Tahirim-pitaovana
Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo.


Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy

Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony.

Fahaiza-manao: Mametraha fanontaniana mifantoka amin’ny fampifandraisana ny fitiavana sy ny hery ary ny famindram-pon’ny Tompo amin’ny fahamarinana ampianarina.

Mamaritra

Misy ny hery tonga rehefa mampifandray ny ezaka ataontsika hiaina ny fitsipiky ny filazantsara amin’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika isika. Makà fotoana mandritra ny fiomananao mba hisaintsainana hoe manampy anao hahafantatra sy hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy ireo fitsipiky ny filazantsara ao amin’ilay ampahan-tsoratra masina. Aorian’izany dia mamoròna am-pitandremana tsara fanontaniana izay manasa ny mpianatra hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo ianarana momba ny fitiavany sy ny heriny ary ny famindram-pony avy amin’ireo fahamarinana nampianarina. Ankoatra ny anampian’izany ny mpianatra hahatakatra ny fotopampianarana, ireo karazam-panontaniana ireo dia afaka ihany koa manampy azy ireo hahatakatra ny fomba anampian’ny fiainana izany fotopampianarana izany azy ireo hahatsapa ny fitiavany, ny heriny ary ny fampindram-pony, ary koa ho tonga tahaka Azy kokoa. Ireo karazam-panontaniana ireo dia afaka ihany koa manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hanampian’i Jesoa Kristy azy ireo hiaina izany fotopampianarana izany.

Lamina hakan-tahaka

Aza manontany hoe …

  • Nahoana no zava-dehibe ny miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena?

  • Nahoana isika no tokony hibebaka isan’andro?

Fa miezaha kosa hanontany hoe …

  • Nampianatra inona anao momba ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fiainana ny lalàn’ny fahafolonkarena?

  • Inona no nianaranao momba ny famindram-pon’ny Mpamonjy avy amin’ny fibebahana isan’andro?

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Manaova fanazaran-tena amin’ny alalan’ny fanovana ireto fanontaniana ireto mba hanampian’izany ny mpianatra hampifandray ny fitiavana sy ny hery ary ny famindram-pon’ny Mpamonjy amin’ireo fahamarinana ampianarina.

Aza manontany hoe …

  • Nahoana no manan-danja ny mandalina ny soratra masina isan’andro?

  • Inona no hery azo avy amin’ny fankanesana any amin’ny tempoly?

Fa miezaha kosa hanontany hoe …

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Ahoana no nianaranao ka nahatakaranao fa lasa manan-danja kokoa ireo fitsipika ara-potopampianarana rehefa ampifandraisinao amin’ny fitiavana sy ny hery ary ny famindram-pon’ny Tompo izany?

  • Ahoana no hanampian’izany ny mpianatsika hahatakatra sy hiantehitra kokoa amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Mampiditra fahalalana

Jereo ny drafitry ny lesona hataonao manaraka. Manokàna 10 minitra hijerena ireo fanontaniana mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny fitiavana sy ny hery ary ny famindram-pon’ny Tompo amin’ny fahamarinana ampianarina.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Chad H Webb, “Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy isika” (Fampitana ny fivoriam-piofanana izay fanao isan-taona ho an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, ny 12 jona 2018), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org

  • Chad H. Webb, “Fahaiza-miombom-pihetseham-po” (Fampitana ny fivoriam-piofanana izay fanao isan-taona ho an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, 26 janoary 2021), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org

Hamoaka printy