Seminera
Lesona 26—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17: Ireo Vavolombelona Telo


“Lesson 26—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17: Ireo Vavolombelona Telo,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 26: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Ireo Vavolombelona Telo

Ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna

Nampanantena an’i Joseph Smith ny Tompo fa hisy olona telo hafa ho vavolombelon’ireo takela-bolamena. Nantsoin’ Andriamanitra i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris mba ho ireo vavolombelona ireo. Noho ny finoan’izy ireo dia notsidihin’ny anjely Moronia izy ireo ary nandre ny feon’ny Mpamonjy nanambara fa ny zavatra hitan’izy ireo dia marina. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananan’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna rehefa mandalina ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hikaroka ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ka hitady fampahalalana momba ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna ary ho vonona hizara ny zavatra hitany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Vavolombelona

Ho fampahafantarana ny anjara asan’ny vavolombelona dia azonao atao ny manasa mpianatra telo mba hanao vavolombelona. Fomba iray hanaovana izany ny manafina zavatra iray ao anaty kitapo ary manasa mpianatra iray hijery izany sy hamariparitra ilay zavatra. Anontanio ny iray kilasy raha toa izy ireo ka mino ireo mpianatra. Manasà mpianatra hafa mba ho vavolombelona faharoa sy fahatelo. Manaova fifanakalozan-kevitra momba ny antony ilana vavolombelona maro.

Ny vavolombelona dia manana anjara asa manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:28, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny vavolombelona (jereo ny 2 Korintiana 13:1).

  • Inona no ohatra sasantsasany amin’ny hoe vavolombelona ato amin’ny Fiangonana?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no manolotra vavolombelona maro amin’ny asany ny Mpamonjy?

Ireo Vavolombelona Telo

Nahafantatra tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanambarana i Joseph Smith fa hamela olona hafa hahita ireo takela-bolamena ny Tompo. Nahafantatra izy fa hisy telo amin’ireo vavolombelona hahita azy ireo amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 27:12–13; Etera 5:2–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:11–15). Nanana faniriana avy tamin’ Andriamanitra i Oliver Cowdery, i David Whitmer ary i Martin Harris mba ho iray amin’ireo vavolombelona. Nanana anjara asa manan-danja tamin’ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ny tsirairay amin’izy ireo.

Oliver Cowdery
David Whitmer
Martin Harris

Azonao atao ny mampiseho ny sarin’ireo Vavolombelona Telo na manoratra ny anaran’izy ireo eo amin’ny solaitrabe. Afaka mamaky ireo valiny ny mpianatra iray ka ny iray kilasy dia hilaza hoe iza ilay vavolombelona mifandraika amin’izany. Na azonao atao ny manome ilay andiam-panontaniana amin’ireo mpianatra. Ny valiny marina dia 1. B, 2. D, 3. A.

Ampifandraiso amin’ireo antsipiriany marina notsoahina avy tamin’ny fiainany ny tsirairay amin’ireo Vavolombelona Telo.

  1. Oliver Cowdery

  2. David Whitmer

  3. Martin Harris

  1. Nanolotra fanohanana ara-bola ho an’ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna

  2. Mpitantsoratra voalohany an’i Joseph nandritra ny ankamaroan’ny fotoana nandikana ny Bokin’i Môrmôna

  3. Nanasa an’i Joseph Smith hamita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tao amin’ny tranon’ny fianakaviany

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1–2, dia tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ireo Vavolombelona Telo fa ho hitan’izy ireo.

  • Inona no fantatrao momba ireo zavatra voalaza ireo?

  • Inona no zavatra notakin’ny Tompo avy tamin’ireo lehilahy ireo mba hahafahan’izy ireo mahita ireo zavatra ireo?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:3–9, dia tadiavo ny andraikitra izay hosahanin’ireo Vavolombelona Telo rehefa avy mahita ireo takelaka.

Inona no andraikitra ananantsika rehefa manome antsika fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana avy amin’ Andriamanitra ny Tompo?

Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fitsipika ity: Rehefa tahian’ny Tompo amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana isika dia manana andraikitra hijoro ho vavolombelona mikasika izany.

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ao amin’ny andininy 6 momba ny hoe ohatra amin’io fahamarinana io ny Mpamonjy.

Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny nanomezan’ny Tompo ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna?

“Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo”

Vakio “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo,” izay hita ao amin’ireo pejy fampidirana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ka tadiavo ny zavatra nijoroan’izy ireo ho vavolombelona.

  • Inona no tsapanao fa zava-dehibe ao anatin’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona?

Raha te hahita fanehoana ny zavatra niainan’ireo Vavolombelona Telo ianao dia azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe “A Day for the EternitiesChurchofJesusChrist.org” (23:09; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 15:01 ka hatramin’ny 17:55), izay hita ao amin’ny .

Eo am-pamakian’ireo mpianatra “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” dia azo atao ny manasa azy ireo hanoratra teny na andian-teny eny amin’ny solaitrabe izay manambara ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Ifanakalozy hevitra ny zavatra nosoratan’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Mety hanampy ny fanamafisana fa ireo Vavolombelona Telo dia niaina zavatra ara-panahy maro. Ankoatra ny fijoroana ho vavolombelona nomen’i Joseph Smith dia nahita ny anjely Môrônia izy ireo ary nandre ny feon’ny Mpamonjy nanambara tamin’izy ireo fa marina ilay asa.

23:9
  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo Vavolombelona Telo momba ny tokony hahazoantsika ny fijoroana ho vavolombelona antsika manokana fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny tenivavolombelona navelan’izy ireo. Vakio ity fanambarana manaraka ity na jereo ilay horonan-tsary hoe “An Enduring Testimony of the Mission of the Prophet Joseph” (17:32; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 4:18 ka hatramin’ny 5:43).

2:3
Ny Filoha Henry B. Eyring

Ireo akaikin’ny fonao dia afaka mandray mihoatra noho ilay porofo azo tsapain-tanana izay nomena ireo vavolombelona ireo noho ny amin’ny zavatra hitany sy reny. Nanana zavatra mihoatra noho izany ireo Vavolombelona Telo ireo, zavatra iray izay ilaintsika rehetra. Nijoro ho vavolombelona tamin’ny sain’izy ireo sy ny fon’izy ireo ny Fanahy Masina fa ny zavatra sy reny dia marina. Nilaza tamin’izy ireo ny Fanahy fa ny anjely Môrônia dia avy amin’ Andriamanitra ary ilay feo dia feon’i Jesoa Kristy Tompo. Izany tenivavolombelon’ny Fanahy izany dia nomena azy ireo sy ny maro hafa izay tsy teo. Afaka ny ho antsika ary mitoetra mandrakizay ho antsika izany fijoroana ho vavolombelona izany raha mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana isika.

Tsy nandà na oviana na oviana ny tenivavolombelony momba ny Bokin’i Môrmôna ireo Vavolombelona Telo. Tsy afaka nandà izy ireo satria fantany fa marina izany. Namoy zavatra izy ireo ary niatrika lalan-tsarotra nihoatra ny natrehin’ny ankamaroan’ny olon-kafa. Nanome fijoroana ho vavolombelona mitovy amin’izany mikasika ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna avy amin’ Andriamanitra i Oliver Cowdery raha iny izy nandry teo am-pialana aina iny. Saingy nandritra ny fotoan’ny fitsapana dia nihozongozona ilay finoan’izy ireo fa mbola mpaminan’ Andriamanitra i Joseph ary ny fomba tokana anatonana ny Mpamonjy dia amin’ny alalan’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny. Fa ny fanohizan’izy ireo milaza ny zavatra hitany sy reny tao anatin’izany zavatra niainana mahafinaritra izany, nandritra ny vanim-potoana maharitra nialan’izy ireo tamin’ny Fiangonana sy tamin’i Joseph, dia mahatonga ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo ho hahery vaika kokoa. (Henry B. Eyring, “An Enduring Testimony of the Mission of the Prophet Joseph,” Liahona, Nov. 2003, 90)

  • Inona no fiantraikan’ “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” amin’ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao momba ny Bokin’i Môrmôna? Momba an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ireo fomba sasany izay ahafahantsika mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy sy ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ireo mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny Bokin’i Môrmôna. Fomba iray hanaovana izany ny manasa ireo mpianatra hanoratra ny zavatra mety holazain’izy ireo raha toa ka natonta ho an’izao tontolo izao ny tenivavolombelon’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna. Amporisiho ireo mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ny iray kilasy na amin’ny olona iray hafa. Azonao atao koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana.