Seminera
Lesona 33: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:25–41: Mijery ny fahafoizan-tena amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:25–41: Mijery ny sorona amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:25–41,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 33: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:25–41

Mijery ny fahafoizan-tena amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

ny toeram-pambolena sy fiompian’i Martin Harris

Nampanantena i Martin Harris fa hanao antoka ny toeram-pamboleny sy fiompiany mba handoavana ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna. Nanapa-kevitra ny tsy hanomboka ny fanontana i E. B. Grandin, ilay mpanonta printy, raha tsy efa vita ara-dalàna ny fifanarahana. Izany dia hitaky ny mety hamoizan’i Martin ny tranony sy ny ankamaroan’ny fananany mba ho voaloa araka ny tokony ho izy ilay vola. Nomen’ny Tompo fanambarana i Joseph, izay nanitatra ny fomba fijerin’i Martin ary nanome azy ny fahatokian-tena nilaina mba hirosoana amin’ilay fifanarahana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fahafoizana izay rehetra angatahan’ny Ray any An-danitra amintsika.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny olan’i Martin Harris

Alaivo sary an-tsaina hoe niaina tamin’ny 1829 ianao ary anisan’ireo voalohany nino ny antson’i Joseph Smith. Tonga any aminao i Martin Harris namanao mba hangataka torohevitra. Fantatrao fa mipetraka any amina toeram-pambolena sy fiompiana tsara tarehy mirefy eo amin’ny 97 hektara eo ho eo izy. Milaza aminao izy fa raha kely ny isan’ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna lafo, dia tsy maintsy hivarotra ny tranony ary ny ankamaroan’ny toeram-pamboleny sy fiompiany izy mba handoavana ny fanontana. Ny vadiny sy ny mpifanolobodirindrina aminy dia nanohitra ny fahafoizana ny toeram-pamboleny sy fiompiany ho an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna. Mety hamoy ny tranony sy ny fifandraisany amin’ireo olona akaikin’ny fony izy.

  • Inona no mety ho tsapanao raha teo amin’ny toeran’i Martin ianao?

  • Inona no torohevitra azonao omena azy?

  • Araka ny eritreritrao, manao ahoana no maha-zava-dehibe ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna raha oharina amin’ny maha-zava-dehibe ny toeram-pambolena sy fiompian’i Harris?

Azonao atao ny misafidy ny hamorona ireto tsanganana sy lisitra manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.

Manaova tsipika eo afovoan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao. Omeo anarana hoe “Zavatra afoy” ny tsanganana voalohany ary ny tsanganana faharoa hoe “Torohevitra avy amin’ Andriamanitra.”

Soraty eo ambanin’ny tsanganana voalohany ny fahafoizana nasaina nataon’i Martin Harris.

Ny valiny dia mety hahitana ny volany, ny tranony, ny toeram-pambolena sy fiompiana, ary koa ny lazany sy ny fifandraisany amin’ny fianakaviany sy ny namany.

Avy eo, ao amin’io tsanganana io ihany, dia tanisao ireo fahafoizana nangatahin’ny Tompo na mety hangatahiny hataon’ireo zatovo amin’izao fotoana izao.

Mety ho efa namorona lisitra misy hevitra mitovy amin’izany ny mpianatra ao amin’ny lesona “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–24, tapany 1.” Raha izany no izy, dia azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo an’io lisitra io ary manontany raha te hanampy zavatra ao amin’izany izy ireo.

Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Sokafy ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. (2023). Vakio ny andiam-pehezan-teny 8, ary mitadiava hevi-baovao izay mety hanampy amin’ny toe-javatra misy an’i Martin Harris na amin’ireo toe-javatra izay angatahan’ny Tompo fahafoizana avy amintsika amin’izao fotoana izao.

Asao ny mpianatra mba hanao lisitra ny zavatra hitany tao amin’ny tsanganana “Torohevitra avy amin’ Andriamanitra” ao amin’ny diary fandalinany sy eny amin’ny solaitrabe.

  • Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay rehefa mangataka antsika mba hanao zavatra sarotra ny Tompo?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa rehefa mijery ireo fahafoizana ireo amin’ny fomba fijery ara-nofo isika dia mety hahatsapa fa toa tafahoatra na tsy rariny izany. Io fomba fijery voafetra io dia mety hitarika amin’ny fanapahan-kevitra izay hanenenantsika any aoriana.

Rehefa mandalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra dia asao izy ireo hanisy marika ireo hevi-baovao hitany ary hampiditra izany ao amin’ny tsanganana “Torohevitra avy amin’ Andriamanitra”.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:26–28, 32–35, 38–41 ary tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Martin Harris mba hanampiana azy hijery ny olana atrehiny amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Asao ny mpianatra hizara izay torohevitra hitany ho fanamafisana ny fahamarinana. Mety hahita torohevitra toy izao manaraka izao izy ireo:

Tsy tokony hitsiriritra ny fananantsika isika, fa hanome izany malalaka ho an’ny asan’ Andriamanitra. (jereo ny andininy 26).

Ny tsy firaharahiana ny torohevitry ny Tompo dia hiafara amin’ny fahoriana sy ny famongorana (jereo ny andininy 32–33).

Raha manana ny Fanahy miaraka amintsika isika, dia ho lehibe noho ny rakitsoan’ny tany ny fitahiana antsika (jereo ny andininy 38).

  • Ahoana no mety ho nanampian’ireo fahamarinana hitanao ireo an’i Martin Harris?

  • Ahoana no ahitana ny fitiavan’ Andriamanitra an’i Martin ao amin’io fanambarana io?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara izao manaraka izao mikasika ny valintenin’i Martin Harris momba io fanambarana io:

Filoha Dallin H. Oaks

Iray amin’ireo anjara biriky lehibe nentin’i Martin Harris ho an’ny Fiangonana, izay tokony hanomezam-boninahitra azy mandrakariva, ny famatsiany vola ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Tamin’ny aogositra 1829 dia nataony antoka tamin’i Egbert B. Grandin ny tranony sy ny toeram-pamboleny sy fiompiany mba ho antoka fa ho voaloa ny saran’ny asa nifanarahana tamin’ilay mpanonta printy. Fito volana taty aoriana dia vita ny fanontana ireo tahadika miisa 5000 tamin’ny fanontana voalohany ny Bokin’i Môrmôna. Taoriana kelin’izay, rehefa tonga ny fetr’andron’ilay fanaovana antoka, dia namidy 3000 dôlara ilay trano sy ny ampahany tamin’ilay toeram-pambolena sy fiompiana. Tamin’izany fomba izany, dia nankatò ilay fanambarana avy amin’ny Tompo i Martin Harris. (Dallin H. Oaks, “The Witness: Martin Harris,” Ensign, May 1999, 36)

  • Ahoana no nanehoan’ny fihetsik’i Martin fitondrantena tahaka ny an’i Kristy?

  • Raha amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, nahoana no tena nilaina ny fahafoizana nataon’i Martin?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany tamin’ny fandalinany ny tapany voalohany amin’ny fizarana 19. Hevero ny hifanakalo hevitra amin’ny mpianatra hoe nahoana no mety ho nanampy an’i Martin hanaiky hanao fahafoizana ny fananany ny fahavononan’ny Mpamonjy hanao sorona ny Tenany mba hanaovana ny sitrapon’ny Rainy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra hoe nahoana no mety hitaona azy ireo hanaiky ny zavatra angatahin’ny Ray any An-danitra ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izay nanao ny sitrapon’ny Rainy tao anatin’ny fijaliana lehibe.

Ny zavatra mety hangatahin’ny Tompo amiko

Asao ny mpianatra hisafidy zavatra iray voasoratra ao amin’ny tsanganana “Zavatra afoy” izay mahakasika ny zatovo ankehitriny ary hisafidy iray na maromaro amin’ireo torohevitry ny Tompo ao amin’ny tsanganana “Torohevitra avy amin’ Andriamanitra” izay mety hanampy olona iray hanao izany fahafoizana izany. Azonao zaraina tsiroaroa avy eo ireo mpianatra ary asao izy ireo hanazava amin’ny namany ny fomba ahafahan’ilay torohevitra manampy olona iray izay angatahina hanao ilay fahafoizana.

Rehefa avy nomena fotoana nifampizara hevitra ireo mpianatra, dia azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Azonao atao avy eo ny mampiseho ireto torolalana manaraka ireto ary manasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny toe-javatra iray izay mety hanirian’ny Tompo anao hanaiky ny sitrapony, ka mety ho sarotra aminao.

  2. Tanisao ireo sakana mety atrehanao eo amin’ny fiezahana hanao ny sitrapony.

  3. Soraty ny fomba mety hanampian’ny fijerenao ny toe-javatra iainanao avy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay an’ Andriamanitra anao mba handresy ireo sakana ireo.

  4. Raketo an-tsoratra ny fomba mety hitaoman’ny ohatry ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 anao hanaiky ny sitrapon’ny Ray any An-danitra. (Azonao atao ny mamaky ny andininy 2, 16–19, 23–24.)

  5. Asongadino ireo dingana vitsivitsy voalohany azonao atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy eo amin’ny toe-javatra misy anao.