaran’ireo mpirahalahy nihanika ny rindrim-baton’ny canyon mampidi-doza iray. Nampitahainy tamin’ny asa famonjena nataon’i Kristy tamin’ny fanatanterahana ny Sorompanavotana ny asa famonjena nataon’ilay rahalahy iray.
5:36
Two brothers attempt to climb a sheer canyon wall without any safety ropes or harnesses.Read Elder Holland's full conference address: https://www.lds.org/general-conference/2015/04/where-justice-love-and-mercy-meet?lang=eng&_r=1add
Asao ny mpianatra handalina ny ampahan’ilay fizarana na ilay fizarana rehetra hoe “Hanampy anao Jesoa Kristy ” (Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 6–9).
Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra nianarany ao anatin’ny vondrona kely, ary avy eo dia afaka mizara izany amin’ny iray kilasy ny solontenan’ny vondrona tsirairay. Ho solon’izany dia afaka maneho fahamarinana manan-danja amin’ny alalan’ny fanaovana sary, na fanoratana tononkalo, na famoronana meme hozaraina ao amin’ny tambajotran-tserasera ny mpianatra.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19 ary ifanakalozy hevitra ny fomba nampiasan’ny Tompo ny tandindon’ny fisotroana “kapoaka mangidy” mba hanehoana ny fijaliany nandritra ny Sorompanavotany. Hevero ny hampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto mba hitarihana ny fifanakalozan-kevitra.
Inona avy ireo toe-javatra mangidy atrehin’ny olona ankehitriny?
Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny ohatry ny Tompo?
Ahoana no mety hiantefan’io ohatra io amin’ny fiainantsika?