Tahirim-pitaovana
Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra.


“Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Tiavo ireo izay ampianarinao

Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra.

Fahaiza-manao: miatoa kely, mieritrereta, dia valio ireo fanontaniana apetratsika amin’ny tenantsika izay miteraka fanahin’ny fahaiza-manavaka sy fitiavana ary fahaiza-miombom-pihetseham-po tahaka ny an’i Kristy mandritra ny fifaneraserantsika amin’ny hafa.

Ity fampiofanana ity dia mamelabelatra ny voalohany amin’ireo fahaiza-manao anankitelo mifandray izay hanampy antsika hahatakatra fa mety hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay amin’ny fomba fisainana hafa noho ny antsika ireo mpianatra. Rehefa mahatakatra kokoa ny fomba fijerin’ireo mpianatsika isika, dia hitombo kokoa ny fahaizantsika maneho fihetsika feno fitiavana sy fahatakarana rehefa manampy azy ireo hanorina finoana an’i Jesoa Kristy isika.

Ho tafiditra ao anatin’ireo fampiofanana ireo ny:

  1. Famantarana ny petra-kevitry ny mpianatra iray amin’ny alalan’ny fiatoana kely, ny fisaintsainana ary ny famaliana ireo fanontaniana apetratsika amin’ny tenantsika mandritra ny fanomanantsika lesona sy mandritra ny fotoana ifantohantsika amin’ireo hevitra nozarain’ny mpianatra na ny fanontanian’izy ireo tao an-dakilasy;

  2. Fikatsahana hanazava sy hahatakatra ny finiavana marina fonosin’ny fanontaniana sy ny fahatsapana ary ny zavatra inoan’ny mpianatra iray; ary

  3. Fanampiana ny mpianatra handinika sy hanova ny petra-kevitr’izy ireo amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

*Ny fampiofanana faharoa sy fahatelo dia homena ao aoriana kely ao.

Ity fampiofanana ity dia hifantoka amin’ity fahaiza-manao manaraka ity:

  • Famantarana ny petra-kevitry ny mpianatra iray amin’ny alalan’ny fiatoana kely, ny fisaintsainana ary ny famaliana ireo fanontaniana izay apetratsika amin’ny tenantsika mandritra ny fanomanantsika lesona sy mandritra ny fotoana ifantohantsika amin’ireo hevitra nozarain’ny mpianatra na ny fanontanian’izy ireo tao an-dakilasy.

Mamaritra

Ny mpianatra rehetra dia tonga mianatra miaraka amin’ny zavatra niainana sy fifandraisana samy hafa izay manefy ny fomba fisainany sy ny zavatra tsapany momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ireo fomba fijery ireo dia miteraka toerana iray iaingana, izay antsoina matetika hoe petra-kevitra ho an’ny fomba fisainan’ny olona iray. Ny famantarana ny petra-kevitry ny olona iray dia afaka manampy antsika hampianatra fahamarinana amim-pahaizana miombom-pihetseham-po sy fitiavana, tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy. Tsy manova ny fotopampianarana ireo petra-kevitra isan-karazany, fa mamela antsika kosa hahatakatra ny fomba fijerin’ny olona iray hafa amin’ny fomba izay hampitombo ny fahatakarantsika ny zavatra ilain’ny mpianatra tsirairay, izay mampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy avy eo.

Mandritra ny fanomanana lesona dia afaka misaintsaina ireo fahamarinana mandrakizay ny mpampianatra rehefa miato kely, misaintsaina ary mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hanefen’ny zavatra iainan’ireo mpianatro sy ny fifandraisany aman’olona ny fomba ieritreretany sy ahatsapany ary iainany ireo fahamarinana ireo?

  • Rehefa mandalina ity fahamarinana ity izahay, dia mety hisy hahatsapa ho voailikilika na manana olana, na malahelo ve amin’ireo mpianatro noho ny toe-javatra iainan’izy ireo?

Eo am-pifantohana amin’ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpianatra iray na ny fanontaniana apetrany mandritra ny fotoam-pianarana na ao anatina fifanakalozan-kevitra, dia afaka manontany tena ireo mpampianatra hoe:

  • “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?”

  • “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?”

Ireo fanontaniana ireo dia afaka manasa ny Fanahy masina sy manasa ny fanahin’ny fahaiza-manavaka sy ny fitiavana ary ny fahaiza-miombom-pihetseham-po tahaka ny an’i Kristy ao anatin’ny fifanakalozana ataontsika. Izany dia afaka manampy antsika ihany koa hisoroka ny fanehoan-kevitra manilikilika na mitsara na miaro tena manoloana ny mpianatra. Afaka manampy antsika izy ireny mba hampianatra fahamarinana amin’ny fomba izay afaka mitahy ilay kilasy sy manampy ny hafa hanorina finoana an’i Jesoa Kristy.

Lamina hakan-tahaka (mandritra ny fanomanana ny lesona)

Eo am-panomanako lesona mikasika ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina dia misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto aho: “Ahoana no mety hanefen’ny zavatra iainan’ireo mpianatro sy ny fifandraisany aman’olona ny fomba ieritreretany sy ahatsapany ary iainany ireo fahamarinana ireo?” sy “Rehefa mandalina ity fahamarinana ity izahay, dia mety hisy hahatsapa ho voailikilika na manana olana, na malahelo ve amin’ireo mpianatro satria tsy mifanaraka tsara amin’io fotopampianarana io ny toe-javatra iainan’izy ireo?

