Tahirim-pitaovana
Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy.


Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Ampianaro ny fotopampianarana

Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy.

Fahaiza-manao: Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hamantatra sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovampo.

Mamaritra

Hoy ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny fitsipika mitondra fiovampo dia ireo izay mitarika any amin’ny fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra” (“Converting Principles” [remarks at an evening with Elder L. Tom Perry, Feb. 2, 1996], 1). Fomba iray hanampiana ny mpianatra hitady sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovampo ny mangataka azy ireo hitady fanontaniana izay mamporisika azy ireo hitady andian-teny izay mampitombo ny finoantsika sy ny fankatoavantsika ny sitrapon’ Andriamanitra. Fomba iray hafa hanampiana azy ireo hitady sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovampo ny mametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana rehefa avy mizara tantara iray, na zavatra niainana na fanazavana ny mpianatra iray. Ny fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana dia manasa ny mpianatra hamerina hilaza ny fanamarihana nataony amin’ny fomba tsotra izay manorina finoana an’i Kristy sy fahavononana hankatò ny sitrapon’ Andriamanitra.

Lamina hakan-tahaka

Fanontaniana mampikaroka:

  1. Rehefa mamakafaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–46 ianao dia andian-teny inona no hitanao fa afaka mitaona anao hankatò sy hino ny sitrapon’ Andriamanitra?

  2. Rehefa mamaky ny Josoa 1:5–9 ianao dia inona no hitanao fa manampy anao haniry hanao ny sitrapon’ Andriamanitra?

  3. Inona no fahamarinana hitanao ao amin’ny Matio 7:7–12 izay hanampy hampiorina ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy hanaraka Azy?

Azo ovaina kely ireo fanontaniana ireo mba handrafetana fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana hanampiana ny mpianatra hilaza fitsipika mitondra fiovampo iray.

Zavatra iainan’ny mpianatra: I Maria dia mizara zavatra niainana izay nahazoany valim-bavaka tsy tiany ho azo ny nametrahany fanontaniana iray tao anatin’ny vavaka nataony.

Fanontanian’ny mpampianatra: “Raha lazaina ao anatina fehezan-teny iray, dia inona no nianaranao avy amin’izany zavatra niainana izany izay afaka hanampy ny hafa hino an’i Jesoa Kristy sy hanaraka ny torolalana omeny?”

Fanazavan’ny mpianatra: Vao avy nizara fanazavana tena tsara saingy lava be i Kyle mikasika ny zavatra nianarany tamin’ny fandalinany soratra masina ny alina talohan’io.

Fanontanian’ny mpampianatra: “Raha lazaina amin’ny fehezan-teny tsotra, dia inona no nianaranao ka hanampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?”

Tantaran’ny mpianatra: Mizara tantara iray momba ny fomba nankatoavany ny lalàn’ny fahafolonkarena i Katana na dia sarotra aza ny nanao izany.

Fanontanian’ny mpampianatra: “Raha lazaina amin’ny fehezan-teny iray, dia inona amin’izany zavatra niainana izany no hanampy anao hanohy hanam-pinoana an’i Kristy rehefa sarotra ny manaraka Azy?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Manorata fanontaniana mampikaroka ho an’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Manorata fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana ho an’ny rafi-tantara tsirairay avy mba hanampiana ny mpianatra hilaza fitsipika mitondra fiovampo:

  • Nizara zavatra niainana manokana tena tsara i Elena tamin’ny fanarahana bitsika iray avy amin’ny Fanahy.

  • Nanome fanazavana tena tsara mikasika ny zavatra nianarany avy amin’ny tantaran’i Davida sy i Goliata i Chris.

  • Nizara tantaran’ny tena manokana i Mele mikasika ny fianteherana tamin’i Jesoa Kristy rehefa nodimandry ny olona iray tao amin’ny fianakaviana.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no ianaranao momba ny fanampiana ny mpianatra hifantoka amin’ireo fitsipika mitondra fiovampo?

  • Ahoana no ahafahan’io fanazaran-tena io manampy ny mpianatra hampianatra ilay fotopampianarana araka ny ahitana izany ao amin’ny tenin’ Andriamanitra?

Mampiditra fahalalana

Tato amin’ity fampiofanana ity ianao dia nampihatra fahaiza-manao miisa roa izay manampy ny mpianatra hitady sy hilaza amin’ny fomba mazava ireo fitsipika mitondra fiovampo: fanontaniana mampikaroka sy fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana. Rehefa misaintsaina momba ireo mpianatrao ianao dia misafidiana fahaiza-manao iray ho ampidirina izay hitondra vokatsoa lehibe indrindra ho azy ireo. Amin’ity herinandro ity, rehefa manomana ny andinin-tsoratra masina tsirairay ianao dia anontanio hatrany ny tenanao hoe: “Ahoana no hanampiako ny mpianatra hitady sy hilaza fitsipika mitondra fiovampo?” Azonao soratana izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana anao rehefa miomana ianao.

Rehefa avy manoratra fanontaniana izay manampy ilay mpianatra hitady na hilaza fitsipika mitondra fiovampo ianao dia miezaha maka sary an-tsaina ny fomba hamalian’ny mpianatra izany. Raha maka sary an-tsaina azy ireo milaza fitsipika mitondra fiovampo ianao dia io fanontaniana io no apetraho. Raha maka sary an-tsaina ny mpianatra sahirana milaza fitsipika mitondra fiovampo ianao dia ovao ilay fanontaniana mba hanampian’izany amin’ny fanatrarana ny vokatra kasaina ho azo.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • David A. Bednar, “Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, apr. 2021

  • Henry B. Eyring, “The Power of Teaching Doctrine,” general conference, Apr. 1999

Hamoaka printy