Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14: Ho azonao ny fiainana mandrakizay


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14: Ho azonao ny fiainana mandrakizay,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14

Ho azonao ny fiainana mandrakizay

Ny fampianaran’i Jesoa momba ny fiainana mandrakizay

Nifindra tao amin’ny tranon’ny fianakaviana Whitmer tao Fayette ao New York i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mba hamita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nahatsapa ny herin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny i David Whitmer ary naniry ny handray anjara amin’ilay asa. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14 dia azo ho valin’ny fanirian’i David hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo momba azy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hankatò sy haharitra hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny hery manampin’ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady fitsipika iray azony ampiharina avy amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina. Mety ho te hampiasa ny sasantsasany amin’ireo loharanom-pitaovana ho an’ny fandalinana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ireo mpianatra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fitahian’ny fiainana mandrakizay

Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra momba ny zavatra asain’ny Mpamonjy ataontsika mba ho mendrika ilay fanomezany ny fiainana mandrakizay dia azonao atao ny mizara ity rafi-tantara manaraka ity. Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto ary avelao izy ireo hanampy antsipiriany misimisy kokoa mikasika ilay rafi-tantara. Ny fanaovana izany dia afaka manampy anao hamantatra sy hahatakatra ny fanontaniana sy olana mety ananan’ireo mpianatra.

Rehefa avy nianatra momba ny fiainana mandrakizay nandritra ny seminera ny zatovovavy iray dia nieritreritra izy hoe: “Tena tsy mieritreritra mihitsy aho hoe mendrika ny hiara-hiaina amin’ireo ray aman-dreniko any an-danitra sy i Jesoa Kristy sy hitovy amin’ Izy Ireo. Tsy ho vitako izany.”

  • Inona no mety ho antony mahatonga azy hahatsapa toy izany?

  • Inona koa no mety mampanahy azy?

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ilay rafi-tantara dia asaivo misaintsaina ireo mpianatra raha toa izy ireo ka efa nahatsapa toy izany. Asao izy iro hanoratra fanontaniana iray na mihoatra na koa ahiahy izay ananan’izy ireo mikasika ny fandraisana ny fitahian’ny fiainana mandrakizay. Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Fanahy eo am-pandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14.

Ny fianakaviana Whitmer

Mba hanampiana ireo mpianatrao hahafantatra kokoa ny fianakaviana Whitmer dia afaka manasa mpianatra iray ianao hamaky ity andiam-pehezan-teny manaraka ity na zarao amin’ny alalan’ny teninao manokana ilay fampahalalana.

Niatrika fanenjehana mahery vaika i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery raha teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna tao Harmony, Pennsylvanie. Nanoratra tamin’ny fianakaviana Whitmer izy ireo ka nanontany raha toa ka afaka mifindra ao amin’ny tranon’izy ireo tao Fayette, New York mba hamita ny asa fandikana. Rehefa nahita fisehoana avy tamin’ny Tompo i Mary sy Peter Whitmer Rainy sy ny fianakavian’izy ireo dia nanapa-kevitra ny hanasa an’i Joseph sy Emma ary i Oliver tao an-tranon’izy ireo. Nanohana azy ireo ry Whitmer tamin’ny fotoana nanaovana ny asa fandikana. I David Whitmer indrindra indrindra no nahatsapa ho nentanim-panahy avy tamin’ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny ary naniry ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo momba azy. Nandray fanambarana i Joseph izay ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14 ankehitriny, izay nanasan’ny Mpamonjy an’i David hiaraka Aminy amin’ity “asa iray lehibe sy mahatalanjona” ity (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:1). Nanasa an’i David izy “[hikatsaka] ny hampiroborobo sy ny hampiorina an’i Ziona[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:6). Ireo fanasana ireo, miaraka amin’ny fitarihana sy ireo fitahiana izay ampanantenain’ny Mpamonjy ihany koa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14, dia mihatra amin’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.

Mitandrina ny didy sy miaritra hatramin’ny farany

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:5–7 ary tadiavo ny zavatra asain’ny Mpamonjy ataontsika mba ho mendrika ny hahazo fiainana mandrakizay.

  • Inona no hitanao?

  • Inona avy ireo fitsipika hitanao ao?

Ampio ireo mpianatra hamantatra ireto fitsipika manaraka ireto: Raha mitandrina ny didy isika ary miaritra hatramin’ny farany dia hahazo ny fanomezan’ny fiainana mandrakizay avy amin’ Andriamanitra. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra ny hanisiany marika io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo.


Ny fampiasana ity fanambarana manaraka ity dia mety hahitan’ny mpianatra famaritana tsotsotra ny atao hoe maharitra hatramin’ny farany. Avy eo dia azonao asaina ny mpianatra hampiditra io famaritana io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny andininy 7.

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe maharitra hatramin’ny farany:

Loholona Dieter F. Uchtdorf

Ny faharetana hatramin’ny farany, na ny fijanonana ho mahatoky amin’ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainantsika dia zavatra fototra takina hahazoana famonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. …

… Ny faharetana hatramin’ny farany dia tsy resaka famelana ny zava-tsarotra amin’ny fiainana handalo fotsiny na resaka “fiaretana tsara eo fotsiny.” Fivavahana manao zavatra ny antsika, manampy ireo zanak’ Andriamanitra eo amin’ilay lalana ety sy tery mba hampivelatra ny zavatra ny mety ho vitan’izy ireo mandritra ity fiainana ity ka hiverina any Aminy indray andro any. (Dieter F. Uchtdorf, “N’avons-nous pas raison de nous réjouir?,” Liahona, nôv. 2007, 20)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no takina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay ny fitandremana ny didy sy ny faharetana hatramin’ny farany?