Dia mamaly aho hoe: “Mety manana mpianatra aho izay mahatsapa fa tsy mbola nandray bitsika mihitsy teo aloha, na tsy mahatsapa fa miresaka amin’izy ireo ny Fanahy Masina. Mety manana mpianatra vitsivitsy aho izay mahatsapa fa tsy mendrika izy ireo. Mety hisy fotoana ireo mpianatro tsy hahazo antoka hoe avy amin’ny Fanahy Masina ve ilay bitsika sa tsia. Mety hisy mpianatra reraka mihaino tantara avy amin’ny hafa mikasika ny fanarahana ny Fanahy satria toa diso mahagaga loatra foana izany ary tsy mitranga amin’izy ireo mihitsy izany.”

Mampihatra (mandritra ny fanomanana ny lesona)

Rehefa manomana lesona momba ny 1 Nefia 3:7: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo” dia:

  • Saintsaino sy valio ny hoe: “Ahoana no mety hanefen’ny zavatra iainan’ireo mpianatro sy ny fifandraisany aman’olona ny fomba ieritreretany sy ahatsapany ary iainany ireo fahamarinana ireo?” sy “Rehefa mandalina ity fahamarinana ity izahay, dia mety hisy hahatsapa ho voailikilika na manana olana, na malahelo ve amin’ireo mpianatro satria tsy mifanaraka tsara amin’io fotopampianarana io ny toe-javatra iainan’izy ireo?”

Eo am-panomanana lesona momba ny maha-lahy na ny maha-vavy izay toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy antsika sy ny tanjontsika mandrakizay ao amin’ilay lesona mitondra ny lohateny hoe “Ny maha-lahy na maha-vavy sy ny maha-izy azy mandrakizay” dia:

  • Saintsaino sy valio ny hoe: “Ahoana no mety hanefen’ny zavatra iainan’ireo mpianatro sy ny fifandraisany aman’olona ny fomba ieritreretany sy ahatsapany ary iainany ireo fahamarinana ireo?” sy “Rehefa mandalina ity fahamarinana ity izahay, dia mety hisy hahatsapa ho voailikilika na manana olana, na malahelo ve amin’ireo mpianatro satria tsy mifanaraka tsara amin’io fotopampianarana io ny toe-javatra iainan’izy ireo?”

Lamina hakan-tahaka (mandritra ny fotoam-pianarana)

Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ny fotopampianaran’ny andro Sabata dia mizara hevitra ny mpianatra iray hoe: “Tia mijery hetsika ara-panatanjahan-tena ny fianakaviako rehefa alahady.” Rehefa mifantoka amin’ny fanehoan-kevitra nataon’ilay mpianatrao ianao dia mieritreritra hoe: “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?” na “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?”

Mampihatra (mandritra ny fotoam-pianarana)

Eo am-piresahana mikasika ny asa fitoriana dia manontany ny mpianatra iray hoe: “Inona no maha-zava-dehibe an’ilay hoe tokony hanao asa fitoriana ny zatovolahy tsirairay?”

  • Mieritrereta mangina hoe: “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?” sy hoe “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?”

Mandritra ny fifanakalozan-kevitra iray momba ny mpaminany sy ny fanambarana dia manontany ny mpianatra iray hoe: “Rahoviana ny Fiangonana vao hanova ireo fitsipika mifehy ao anatiny mba hitovy amin’ny an’izao tontolo izao?”

  • Mieritrereta mangina hoe: “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?” sy hoe “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no ianaranao momba ny fampianarana ny fahamarinana amim-pahaizana miombom-pihetseham-po rehefa manao fanazaran-tena mamantatra ny petra-kevitry ny mpianatra ianao mialoha sy mandritra ny fotoam-pianarana?

  • Ahoana no ahafahan’io fanazaran-tena io manampy anao hampianatra tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

Mampiditra fahalalana

Misafidiana iray amin’ireo fanazaran-tena etsy ambony mba hifantohana ao anatin’ireo herinandro roa manaraka. Manaova drafitra mikasika ny fomba hanohizanao mampihatra ireo fahaiza-manao ireo. Ohatra:

  • Ho an’ny fahamarinana tsirairay omaninao dia afaka misafidy ny hanokana dimy minitra ianao mba hiatoana kely, hisaintsainana ary hamaliana ireo fanontaniana izay manampy anao hamantatra ny petra-kevitry ny mpianatra iray.

  • Alohan’ny fotoam-pianarana dia misafidiana mpianatra iray ary eritrereto ny fanehoan-kevitra na fanontaniana iray izay mety ananany mikasika ny fahamarinana tsirairay. Avy eo dia mieritrereta mangina hoe: “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?” sy hoe “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?” Izany fomba izany dia hanampy anao hanao izany mandritra ny fotoam-pianarana rehefa mifantoka amin’ireo fanehoan-kevitra sy fanontaniana napetraky ny mpianatra ianao.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy