Tahirim-pitaovana
Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro.


“Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro—fifandraisana manokana.

Fahaiza-manao: mandrafeta ary mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hampifandray ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny fandalinany manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ny soratra masina amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy.

Mamaritra

Ny hoe mampifandray dia mampiaraka na manambatra zavatra roa. Rehefa manampy ny mpianatra hampifandray ny fandalinany soratra masina any an-trano amin’ny zavatra atao ao an-dakilasy ny mpampianatra dia mampiaraka na manambatra ireo traikefa roa ireo izy ireo. Maro ny fomba azo anaovana izany. Fomba iray ny mametraka fanontaniana mitaky valin-teny mihoatra ny eny na tsia izay (1) ahitana ny zavatra niainan’ny mpianatra manokana na ny fianakavian’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo soratra masina tany an-trano, (2) mitrandraka ny fomba ifandraisan’ireo zavatra niainana ireo amin’ny zavatra ianaran’izy ireo ao an-dakilasy, ary (3) manome azy ireo fotoana hisaintsainana sy hitadidiana ny zavatra nianaran’izy ireo tany an-trano.

Azonao atao koa ny manomana fanontaniana miteraka fifanakalozan-kevitra ho an’ny kilasy izay hanampy ny mpianatra hitondra ny zavatra ianaran’izy ireo ao amin’ny efitrano fianarana ary hampiasa izany any an-trano. Mitovy ireo fanontaniana ireo. Manasa ny mpianatra ianao hieritreritra ny traikefa amin’ny fianarana niainan’izy ireo tamin’io andro io sy ny fomba ahafahan’izany mitondra vokatsoa any an-tokantrano. Ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy antsika ho lasa mifantoka kokoa amin’ny ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana ao amin’ny efitrano fianarana ary manomana ny mpianatra hahazo traikefa amin’ny fianarana bebe kokoa any ivelan’ny efitrano fianarana.

Lamina hakan-tahaka

Ireo fanontaniana mampifandray ny fianarana any an-tokantrano amin’ny zavatra iainana ao an-dakilasy:

  • Inona no nianaranareo tato am-pianarana androany izay mifandray amin’ny zavatra ianaranareo any an-tokantrano?

  • Inona no nianaranareo sy ny fianakavianareo momba an’i Jesoa Kristy tamin’ity herinandro ity?

  • Inona no fanontaniana tonga tao an-tsainareo rehefa nifanakalo hevitra momba ireo soratra masina ireo ianareo?

  • Inona no zavatra tianareo indrindra tamin’izay nianaranareo rehefa nandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianareo na ny fianakavianareo?

Ireo fanontaniana mampifandray ny fianarana ao an-dakilasy amin’ny zavatra iainana any an-tokantrano:

  • Inona no nianaranareo androany izay ho fitahiana ho anareo sy ny fianakavianareo?

  • Raha nanomana lesona dimy minitra mikasika ireo fahamarinana ireo ianao, dia inona no ho nifantohanao, ary nahoana?

  • Inona no zavatra niainanareo androany izay hitondra vokatsoa ho an’ny fianakavianareo? Inona no hovainareo na hataonareo amin’ny fomba hafa mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny fianakavianareo?

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Fanazaran-tena #1: Ampiasao ireo ohatra ao amin’ilay lamina (na ohatra iray noforoninao), dia manapaha hevitra ny amin’ny fomba hampifandraisanao ny zavatra iainan’ny mpianatra amin’ny fandalinana ataon’izy ireo any an-tokantrano amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy miainga avy amin’ireto ohatra ana lesona manaraka ireto.

Fanazaran-tena #2: Mandrafeta fanontaniana hampifandraisana ny zavatra ataon’ny mpianatra ao an-dakilasy amin’ny zavatra iainan’izy ireo any an-tokantrano, miainga avy amin’ireto ohatra ana lesona manaraka ireto.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no nianaranao momba ny fanasana ny olona hianatra amim-pahavitrihana amin’ny alalan’io zavatra niainana io?

  • Inona koa ireo fomba hafa nahafahanao nampifandray ny zavatra iainan’ny mpianatra any an-tranon’izy ireo amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy?

Mampiditra fahalalana

Manokàna telo minitra alohan’ny fotoam-pianarana isan’andro mandritra ireo roa herinandro manaraka mba hijerena anarana mpianatra iray ao amin’ny rejisitrao. Rehefa mahita ny anaran’izy ireo ianao dia saintsaino ny zavatra mety hianarany amin’ny fandalinany manokana sy miaraka amin’ny fianakaviany any an-trano. Mandritra ny fotoam-pianarana dia apetraho amin’ny mpianatra rehetra na amin’izany mpianatra iray izany ny iray amin’ireo fanontaniana izay nanaovanao fanazaran-tena. Azonao atao ihany koa ny manoratra ny zavatra ianaranao rehefa mametra-panontaniana sy mihaino ianao.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôkt. 2018

  • Avia, hanaraka Ahy, ChurchofJesusChrist.org

  • Horonan-tsary fampianarana, ChurchofJesusChrist.org

Hamoaka printy