Ny fifehezana fotopampianarana dia ahafahana manampy ireo mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hanao fanazaran-tena amin’ny fifehezana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fotopampianarana ampianarin’izany ary koa ny fianarana sy fampiharana ireo fitsipika masina mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
Sahanasa fianarana azo atao
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Takaro
Inona no tsy mampitovy ny hoe mamantatra, mahafantatra, ary mahatakatra?
Amin’ny fomba ahoana isika no hoe mamantatra na mahafantatra zavatra iray nefa tsy mahatakatra izany?
Amin’ny fomba ahoana no itrangan’izany amin’ny fifehezana fotopampianarana?
Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona tena mila ny hafatra voarakitra ao amin’ilay andinin-tsoratra masina nosafidinao. Na izany aza, 30 segondra fotsiny no anananao hanazavana aminy ny dikan’ilay andinin-tsoratra masina. Makà minitra vitsivitsy aorian’izay mba hahatakarana bebe kokoa ny votoatin’ilay andinin-tsoratra masina.
Hevero ny hampiasa ny sasany amin’ireto paikady manaraka ireto:
Vakio miadana ilay andinin-tsoratra masina.
Jereo izay teny na andian-teny tsy azonao.
Vakio ny lohatenin’ny fizarana mba hahafantarana ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina.
Jereo ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy.
Ampiasao ireo loharanom-pahalalana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Misy fanapahan-kevitra lehibe iray tokony horaisin’i Josie. Takany fa mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainany io fanapahan-kevitra io ary te hikatsaka ny fitarihan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana izy. Nivavaka mba hahazo fitarihana i Josie saingy nahatsapa ho tsy nahazo valiny izy. Manontany tena izy raha mitady fanambarana amin’ny fomba araka ny tokony ho izy.
Ahoana no ahafahan’i Josie mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana azy hahatakatra ny fomba handraisana fanambarana?
Mamakafaka ireo foto-kevitra sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Vakio ny andiam-pehezan-teny 8 eo ambanin’ny “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny Fifehezana fotopampianarana (2023), ka mitadiava torohevitra mikasika ny fomba hanasana ny Ray any An-danitra mba hitarika anao rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra sarotra ianao.
Ahoana no ahafahan’i Josie mandinika ny safidiny ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena?
Nahoana no afaka manampy amin’ny fahazoana fanambarana ny fijerena ilay safidy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?
Manao asa amim-pinoana
Vakio ny andiam-pehezan-teny 5 sy 7 eo ambanin’ny “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny Fifehezana fotopampianarana (2023), mba hitadiavana fahamarinana izay afaka manampy an’i Josie hikatsaka sy handray fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra.
Nahoana i Josie no mety hahatsapa fa tsy nahazo fanambarana izy? (Asio marika izay mety hilain’i Josie ho takatra ao amin’ny andiam-pehezan-teny 7.)