Seminera
Lesona 24—Joseph Smith—Tantara 1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13: Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana


“Lesona 24—Joseph Smith—Tantara 1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13: Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Joseph Smith—Tantara 1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesson 24: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75

Joseph Smith—Tantara 1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana

I Joseph Smith manao batisa an’i Oliver Cowdery

Raha teo am-panaovana ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna iny dia nianatra i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery fa nomen’i Jesoa Kristy fahefana hanao batisa ireo Nefita. Raha nikatsaka ombam-bavaka ny hahafantatra misimisy kokoa i Joseph sy Oliver, dia notsidihin’i Jaona Mpanao Batisa ary avy eo i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, izay nalefa mba hamerina amin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana etỳ an-tany izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoranan’ny Mpamonjy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Manome ny fahefany ny Mpamonjy

Ampio ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny antony maha-zava-dehibe ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana amin’izy ireo. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fampisehoana ireto sary ireto ary avy eo amin’ny fametrahana fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

zatovovavy mivavaka amin-kitsimpo
  • Inona no zavatra fantatrao momba ireo trangan-javatra aseho ao anatin’ireto sary ireto?

  • Ho nanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy ny fahefan’ny fisoronan’ny Mpamonjy?

Hevero ny hizara ireto teny nambara manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba mety hitahian’ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Ity teny nambara ity dia afaka manampy ireo zatovovavy hamantatra ihany koa fa ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana dia mihatra amin’izy ireo.

Nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana eo amin’ny fiainantsika ny Filoha Russell M. Nelson tao amin’ny lahateny iray nataony ho an’ireo vehivavy ao amin’ny Fiangonana:

2:3
Ny Filoha Russell M. Nelson

Iriako fatratra mba ho takatrareo fa ny famerenana ny fisoronana amin’ny laoniny dia manan-danja ho anareo amin’ny maha-vehivavy anareo tsy misy hafa amin’ny maha-manan-danja izany ho an’ny lehilahy. Koa satria naverina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka dia samy afaka mahazo ireo “fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana” na azontsika lazaina hoe ireo harena ara-panahy rehetra natokan’ny Tompo ho an’ireo zanany ny vehivavy sy ny lehilahy rehetra mpitandrina fanekempihavanana.

Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany fanekempihavanana izany sy mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra. (Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,”Liahona, nôv. 2019, 77.)

Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana

Raha teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery dia nianatra momba ny nanomezan’i Jesoa Kristy an’ireo Nefita ny fahefana hanao batisa izy ireo (jereo ny 3 Nefia 11:18–27). Niaraka tamin’ny faniriana ny hahafantatra misimisy kokoa momba io fahefana io, i Joseph sy i Oliver dia nandeha tany anaty ala iray akaikin’ny Renirano Susquehanna dia nivavaka.

Afaka mamorona ankamantatra ahitana fanontaniana anankitelo ireo mpianatra, izay hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72 ny valiny. Ohatra, ny iray amin’ireo fanontaniana dia mety hoe “Iza no nanao batisa an’i Joseph Smith?” Avy eo izy ireo dia afaka mifanakalo ankamantatra amin’ny mpianatra iray hafa ary mitsapa ny fahatakaran’izy ireo ireo antsipiriany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana.

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72, ary karohy ny zavatra niainan’i Joseph sy i Oliver raha nivavaka izy ireo.

  • Ahoana no hamintinanao ireo andinin-tsoratra masina novakianao?

Ireo teny voalazan’i Jaona Mpanao Batisa ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:69 dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1 ihany koa.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1 ka fantaro ny fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Asao hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra mba ho mora aminy foana ny mahita ny toerana misy azy.

  • Inona avy ireo fitahiana atolotry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna?

Taorian’ny fitsidihan’i Jaona Mpanao Batisa dia nandefa an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ny Mpamonjy mba hamerina amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka eto an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12; 128:20). Nandray fanalahidin’ny fisoronana fanampiny i Joseph Smith tamin’ny 1836 (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16). Ireo trangan-javatra tsirairay dia nitarika tamin’ny fahazoana misimisy kokoa ny herin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronany mba hahafahantsika mandray ireo ôrdônansin’ny filazantsarany. Rehefa eo am-pamaliana ity fanontaniana manaraka ity ireo mpianatra, dia afaka mamorona lisitra mitanisa ireo ôrdônansin’ny fisoronana ianao eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona avy ireo ôrdônansy natolotry ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny fisoronany?

Raha mila fanampiana amin’ny famaliana ilay fanontaniana napetraka teo aloha ireo mpianatra dia afaka manampy azy ireo hahafantatra ireto ôrdônansy manaraka ireto ianao: batisa, ny fanasan’ny Tompo, ny fandraisana ho mpikambana, ireo fanendrena amin’ny fisoronana, ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ny famehezana any amin’ny tempoly, ny fametrahan-tanana amin’ny marary, ny tsodrano hafa fankaherezana sy mifono torohevitra, ny tsodranon’ny patriarika, ny fanokanana amin’ny antso sy ny sisa.

Ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:73–74, ary tadiavo ny fiantraikany teo amin’i Joseph sy i Oliver rehefa nandray anjara tamin’ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fanendrena amin’ny fisoronana izy ireo.

Afaka manasa ireo mpianatra ihany koa ianao hamaky ny ampahany amin’ireo andiam-pehezan-teny fahaefatra sy fahadimy ao amin’ny raki-tantaran’i Oliver, izay hita ao amin’ny fiafaran’ny Joseph Smith—Tantara.

  • Inona no zavatra manamarina aminao fa ireo ôrdônansy ireo dia nanome fahafahana misimisy kokoa an’i Joseph sy i Oliver handray ny herin’ Andriamanitra?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao fa nandray misimisy kokoa ny herin’ Andriamanitra ianao noho ny fandraisanao anjara tamin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana?

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa nasaina hanoratra ao anatin’ny diariny izy ireo ka hamariparitra zavatra niainana manokana iray nandritra ny ôrdônansin’ny fisoronana iray izay mitovy amin’ny voalaza ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:73. Sariho ho amin’ilay lisitr’ireo ôrdônansy eny amin’ny solaitrabe ny sain’ireo mpianatra. Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana sy hanoratana ary hizarana ny zavatra niainan’izy ireo. Afaka mizara ny fomba nitahian’ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana ny fiainanao koa ianao.

Ataovy tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hanao tsianjery ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary avereno jerena izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny hoe “Ny Fisoronana Aharôna no -mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fitadidiana dia ao amin’ny fitaovana tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”