Tahirim-pitaovana
Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy.


“Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy.

Fahaiza-manao: Mialoha ny hamaliana fanontaniana na fanehoan-kevitra dia miatoa ary diniho hoe: “Inona no azoko anontaniana azy ireo?” na “Inona no azoko asaina ataon’izy ireo?”

Mamaritra

Rehefa mizara hevitra ny mpianatra iray na mametra-panontaniana, dia nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Aza mieritreritra hoe -Inona no holazaiko azy ireo?- fa mifantoha kosa amin’ny hoe -Inona no hanontaniako azy ireo?- Ary tsy ny hoe -Inona no hanontaniako azy ireo?- fotsiny fa ny hoe -Inona no zavatra anasako azy ireo mba hataony?- ihany koa.” (“An Evening with Elder David A. Bednar” [evening with a General Authority, Feb. 7, 2020], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org). Rehefa mametraka ilay fanontaniana hoe “Inona no hanontaniako azy ireo?” ny mpampianatra iray dia afaka ny hotarihin’ny Fanahy Masina io mpampianatra io na hiezaka hahazo fampahalalana bebe kokoa mba hahatakarana mazava kokoa momba ilay mpianatra na hamantatra ny fomba hanampiana azy hikatsaka sy hanao asa mifanaraka amina fanambarana iray ho an’ny tena manokana.

Rehefa mametraka ilay fanontaniana hoe “Inona no zavatra anasako azy ireo mba hataony,” ny mpampianatra iray dia afaka mifandray amin’ny Fanahy Masina io mpampianatra mba hahafantarany ny fanasana tokony hatolony, ary afaka mieritreritra bebe kokoa ny fomba hanaovany asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana voarainy ilay mpianatra.

Lamina hakan-tahaka

Tadiavo ny fomba fieritreretan’ilay mpampianatra alohan’ny hamaliana:

  • Aorian’ny fotoam-pianarana dia miandry i Maria mba hanontany ny fomba ahafahany manavaka ireo eritreriny amin’ny bitsiky ny Fanahy.

  • Alohan’ny hamaliako dia miato kely aho ary mieritreritra hoe: “Inona no azoko anontaniana ka hanasa azy hikatsaka valiny ho azy manokana amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana?” sy hoe: “Inona no azoko anasana azy mba hataony mba hahafahany mahafantatra samirery ilay valiny?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Mametraka ity fanontaniana manaraka ity i Jafari ao an-dakilasy: “Ahoana no hampiasako ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanampy ahy amin’ny zavatra hafa ankoatra ny famelan-keloka?”

Alohan’ny hieritreretanao izay ho valin-teninao dia miatoa kely ary mieritrereta hoe: “Inona no azoko …”

Fanamarihana: Tsy fametrahana ilay fanontaniana na fanaovana fanasana ilay fanazaran-tena. Fa ilay izy dia fangatahana anao hiato kely dia hisaintsaina hoe: “Inona no azoko anontaniana na hanasana azy mba hataony mba hahafahany mifandray amin’ny Fanahy Masina dia mamantatra samirery ilay valim-panontaniana?”

Hoy i Annie hoe: “Tsy hanambady mihitsy aho. Betsaka loatra ireo olona ao amin’ny fianakaviako efa nisara-panambadiana, ka noho izany dia tsy hitako izay ilana izany.”

Alohan’ny hieritreretanao izay ho valin-teninao dia miatoa kely ary mieritrereta hoe: “Inona no azoko …”

Manontany i Nick hoe: “Inona no zavatra tsara indrindra azoko atao mba hiomanana hanao asa fitoriana?”

Alohan’ny hieritreretanao izay ho valin-teninao dia miatoa kely ary mieritrereta hoe: “Inona no azoko …”

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no valin-teny mahazatra omenao rehefa misy olona mametra-panontaniana aminao?

  • Inona no nianaranao momba ny fitarihana ireo mpianatra hikatsaka sy hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana?

Mampiditra fahalalana

Isan’andro mandritra ity herinandro ity dia alaivo sary an-tsaina ny mpianatra iray mametra-panontaniana aminao. Alohan’ny hamalianao dia mitenena mangina amin’ny tenanao hoe: “Inona no azoko anontaniana na hanasana azy ireo mba hataony mba hahafahany mifandray amin’ny Fanahy Masina dia mamantatra samirery ilay valim-panontaniana?” Avy eo, mandritra ny herinandro, rehefa mametra-panontaniana aminao ny mpianatra iray na maneho hevitra dia miatoa kely ary eritrereto ny fanontaniana na fanasana azonao apetraka amin’izy ireo fa tsy ny zavatra holazainao azy ireo.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy