“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–13: -Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–13,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 27: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18
“Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra”
Ho valin’ny fikatsahan’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana ny sitrapon’ny Tompo mikasika ny fomba hananganana ny Fiangonany, dia nanome fanambarana an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary i David Whitmer ny Tompo izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 . Nampianatra ireo lehilahy ireo fahamarinana manan-danja momba ny hasarobidin’ny fanahintsika ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fa lehibe ny hasarobidin’ny fanahin’izy ireo eo imason’ Andriamanitra.
Sahanasa fianarana azo atao
Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny alalan’ny fanoratana ity teny nambara tsy feno manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra mba hitady fomba mifanaraka amin’ny zava-misy mba hamenoana izany. Anontanio azy ireo ny antony mahatonga ny tanora hanana fahatsapana toy izany.
Eo amin’ity tontolo izay iainantsika ity, dia mety hahatsapa ho alaim-panahy isika na ho voatery hampiorina ny hasarobidintsika amin’ny _______________.
Ho solon’izay, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: Bika aman’endrika , Zava-bita , sy Fananana . Anontanio ny mpianatra hoe nahoana ny zatovo sasany no mety hahatsiaro ho alaim-panahy na terena hampiorina ny hasarobidin’izy ireo eo amin’ireo zavatra ireo. Anontanio ny zatovo hoe inona ireo zavatra hafa izay tsapan’ny zatovo ho fakam-panahy ka tiany hampiasaina mba ho fototra iorenan’ny hasarobidin’izy ireo.
Makà fotoana kely hisaintsainana ny zavatra tsapanao momba ny hasarobidinao manokana sy ny antony mahatonga izany. Inona no zavatra ironanao mba hanorenana ny hasarobidinao? Rehefa mandalina ianao androany dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahatsapa ny hasarobidinao eo imason’ Andriamanitra.
Mampianatra momba ny hasarobidin’ny fanahy ny Tompo
Ity famintinana manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitr’ireo andininy izay hohalalininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 .
Tamin’ny jona 1829, i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary i David Whitmer dia nandray fanambarana fantatra amin’ny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 . Ilay fanambarana dia mikasika ny fiantsoana Apôstôly roa ambin’ny folo amin’ny andro farany sy ny fananganana ny Fiangonana. Ankoatra ireo torolalana ireo dia nizara fahamarinana mahery vaika mikasika ny hasarobidintsika tamin’i Oliver sy i David ny Tompo.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy ireo.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:9–13 mba hahitana ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny hasarobidintsika eo imasony.
Rehefa mizara izany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitan’izy ireo. Ireto misy fahamarinana sasantsasany mety ho hitan’izy ireo:
Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.
Lehibe loatra ny hasarobidiko ka nanaiky hijaly sy ho faty i Jesoa mba hahafahako mibebaka.
Mety hanampy ny mahafantatra fa ny lesona manaraka (“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–16 ”) dia mifantoka bebe kokoa amin’ny fifaliana tsapan’ny Mpamonjy rehefa mibebaka isika.
Nahoana ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany no maneho ny hasarobidintsika eo anatrehany?
Inona no mety ho vokany eo amintsika rehefa mampiorina ny hasarobidintsika amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy isika fa tsy amin’ireo zavatra misongadina ho an’izao tontolo izao?
Ampitomboy ny fahatakaranao
Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany ireo fahamarinana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 , dia hevero ny hanome tahadikan’ilay taratasy zaraina ho an’ny mpianatra ary asao izy ireo mba hameno ny iray na maromaro amin’ireo safidy atolotra amin’ireo zavatra hohalalinina. Asehoy ireo safidy ireo na omeo ny mpianatra amin’ny alalan’ny taratasy zaraina.
Misafidiana iray na roa amin’ireto safidy manaraka ireto mba hanampy anao hahatakatra bebe kokoa sy hankasitraka ny hasarobidinao eo anatrehan’ Andriamanitra.
Safidy 1: Halalino ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary saintsaino ny fitiavany anao. Azonao atao ny mamaky ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto: Isaia 53:3–5 ; Lioka 22:41–44 ; Jaona 3:16–17 ; 1 Korintiana 6:11, 19–20 ; Almà 7:7, 10–13 . Azonao atao koa ny mitady andininy hafa hohalalinina.
Raketo an-tsoratra ireo andinin-tsoratra masina mifandray tianao hotadidina. Azonao atao ny manoratra azy ireo ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 , na manoratra izany ao amin’ny diary fandalinanao, na mampiasa ny application Médiathèque de l’Évangile mba hamoronana marika famantarana na rohy.
Safidy 2: Halalino ny zavatra nampianarin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny hasarobidintsika eo anatrehan’ Andriamanitra. Ampiasao ny Médiathèque de l’Évangile na loharano hafa hitadiavana teny nambara na lahateny mifandray amin’izany. Azonao atao ny mikaroka ireo teny toy ny hoe “sarobidy” na “fitiavan’ Andriamanitra” mba hanampiana anao hahita loharanom-pitaovana. Ity teny manaraka nambaran’ny Rahavavy Joy D. Jones, filohan’ny Kilonga maneran-tany teo aloha ity dia ohatra iray amin’ny zavatra mety ho hitanao.
Aleo asongadiko ny ilana hanavahana teny roa saro-pady: lanja sy fahamendrehana . Tsy mitovy izy roa ireo. Ny lanja ara-panahy dia midika hoe manome lanja ny tenantsika amin’ny fomba fanomezan’ny Ray lanja antsika fa tsy amin’ny fomba fanomezan’izao tontolo izao lanja antsika. Ny lanjantsika dia voafaritra mialoha ny nahatongavantsika tety an-tany. “Tsy manam-petra ny fitiavan’ Andriamanitra ary haharitra mandrakizay izany.”
Etsy ankilany, ny fahamendrehana dia tratrarina amin’ny alalan’ny fankatoavana. Raha toa isika ka manota dia mihena ny fahamendrehantsika kanefa tsy ho tsy manan-danja na oviana na oviana isika! Manohy mibebaka sy milofo ny ho toa an’i Jesoa isika miaraka amin’ny lanjantsika tsy misy tomika. Nampianatra ny Filoha Brigham Young hoe: “Ny fanahy kely indrindra eto ambonin’ny tany … dia mitovy lanja amin’ny tontolo maro.” Na inona na inona mitranga dia manan-danja mandrakariva isika eo imason’ny Raintsika any An-danitra. (Joy D. Jones, “Fananana lanja tsy hay refesina ,” Liahona , nôv. 2017, 14)
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany. Afaka mizara tsiroaroa aloha izy ireo, ary avy eo dia afaka mizara amin’ny iray kilasy izay mpianatra vonona hizara.
Mamoròna tontolo izay ahitana fa voahaja ny rehetra ary fantany fa ankasitrahana ny fandraisany anjara: Mitadiava fahafahana hisaotra ny mpianatra noho ny valinteniny ary ampahafantaro azy ireo fa sarobidy aminao ny fomba fandraisany anjara. Mba hahitana fanofanana bebe kokoa momba ny fomba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hasarobidin’izy ireo dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Créez un cadre où chacun est respecté et sait que sa participation est importante .” Ity fanofanana ity dia hita ao amin’ny Techniques d’amélioration des enseignants .
Mety hanampy ny iray kilasy raha toa ka voangona eny amin’ny solaitrabe ny lisitry ny loharanom-pitaovana tena tian’ny mpiara-mianatra. Azon’ny mpianatra atao ny mandika io lisitra io ho fanovozan-kevitra manokana.
Mampifandray izany amin’ny fiainanao
Ny fizarana zavatra niainana na tantara niseho tamin’izao andro maoderina izao dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny hasarobidiny eo anatrehan’ Andriamanitra. Alohan’ny hangatahanao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity dia hevero ny hizara ohatra avy aminao manokana mikasika ny fahatsapanao ny hasarobidinao eo anatrehan’ Andriamanitra. Azonao aseho koa ilay horonan-tsary hoe “Ny fanantenana ny fahazavan’ Andriamanitra ” (6:46), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org , ary asao ny mpianatra hitady ny fomba nahafantaran’ny lehilahy iray ny hasarobidiny teo imason’ Andriamanitra.
Asao ny mpianatra hanao zavatra mba hisaintsainana lalindalina kokoa ny hasarobidin’izy ireo eo imason’ Andriamanitra mandritra ny herinandro iray na roa manaraka. Omeo fotoana izy ireo mba hanomanany ny zavatra hataony. Ity lisitra manaraka ity dia ahitana hevitra azonao zaraina. Ny lesona “Tombano ny fianaranao 2 ” dia hanara-maso ny zavatra niainan’ny mpianatra tamin’io asa natao io.
Diniho ny fomba hisaintsainanao ny hasarobidinao eo imason’ Andriamanitra mandritra ireo herinandro vitsivitsy ho avy. Ireto misy fomba sasantsasany azonao anaovana izany:
Mamoròna fampahatsiahivana ary apetraho amin’ny toerana ahitanao azy tsy tapaka izany. Mety ho peta-drindrina na lafin-tsary iray eo amin’ny finday izay ahitana sary izany, ary mety ho teny avy ao amin’ny soratra masina mihitsy aza.
Mivavaha isaky ny maraina sy hariva mba hahatakarana mazava kokoa ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra anao.
Manomàna fotoana tsy tapaka mba hisaintsainana ny hasarobidinao ao amin’ny diarinao.
Manokàna fotoana maro hamakiana sy handalinana lalindalina kokoa ny tsodranon’ny patriarika izay nomena anao. Eritrereto ny fomba mety hanomoranao izany amin’ny fomba hafa mba hahatakarana marina ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho fantatrao sy ho tsapanao momba ny tenanao.
Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny hasarobidin’ny mpianatra tsirairay izay aseho amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary avereno jerena izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 dia ny hoe “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fitadidiana dia ao amin’ny fitaovana misy ny tovana ao amin’ilay hoe “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanasongadina ny zavatra atolotry ny Ray any An-danitra antsika izay maneho ny hasarobidintsika eo anatrehany:
Ny zavatra omen’ny Ray any An-danitra antsika dia ny Tenany sy ny Zanakalahiny, fifandraisana akaiky sy maharitra Amin’Izy Ireo amin’ny alalan’ny fahasoavana sy fanalalanan’i Jesoa Kristy, Mpanavotra antsika. Zanak’ Andriamanitra isika, natokana ho amin’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. Ny ho mpandova Azy no anjarantsika, “mpiray lova amin’i Kristy” [Romana 8:17 ]. (D. Todd Christofferson, “Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra ,” Liahona , mey 2022, 79)
Nampianatra izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:
Fantatsika avy amin’ny fanambarana maoderina fa “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10 ]. Tsy azontsika refesina mihitsy ny lanjan’ny fanahin’olona hafa iray toy ny tsy ahafahantsika mandrefy ny halehiben’izao tontolo izao. Olona manan-kaja ho an’ny Raintsika any An-danitra daholo ny olona rehetra mihaona amintsika. …
Nisy vehivavy iray izay nianjadian’ny fitsapana sy ny fahoriana tao anatin’ny taona maro nilaza tamin-dranomaso hoe, “Lasa nahatsapa aho fa toy ny vola taratasy 20 dôlara efa tranainy—miforiporitra, misy rovitra, maloto, nampiasaina be ary misy diany. Saingy mbola ilay vola taratasy 20 dôlara ihany aho. Misy ilana ahy. Na dia tsy dia mitovy amin’ilay mbola vaovao intsony aza aho ary na dia efa tonta, dia mbola manana sanda 20 dôlara feno aho.” (Dieter F. Uchtdorf, “You Are My Hands ,” Liahona , mey 2010, 69)
Nanazava ny Filoha Uchtdorf hoe:
2:3
Ary raha mety hitazana ny velaran’izao tontolo izao izay tena midadasika isika ka hiteny hoe: “Inona tokoa moa ny olona raha oharina amin’ny hakanton’ny fahariana?” Dia Andriamanitra mihitsy no nilaza fa isika no antony nahariany an’izao tontolo izao! Ny asany sy ny voninahiny— izay tanjon’ity tontolo faran’izay kanto indrindra ity— dia ny hamonjy sy hanandratra ny zanak’olombelona. [jereo ny Mosesy 1:38–39 ]. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia naorina ho tombontsoan’ny olona tsotra sy mety maty toa ahy sy ianao ilay velaran’ny mandrakizay izay midadasika, ny voninahitra sy mistery fonosin’ny tontolo sy ny fotoana tsy misy fetra. Nahary izao tontolo izao ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika mahatratra ireo zavatra mety ho vitantsika amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavaviny antsika.
