Tahirim-pitaovana
Ianaro avy amin’ny ezakao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.


“Ianaro avy amin’ny ezakao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Ianaro avy amin’ny ezakao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Ampianaro ny fotopampianarana

Ianaro avy amin’ny ezakao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fahaiza-manao: Mamoròna fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valiny raikitra izay manampy ny mpianatra hamantatra avy amin’ny ezaka ataony fotopampianarana sy fitsipika fa aza mitarika ny mpianatra hanome valin-teny voafaritra mazava.

Mamaritra

Ny fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valiny raikitra dia manasa ny mpianatra hahita sy hahatakatra avy amin’ny ezaka ataony ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina fa tsy mitarika azy ireo ho amina valin-teny efa voafaritra mialoha. Io fomba io dia afaka manao izay hampanan-danja kokoa ny fandalinan’ny mpianatra iray soratra masina ary afaka manome fahafahana ny Tompo hampianatra sy hanome hevitra azy ireo mivantana. Ireo fanontaniana ireo dia (1) ahitana fanasana ho an’ny mpianatra handinika ny zavatra manan-danja manokana amin’izy ireo, (2) hanafoana ny filan’ny mpianatra mitady zavatra voafaritra mazava izay efa ao an-tsain’ny mpampianatra, ary (3) afaka mamela ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahana mampihatra eo amin’ny fiainany manokana ireo fahamarinana hita sy takatra. Ireo fanontaniana ireo dia azo ampiasaina rehefa manasa ny mpianatra hitady andinin-tsoratra masina hitadiavana fahamarinana sy rehefa mikatsaka fahatakarana fanampiny momba ireo fahamarinana hitan’izy ireo.

Lamina hakan-tahaka

Ireto misy ohatra vitsivitsy ana fomba azonao hanampianao ny mpianatra hamantatra sy hahatakatra fahamarinana avy amin’ny ezaka ataony amin’ny alalan’ny fanontaniana mampikaroka izay tsy mitaky valin-teny raikitra.

  • Aza manasa hoe: “Mitadiava andinin-tsoratra masina ahitana ny Mpamonjy mampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana,” fa manontania kosa hoe: “Inona no fitsipika misongadina aminao ao amin’ireo andininy ireo?”

  • Aza miteny hoe “Ao amin’ireo andininy ireo i Jesoa dia nanamafy ny ilantsika manana finoana Azy,” fa manontania kosa hoe: “Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa ao amin’ireo andininy ireo?”

  • Ho solon’ny fanontaniana hoe: “Hitanao ve ny fomba hampahatsiahivan’ny Tompo antsika mba hivavaka mandrakariva ao amin’io andininy io?” dia azonao atao ny manontany hoe: “Inona no hafatra momba ny vavaka ezahin’ny Tompo hanampiana anao mba ho takatrao avy amin’io andininy io?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Ampiasao ny iray na ny maromaro amin’ireto fanazaran-tena manaraka ireto mba hanatsarana ny fahaizanao manampy ny mpianatra hahita sy hahatakatra ireo fahamarinana avy amin’ny ezaka ataony:

  • Jereo ny Môrônia 10:32–33. Manaova fanazaran-tena mitady fitsipika mihoatra ny iray mba hahitana ny fomba mety hahitan’ny mpianatra karazana fitsipika avy amin’ireo andininy ireo. Manorata fanontaniana iray izay hamela ny mpianatra hahita fitsipika maro.

  • Diniho ny ampahan-tsoratra masina iray izay omaninao mba hohalalinina miaraka amin’ny mpianatra ao anatina lesona iray vao hatao. Aza manao drafitra hanasa ny mpianatra hamaky ireo andininy ireo dia hitady fitsipika voafaritra mazava izay efa hitanao, fa manaova fanazaran-tena manoratra fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valin-teny raikitra mba hanampiana azy ireo hahita fitsipika avy amin’ny ezaka ataony.

  • Jereo ny drafitry ny lesona iray vao hatao. Misafidiana fitsipika mety ho hitan’ny mpianatra avy amin’ireo andininy izay halalinina. Manaova fanazaran-tena manoratra fanontaniana tsotra miisa roa na telo mba hanampiana azy ireo hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io amin’ny fomba izay tsy mitondra azy ireo ho amina valin-teny efa voafaritra mialoha.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

Saintsaino ny zavatra nianaranao avy amin’io zavatra niainana io. Azonao atao tsara ny manoratra ny sasany amin’ireo eritreritra ireo ao amina diary fandalinana iray. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nataoko teo aloha mba hanampiana ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ireo fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valin-teny raikitra?

  • Inona no nianarako tamin’io zavatra niainana io izay afaka manatsara ny fahaizako mametraka fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valin-teny raikitra?

  • Inona no hataoko mba hivoarako hatrany?

Mampiditra fahalalana

Rehefa manomana ny lesonao ianao amin’ity herinandro ity dia mamoròna fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valin-teny raikitra izay manampy ny mpianatra hamantatra avy amin’ny ezaka ataony fotopampianarana sy fitsipiky fa aza mitarika ny mpianatra hanome valin-teny voafaritra mazava. Soraty izany dia andramo apetraka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na mpiara-miasa na ataovy samirery. Misafidiana iray izay hapetraka ao an-dakilasy dia ampiasao ao anatin’ny lesonao izany.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy