“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18
Topimaso ankapobeny
Ny Tompo dia nanambara fahamarinana manan-danja mikasika ny hasarobidintsika eo imasony , ny fifaliana azontsika rehefa mizara ny filazantsara, ary ireo fepetra takina amin’ny maha-Apôstôly Roambinifolo sy ny andraikitry ny Apôstôly Roambinifolo.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–13
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hahatsapa fa lehibe ny hasarobidin’ny fanahin’izy ireo eo imason’ Andriamanitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky sy hisaintsaina ary hitadidy ny sasany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 na izy iray manontolo. Angataho izy ireo mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny zavatra tsapany momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io.
-
Taratasy zaraina: “Mahatsiaro ny hasarobidintsika eo imason’ Andriamanitra”
-
Horonan-tsary: “Ny fanantenana ny fahazavan’ Andriamanitra” (6:46)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–16
Tanjon’ny lesona: Hampitombo ny fanirian’ny mpianatra hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny olona hafa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina sy hiomana hizara ny lisitr’ireo zavatra dimy izay mitondra fifaliana ho azy ireo sy ny anton’izany.
-
Horonan-tsary: “Aingao ambony ny fahazavanao” (10:16; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:20 ka hatramin’ny 4:15)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:21–47
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba anampian’ny Tompo sy itahiany antsika amin’ny alalan’ny antson’ny Apôstôliny.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ampahany tao anatin’ny lahateny vao haingana iray, na lahatsoratra tao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana, na lahatsoratra napetraka tao amin’ny tambajotran-tserasera avy amin’ny iray amin’ireo Apôstôly velona, ka hitady ny fomba anampian’izany hafatra izany azy ireo hanatona an’i Kristy.
-
Votoatiny haseho: Sarin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao
-
Fitaovana ilaina: Lahateny nandritra Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na lahatra tao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana izay nosoratan’ny Apôstôly
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 2
Tanjon’ny lesona: Hanome fahafahana an’ireo mpianatra hizatra hifehy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fahamarinana ao anatiny, ary hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masina mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro izay tian’izy ireo ho takatra bebe kokoa.
-
Fitaovana ilaina omanina: Hira na hira ao amin’ny fihirana halefa ho an’ny kilasy
-
Fitaovana ilaina: Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023)