“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:21–47: -Amin’ny tananareo no hanaovako asa mahatalanjona,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:21–47,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 29: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18
“Amin’ny tananareo no hanaovako asa mahatalanjona”
Tamin’ny jona 1829, dia nankinin’ny Mpamonjy tamin’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ny andraikitra hikaroka ireo lehilahy izay hitondra ny anarany eo amin’izy ireo amin’ny “fo feno finiavana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:27 ). Ireo lehilahy ireo no nantsoina taty aoriana mba ho mpikambana voalohany ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ity fotoampitantanana ity. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba anampian’ny Tompo sy itahiany antsika amin’ny alalan’ny antson’ny Apôstôliny.
Sahanasa fianarana azo atao
Ireo Apôstôly Roambinifolo
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hieritreritra momba ny fanampiana omen’ny Tompo azy ireo amin’ny alalan’ny apôstôly sy mpaminany amin’izao andro izao.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto asa manaraka ireto: mpitsabo , mpahay mekanika , mpandrafitra , mpanefy , mpampianatra . Azonao atao ihany koa ny mangataka ireo mpianatra mba hanonona asa hafa izay voafehin’ny olona manokana mba hanampiana antsika.
Eritrereto ny toe-javatra iray izay naha-feno fankasitrahana anao tamin’ny iray tamin’ireo olona ireo.
Hevero ny hampiseho ny sarin’ Ny Fiadidiana Voalohany sy Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo . Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara fohifohy izay fampahalalana rehetra fantany momba ireo lehilahy ireo, anisan’izany ny anarany, ny mombamomba ny fianakaviany, na ny traikefany arak’asa. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa nantsoin’i Jesoa Kristy ny Apôstôly mba hijoro ho vavolombelona momba Azy manerana an’izao tontolo izao (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Apôstôly ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).
Tia antsika ny Mpamonjy ary miantso Apôstôly Izy mba hanampy antsika amin’ny fomba miavaka.
Inona ny fanampiana izay ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy ihany no mahafeno ny fepetra hanome izany antsika?
Inona, araka ny eritreritrao, no fepetra ampiasain’ny Tompo mba hisafidianana ireo Apôstôliny?
Hazavao fa androany ny mpianatra dia hianatra bebe kokoa momba ireo apôstôly sy mpaminany izay antsoin’ny Mpamonjy mba hitarika antsika. Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny fiantraikan’ny fisian’ny apôstôly sy mpaminany eto an-tany ankehitriny eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo hitady fampianarana izay afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa ny fomba ahafahan’ny fiainan’izy ireo ho voatahy amin’ny alalan’ireo mpaminany sy ireo apôstôlin’ny andro farany.
Mitondra ny anaran’i Kristy eo amintsika
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 , dia nandidy an’i David Whitmer sy i Oliver Cowdery ny Tompo mba hitady lehilahy izay ho voantso hanompo ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo indray andro any (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:37–38 ).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:21–25 hitadiavana ireo torohevitra nomen’ny Mpamonjy an’i David sy i Oliver.
Asao ny mpianatra hizara ny dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Kristy eo amin’ny tenany araka ny eritreritr’izy ireo. Mety hanampy ny manamafy fa amin’ny alalan’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo dia maneho isika fa vonona ny hitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika. Mety hanampy ihany koa ity teny nambara manaraka ity:
Ny Loholona Paul B. Pieper ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika:
Amin’ny alalan’ny fitondrana ny anaran’i Kristy eo amintsika isika dia manolo-tena ny handray ireo fampianarany, ny toetrany, ary indrindra ny fitiavany lalina ao anatintsika ka lasa ampahany mandrafitra ny maha-isika antsika izy ireo. (Paul B. Pieper, “Tsy maintsy mitondra eo aminy ny anarana nomen’ny Ray azy ny rehetra ,” Liahona , nôv. 2018, 44)
Ireo fepetra takina sy ny andraikitry ny Apôstôly
Nanome toromarika an’i David sy i Oliver ihany koa ny Tompo mikasika ireo fepetra ilaina ho an’ireo izay hantsoina ho Apôstôly.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:26–27 hitadiavana ao amin’ireo andininy ireo ny fepetra takina. Marihina fa ny teny hoe mpianatra ao amin’ny andininy 27 dia ilazana ireo izay hantsoina ho Apôstôly.
Inona no fepetra takin’ny Mpamonjy amin’ireo Apôstôliny?
Nahoana, araka ny eritreritrao, no tian’ny Mpamonjy hahafeno izany fepetra izany ireo izay Apôstôliny?
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izany fahalalana momba ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy izany manampy anao?
Hazavao fa ny Mpamonjy dia namaritra ireo andraikitra fanampiny amin’ny maha-apôstôly ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 sy any amin’ny toerana hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Hevero ny hanao ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy hanasa ny mpianatra handika izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azonao ampidirina ao izay zavatra efa nianaran’ny mpianatra tao amin’ny andininy 26–27 . Afaka mamaky manokana na ao anaty vondrona kely ireo andinin-tsoratra masina nomena ny mpianatra avy eo ary mameno ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinany. Avy eo dia azon’ny vondrona tsirairay ampidirina ao amin’ny lisitra eny amin’ny solaitrabe ny iray na roa amin’ny valintenin’izy ireo.
Ampiasao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:26–36 sy ny 107:23 mba hamenoana ity tabilao manaraka ity:
Inona avy ireo toetra tian’ny Tompo ho hita ao amin’ireo Apôstôly Roambinifolo?
Inona no tian’ny Tompo hataon’ireo Apôstôly mba hanampiana ny hafa hanatona Azy?
Asao ny mpianatra vitsivitsy ho eny amin’ny solaitrabe mba hanisy faribolana ny zavatra momba ny Apôstôly izay eritreretin’izy ireo fa manan-danja. Asaivo mizara ny anton’izany izy ireo. Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona no nianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao sy ny hafa amin’ny alalan’ireo Apôstôliny?
Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianaranao momba ny Apôstôly avy amin’ireo andininy ireo?
Ampio ny mpianatra hamintina ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: manampy antsika hanatona Azy sy hianatra ny teniny ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy.
Ahoana ny nahitanao ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy manampy anao sy ny hafa hanatona Azy ankehitriny?
Ohatra sy fampianarana avy amin’ireo Apôstôly maoderina
Omeo fotoana ny mpianatra mba hijery ohatrana Apôstôly maoderina izay mahafeno ireo fepetra takina sy manatanteraka ireo andraikitra nofaritan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 . Afaka manampy amin’izany ity sahanasa manaraka ity.
Makà fotoana handalinana ny fampianaran’ny Apôstôly iray na maromaro amin’izao fotoana izao. Azonao atao ny mandalina ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana, na ireo lahatsoratra ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana, na ireo lahatsoratra apetraka ao amin’ny tambajotran-tserasera. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fomba hanatanterahan’ireo Apôstôly ny anjara asany amin’ny fanampiana antsika hanatona an’i Kristy. Azonao atao mihitsy aza ny mikaroka hafatra avy amin’ny Apôstôly iray izay mamaly filana iray manokana na fanontaniana anananao.
Rehefa avy nomena fotoana ampy handalinana ny mpianatra dia avelao izy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy na ao anaty vondrona kely.
Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia naorina tamin’ny febroary 1835, enin-taona latsaka kely taorian’ny nahazoana ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 . Ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna, i Oliver Cowdery, i David Whitmer, ary i Martin Harris, izay “nifampidinika tamin’i Joseph Smith araka ny hita,” no nisafidy ireo lehilahy ireo (jereo ny Church History Topics, “Quorum of the Twelve ,” ChurchofJesusChrist.org/study/history/topics). Ireto avy izy ireo: Lyman Johnson, Brigham Young, Heber C. Kimball, Orson Hyde, David W. Patten, Luke Johnson, William E. McLellin, John F. Boynton, Orson Pratt, William Smith, Thomas B. Marsh, ary Parley P. Pratt.
Fotoana fohy aorian’ny fanendrena mpikambana vaovao iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia avoaka ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana ny tantaram-piainany. Tatỳ aoriana kokoa dia nosoratan’ireo mpikambana namany ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireny lahatsoratra ireny. Ireny lahatsoratra ireny dia ahitana antsipiriany sy tantara bebe kokoa noho ny tantaram-piainana hita ao amin’ny prophets.ChurchofJesusChrist.org . Raha toa ka nisy Apôstôly vaovao nantsoina hatramin’ny namoahana ity boky torolalana ity dia afaka mahita lahatsoratra momba azy ireo ao amin’ny gazetiboky Liahona volana vitsivitsy aorian’ny nanohanana azy ireo nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ianao.
Ity pejy ao amin’ny internet manaraka ity dia ahitana horonan-tsary fohy momba ny tantaram-piainan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
Meet the Apostles (ChurchofJesusChrist.org )
Nampianatra izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
13:36
Misy ireo izay mihevitra ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ho manana tanjona araka izao tontolo izao toy ireo mpitarika ara-pôlitika sy ara-barotra ary ara-kolontsaina.
Hafa mihitsy anefa ny fomba nahazoanay ny andraikitray. Tsy voafidy na voafantina avy tao amin’ireo izay nanolotra ny faniriany hirotsaka izahay. Tsy nisy fiomanana manokana mba ho matihanina nataonay fa dia voantso sy voatendry hijoro ho vavolombelona momba ny anaran’i Jesoa Kristy manerana an’izao tontolo izao izahay mandra-pahatapitry ny fofon’ainay. Miezaka mitahy ny marary, ny manirery, ny kivy, ary ny mahantra izahay, ary manamafy orina ny fanjakan’ Andriamanitra. Mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo sy hanambara izany izahay, indrindra fa amin’ireo izay mikatsaka ny fiainana mandrakizay. (Neil L. Andersen, “Fanarahana an’i Jesoa: Mpampihavana ,” Liahona , mey 2022, 19)
Nizara ity zavatra niainana manaraka ity ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
80:23
Mpanompon’ny Tompo ny Apôstôly. Manao dia lavitra izy ireo mba hamangiana ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.
Ny fotoana voalohany nanaovako dia lavitra tamin’ny naha-Apôstôly ahy dia nifanena tamin’ny lehilahy iray aho izay nahatsapa fa sarotra ny miaina ny Tenin’ny Fahendrena. Nilaza taminy aho hoe “Naniraka ahy aty ny Tompo mba hanome anao hafatra tena tsotra: -Vitanao io. Mampanantena aho fa hahazo ny fanampiany ianao rehefa miatrika io fanamby io.-”
Haniraka Apôstôly iray handeha lavitra be eto amin’izao tontolo izao ve ny Tompo mba hanampiana olona iray fotsiny? Ny valiny dia eny . Manao izany foana Izy. (“Inona no ataon’ireo Apôstôly? ,” Liahona , apr. 2016, 12)
Rehefa avy mamantatra ireo fitsipiky ao amin’ny lesona ireo mpianatra dia hevero ny hanasa azy ireo hamaky ny tantaran’i Jesoa Kristy niantso ny Apôstôliny ao amin’ny Matio 4:18–22 , ka hitady ny fomba nanehoan’ireo lehilahy ireo “fo feno finiavana.” Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe: “Inona no mety ho niova teo amin’ny zavatra nataon’ireo lehilahy ireo raha toa ka nanao zavatra tamin’ny fo tsy ampy finiavana izy ireo?” na “Inona no itovizan’ireo mpaminany sy ireo apôstôly ankehitriny amin’ireo mpanarato ireo?” Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny Apôstôly dia manajanona ny asa aman-draharahany sy ireo laharam-pahamehany hafa mba hanompoana an’i Jesoa Kristy amin’ny fotoana feno mandritra ny androm-piainany. Izany no fomba iray hanompoan’izy ireo amin’ny fo feno finiavana. Hevero ny hizara ohatra iray avy amin’ny fiainan’ny Apôstôly maoderina iray.
Asao ny mpianatra hitady porofo fa ny Filoha Russell M. Nelson dia maniry ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo aminy amin’ny fo feno finiavana.
Raha tsapanao fa ilaina ny mifantoka amin’ny fandalinan’ny mpianatra ny soratra masina, dia omeo fotoana ny mpianatra hamakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36 sy hanombantombanana ny fandalinany manokana. Asao izy ireo hamantatra ny fomba iray ahafahantsika mandre ny feon’ny Tompo. Mety hilainao ny manazava fa “ireo teny ireo” dia entina ilazana ny soratra masina. Hevero ny hametraka fanontaniana toy ny hoe “Oviana ianao no nandre ny feon’ny Tompo rehefa nandalina ny soratra masina?” na “Inona no afaka manampy antsika handre ny feony mazava kokoa rehefa mandalina isika?”