  • Amin’ny fomba ahoana no maha ohatra an’i Jesoa Kristy amin’ny fitandremana ny didy sy ny faharetana amim-pahatokiana hatramin’ny farany?

  • Ahoana no ahafahan’io fahalalana io manampy antsika hihazona fomba fijery mandrakizay rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:8–11 ary tadiavo ny zavatra nampianaran’ny Mpamonjy an’i David Whitmer izay afaka manampy azy hahazo ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra dia ny fiainana mandrakizay.

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no iantefan’io torohevitra io amintsika ankehitriny?

Mety hanampy ny fanamarihana fa ao amin’ny andininy 8, ny Tompo dia nampahafantatra an’i David fa hanana tombontsoa ny ho iray amin’ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna izy.

Ny hery mandrisiky ny Mpamonjy hoenti-mankatò sy hoenti-maharitra

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra ny herin’ny Mpamonjy izay hahafahantsika mankatò sy maharitra ireo fanambin’ny fiainana.

sary famantarana ny fanofananaAmpio ireo mpianatra hifantoka amin’i Jesoa Kristy: Mba hahafahanao manao fanazarana misimisy kokoa dia jereo ilay fampiofanana mitondra ny lohateny hoe “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony” hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra. Azonareo atao ny manao fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao. Mametraha fanontaniana mifantoka amin’ny fampifandraisana ny fitiavana sy ny hery ary ny famindram-pon’ny Tompo amin’ireo fahamarinana ampianarina.

Diniho hoe betsaka manao ahoana ny filanao ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao. Mitadiava andinin-tsoratra masina iray izay mampianatra ny fomba ahafahanao miantehitra amin’ny heriny mba hanampy anao. Raha ilaina dia azonao atao ny mamaky ny iray na maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto.

Asao ny mpianatra hizara andalan-tsoratra masina izay manan-danja manokana aminy ary hanazava ny fomba ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy azy ireo hiantehitra amin’ny herin’ny Mpamonjy mba hitandrina ny didiny sy haharitra hatramin’ny farany. Azon’izy ireo atao koa ny mampiasa ny fitaovana fampifandraisana soratra masina ao amin’ny appli Médiathèque de l’Évangile mba hampifandraisana ireo andalan-tsoratra masina izay nianarany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7, na afaka manoratra ireo andinin-tsoratra masina mifandray eo amin’ny sisin’ny soratra masiny izy ireo.

Vakio ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary tadiavo ny fomba hitahian’ny Tompo antsika rehefa miezaka ny hankatò sy haharitra hatramin’ny farany isika.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

19:24
Loholona Jeffrey R. Holland

Raha atolotsika an’ Andriamanitra ny fontsika, raha tiantsika i Jesoa Kristy Tompo, raha manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hiainana ny filazantsara, dia tena hahafinaritra ny rahampitso, sy ireo andro rehetra hafa, amin’ny farany, na dia tsy tsapantsika ho tena mahafinaritra foana aza izany. Nahoana? Satria izay no itiavan’ny Ray any An-danitra azy! Te hitahy antsika Izy. Fiainana mitondra soa, fiainana feno, ary fiainana mandrakizay no tena tanjon’ilay drafiny feno famindrampo ho an’ny zanany! Izany dia drafitra mifototra amin’ilay fahamarinana hoe “ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.” [Romana 8:28]. Noho izany dia mitiava hatrany. Miezaha hatrany. Matokia hatrany. Minoa hatrany. Mivoara hatrany. Manohana anao ny lanitra androany sy rahampitso ary mandrakizay. (Jeffrey R. Holland, “Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo,” Liahona, mey 2016, 127)

  • Inona avy ireo teny na andian-teny ao amin’io teny nambara io izay mandrisika anao hitandrina ny didy sy haharitra hatramin’ny farany?

Afaka mahazo ny fiainana mandrakizay isika miaraka amin’ny Mpamonjy

Mety ho tsiahivin’ireo mpianatra ny ahiahiny mikasika ny hoe ho mendrika handray ny fiainana mandrakizay rehefa misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo. Afaka mamaly ao anatin’ny diary fandalinany ny mpianatra.

  • Inona avy ny zavatra iray na roa tsapanao fa azonao atao mba hankatoavanao sy haharetanao hatramin’ny farany?

  • Inona no azonao tsaroana na azonao atao rehefa miatrika sakana amin’ny fankatoavana ianao na amin’ny faharetana hatramin’ny farany?

  • Ahoana no ahafahanao miantehitra amin’ny herin’ny Mpamonjy rehefa miezaka mitandrina ny didiny sy maharitra hatramin’ny farany ianao?

Azonao atao ny mamarana amin’ny alalan’ny famporisihana ny mpianatra hanohy hiezaka hitandrina ny didin’ny Mpamonjy, hitoky amin’ny fampanantenany ny fiainana mandrakizay.