Seminera
Lesona 28: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–16: “Akory ny halehiben’ny fifalianareo”


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–16: -Akory ny halehiben’ny fifalianareo,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–16,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 28: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–16

“Akory ny halehiben’ny fifalianareo”

zatovolahy mizara ny filazantsara

Rehefa nanohy nanambara ny sitrapony mikasika ny Fiangonany ny Tompo, dia niresaka tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary i David Whitmer Izy mikasika ny fifaliana mety ho azo avy amin’ny fizarana ny filazantsarany. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fanirian’ny mpianatra hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny hafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no mitondra fifaliana?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiara-hiasa tsiroaroa mandritra ny iray na roa minitra ka hitanisa ny zavatra rehetra azony eritreretina izay mitondra fifaliana ho azy ireo. Raha tsy izany dia zarao ho vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra ary omeo markera iray izay tsy mitovy loko ny vondrona tsirairay. Mandritra ny iray na roa minitra dia afaka mifandimby manoratra ireo zavatra mitondra fifaliana ho azy ireo eny amin’ny solaitrabe ny olona tsirairay ao amin’ny vondrona tsirairay.

Asao ny mpianatra maromaro hizara zavatra iray nosoratany sy ny antony hitondran’izany fifaliana ho azy ireo.

Tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hahatsapa fifaliana isika (jereo ny 2 Nefia 2:25). Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 dia nanambara ny zavatra mitondra fifaliana ho Azy ny Mpamonjy ary nanazava ny fomba ahafahantsika miaina izany karazana fifaliana izany koa.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra momba ny fifaliana tsapany amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainany sy ny antony mety hanirin’izy ireo fifaliana bebe kokoa. Amporisiho izy ireo rehefa mandalina androany mba hitady fampianarana mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo miaina fifaliana lehibe kokoa eo amin’ny fiainany.

Ny fifalian’i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra mety holazain’ny Mpamonjy raha hanontaniana Izy hoe inona no zavatra mitondra fifaliana ho Azy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–13 ary tadiavo ny zavatra mitondra fifaliana lehibe ho an’ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana roa manaraka alohan’ny hamaliana. Alohan’ny hangatahanao azy ireo hizara dia azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany. Mety hanampy ny mpianatra koa ny mamaky ny Lioka 15:1–10 alohan’ny hametrahanao ireo fanontaniana.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mahatsapa fifaliana lehibe ny Tompo rehefa mibebaka isika?

  • Ahoana no ahafahan’izany fahalalana izany zavatra momba ny Mpamonjy izany hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra ataonao sy ny fanirianao?

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:14–16 ary asio marika ireo andian-teny izay mampiseho ny zavatra tian’ny Mpamonjy ho antsika.

  • Ahoana no anampian’ireo andininy ireo anao hahatakatra ny momba ny Mpamonjy sy ny faniriany ho antsika?

Raha ilaina dia hazavao fa ny iray amin’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ny hoe Tian’i Jesoa Kristy isika hahatsapa ny fifaliana azo avy amin’ny fitondrana ny hafa ho eo Aminy. Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.

Ny Loholona Marcus B. Nash ao amin’ny Fitopololahy dia niresaka momba ny fifaliana azo avy amin’ny fizarana ny filazantsara:

10:28
Loholona Marcus B. Nash

Rehefa mianatra ny tanjona feno voninahitry ny fiainana ny olona iray ary mahatakatra fa i Kristy dia mamonjy ireo izay manara-dia Azy ka misafidy ny hanaraka an’i Kristy ao anatin’ny ranon’ny batisa, dia miova ho tsaratsara kokoa ny fiainana, na dia tsy miova toy izany aza ireo toe-javatra eo amin’ny fiainana.

Nilaza tamiko ny rahavavy miramirana iray nihaona tamiko tany Onitasha, Nigéria fa nanomboka tamin’ny fotoana nianarany ny filazantsara sy nahavitan’ny batisany dia izao no teny nolazainy, “soa avokoa ny zava-drehetra. Faly aho. Toy ny hoe any an-danitra aho.” Ny fizarana ny filazantsara dia mampitsiry fifaliana sy fanantenana ao amin’ny fanahin’ilay mpanome sy ilay mpandray. Marina tokoa hoe “akory ny halehiben’ny fifalianareo” rehefa mizara ny filazantsara ianareo! Fifaliana miampy fifaliana, fanantenana miampy fanantenana ny fizarana ny filazantsara. (Marcus B. Nash, “Aingao ambony ny fahazavanao,” Liahona, nôv. 2021, 71)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mitondra fifaliana lehibe ho an’ny olona iray toy izany ny fitarihana olon-kafa ho any amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra niainanao (na fantatrao) izay nahitanao ny fifaliana amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa?

Mba hanampiana ireo mpianatra amin’ilay fanontaniana teo aloha dia azonao atao ny manasa azy ireo hikaroka ohatra ao amin’ny soratra masina. Afaka mamaky ny tenin’i Amôna (ao amin’ny Almà 26:1–16) sy i Almà (ao amin’ny Almà 29:9–17) izy ireo.

Mandresy ireo sakana

Hazavao fa na dia afaka mandrisika antsika hizara ny filazantsarany aza ireo fampanantenana avy amin’ny Tompo ireo, dia misy ireo sakana na olana izay manakana antsika tsy hizara izany indraindray. Asao ny mpianatra hilaza sakana vitsivitsy ary hitanisa ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia asao ny mpianatra hanao ity sahanasa manaraka ity, ka haka sary an-tsaina hoe mahafantatra olona iray (na mieritreritra olona fantany) izy ireo izay miatrika ny iray amin’ireo sakana ireo.

Soraty ny zavatra azonao zaraina amin’ilay olona manana olana mikasika ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Hevero ny hampiditra ireto manaraka ireto:

  1. Ny zavatra fantatrao momba ny Mpamonjy izay mety hampitombo ny fanirianao hitondra ny hafa hanatona Azy (sy andinin-tsoratra masina iray izay mijoro ho vavolombelona momba ny zavatra fantatrao, raha azo atao)

  2. Ny fomba nitondran’ny fanatonana bebe kokoa ny Mpamonjy fifaliana ho anao sy ny antony hanirianao ny mba hahazoan’ny hafa ireo fitahiana ireo

  3. Ireo zavatra niainanao na niainan’ny olona hafa fantatrao teo amin’ny fitondrana fanahy hanatona an’i Kristy, ary ny fomba nitondran’ireo zavatra niainana ireo fifaliana

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra mba hamoronana valinteny dia omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra nosoratany. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanasana mpianatra iray na roa hilalao an-tsehatra ny olona iray manana olana momba ny fizarana ny filazantsara. Ny mpianatra hafa dia afaka mizara zavatra neritreretiny izay mety hanampy azy ireo.

Aorian’ity fifanakalozan-kevitra ity dia atolory ny mpianatra ity fanasana manaraka ity:

Makà fotoana handinihana ny zavatra nianaranao sy tsapanao tao anatin’ity lesona ity. Soraty ny zavatra tsapanao momba ny fizarana ny filazantsara sy ny fiezahana hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hampiditra izay zavatra nianaranao, indrindra momba ny Mpamonjy, izay tianao hotsaroana.

Hevero ny hamarana amin’ny fanasana mpianatra iray na roa hizara ny zavatra nianarany na tiany hotsaroana. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany.

Ampiasao ny fitadidiana

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary avereno jerena izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16 dia “Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fitadidiana dia ao amin’ny fitaovana misy ny tovana ao amin’ilay hoe “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”