Hevimifanohitra eo amin’ny olombelona izao: tsinontsinona ny olona raha oharina amin’ Andriamanitra; kanefa manan-danja be tokoa isika amin’ Andriamanitra. Na dia miendrika ho tsinontsinona aza isika raha oharina amin’ny fahariana tsy hita fetra dia manana ny sombin’ny fiainana mandrakizay miredareda ao anatintsika. Manana ilay fampanantenana izay tsy takatry ny saina isika dia ny fisandratana—tontolo tsy misy fiafarana—eo am-pelatanantsika. Ary fanirian’ Andriamanitra lehibe ny hanampy antsika hahatratra izany. (Dieter F. Uchtdorf, “Manan-danja Aminy ianao ,” Liahona , nôv. 2011, 20)
Mampisehoa zavatra na sarina zavatra isan-karazany toy ny vatomamy, akanjo, finday, na fiara, ary anontanio ny mpianatra hoe ohatrinona no sahin’izy ireo na ny hafa hividianana ny tsirairay amin’ireo zavatra ireo. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny lanjan’ny zavatra iray dia azo faritana amin’ny alalan’ny vidiny sahin’ny olona iray hividianana izany.
Rehefa avy eo dia asao ireo mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 mba hahitana ny hasarobidin’izy ireo sy ny zavatra tian’ny olona iray hefaina ho azy ireo.
Rehefa avy nanampy ireo mpianatra hamantatra sy hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ity lesona ity dia hevero ny hanolotra ireto rafi-tantara manaraka ireto. Na azonao atao ny manasa ireo mpianatra hieritreritra toe-javatra hafa mahazatra izay mety tsy takatry ny zatovo na tsy tsapan’izy ireo ny hasarobidiny. Anontanio azy ireo hoe ahoana no ahafahan’ny fahalalana ny fahamarinana momba ny hasarobidin’izy ireo hitondra fiovana ho an’ny tsirairay amin’ireo zatovo ireo.
Mampitaha tsy tapaka ny tenany amin’ny hafa i Maya ary mahatsapa fa manan-talenta kokoa noho izy ny hafa.
Miahiahy matetika mikasika ny hevitry ny hafa momba azy i Kallie.
Mandany fotoana sy vola be i Taft amin’ny fiezahana manaraka ny lamaody any an-tsekoliny mba hahafahan’ny hafa mahita hoe maharaka lamaody izy.
Eo am-pamaranana ny lesona dia ampio ny mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo mizara ny zavatra nianarany amin’ny olon-kafa. Afaka misaintsaina ny mety ho eritreritra sy fihetseham-pon’ny olona iray izay tsy mahatakatra ny hasarobidiny eo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo. Asao ireo mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany sy tsapany tao anatin’ity lesona ity mba hanoratana taratasy fohy ho an’io olona io. Afaka mampiditra andian-teny avy ao amin’ny soratra masina na loharanom-pitaovana hafa izy ireo (miaraka amin’ireo loharanon-kevitra) na koa zavatra niainana manokana. Raha mieritreritra olona iray manokana ny mpianatra dia azon’izy ireo omena azy ilay taratasy na alefan’izy ireo amin’ny endrika hafatra fohy an-tsoratra.