Tahirim-pitaovana
Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo.


“Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo.

Fahaiza-manao: Mamoròna fanombanan-tena ho an’ny mpianatra momba ny fotopampianarana, ny fahamarinana, na ny fitsipika iray.

Mamaritra

Tafiditra ao anatin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy ny fanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fomba fijerin’izy ireo manokana, ny fahatsapany, ary ny zavatra iainany mifandray amin’ireo fahamarinana voafaritra tsara. Io fandinihan-tena sy ny fanombanan-tena io dia afaka manasa ny Fanahy Masina hanampy ny mpianatra tsirairay hahita ny zavatra “araka ny tena toetrany, sy … ny ho tena toetrany” (Jakôba 4:13) eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fanombanan-tena mahomby dia manampy ny mpianatra hisaintsaina (1) ny fahatakaran’izy ireo manokana amin’izao fotoana izao ny fahamarinana iray manokana, (2) ny antony maha-manan-danja ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana sy ny toe-javatra misy azy ireo, ary (3) ny fomba hiainana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba tsaratsara kokoa. Azonao atao ny mamporisika ny hanaovana io fanombanan-tena io amin’ny fotoana rehetra mandritra ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fomba isan-karazany, tafiditra amin’izany ny sahanasa fanoratana, ny fanontaniana mitarika fifanakalozan-kevitra, ary ireo fanasana hampihatra fotopampianarana sy fitsipika.

Lamina hakan-tahaka

Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ny fomba ahafahanao mamorona fanombanan-tena ho an’ny mpianatra:

  • Azonao atao any amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana ny manasa ny mpianatra hanoratra fohy ao anatina diary iray ny fahatakaran’izy ireo ny lalàn’ny fahafolonkarena amin’izao fotoana izao.

  • Rehefa mifarana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ny hoe: “Niova toy ny ahoana ny fahatakaranareo momba ny lalàn’ny fahafolonkarena hatramin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana?”

  • Rehefa avy miara-mamantatra fitsipika samihafa avy amina ampahan-tsoratra masina dia afaka manontany ny mpianatra ianao hoe: “Ahoana no handaharanareo an’ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanareo arakaraka ny lanjany?”

  • Mandritra ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra ny fomba nanovan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fiainan’izy ireo ho lasa toy ny amin’izao.

  • Azonao atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra ny fomba azon’izy ireo hampiharana ny zavatra nianaran’izy ireo: “Eritrereto hoe aiza ho aiza izao no misy anareo amin’ny fibanjinana -[an’i Kristy] amin’ny eritreritra rehetra- (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36). Soraty izay tsapanao fa dingana manaraka tokony hataonao amin’ny fanatsaranao ny fifandraisanao Aminy mahakasika izany.”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Ampiasao ny iray na ny maromaro amin’ireto fanazaran-tena manaraka ireto mba hanatsarana ny fahaizanao mamorona fanombanan-tena ho an’ireo mpianatrao.

  • Jereo ny drafitry ny lesona iray vao hatao. Misafidiana fotopampianarana iray izay kasainao hifantohana. Manaova fanazaran-tena manoratra fanombanan-tena tsotra miisa roa na telo izay azon’ny mpianatra ampiasaina mba hieritreretany ny fahatakarany io fotopampianarana io amin’izao fotoana izao sy ny halehiben’ny fiovan’ny fahatakaran’izy ireo noho ny zavatra nianarany.

  • Misafidiana fotoana iray ao anatina lesona iray vao hatao rehefa misy fifanakalozan-kevitra nomanina hatao. Manaova fanazaran-tena manoratra fanontaniana roa na telo izay manampy ny mpianatra hanombana ny fomba fijerin’izy ireo sy ny zavatra niainany mifandray amina fitsipika iray izay hofantarina.

  • Mitadiava toerana ao anatina drafitra ho ana lesona iray manaraka izay hifantohanao amin’ny fanazaran-tena. Mba tsy hanasana fotsiny ny mpianatra hampihatra fotopampianarana na fitsipika iray manokana, dia manaova fanazaran-tena manoratra fanasana roa na telo izay manampy azy ireo hanombana ny fampiharany amin’izao fotoana izao sy ny fomba hanohizana manatsara izany.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

Saintsaino ny zavatra nianaranao avy amin’io zavatra niainana io. Azonao atao tsara ny manoratra ny sasany amin’ireo eritreritra ireo ao amina diary fandalinana iray. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nataoko teo aloha mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny tenan’izy ireo?

  • Inona no nianarako tamin’io zavatra niainana io izay afaka manatsara ny fahaizako manampy ny mpianatra hanomban-tena?

  • Inona no hataoko hivoarako hatrany?

Mampiditra fahalalana

Ho an’ny drafitra ho an’ny lesona tsirairay amin’ity herinandro ity dia mampiasà fanombanan-tena samy hafa mba hanampiana ny mpianatra hianatra avy amin’ny Fanahy Masina. Makà fotoana hamantarana ny zavatra ianaranao avy amin’io zavatra niainana io dia manaova indray fanazaran-tena mandritra ny fanomananao sy mandritra ny kilasinao. Tohizo ny fanazaran-tena, ny fianarana ary ny fanatsarana ny ezaka ataonao mba hitondrana fanampiana amin’ny fanatsarana ny zavatra iainan’ireo mpianatrao sy hamporisihana ny fivoarana sy ny fandrosoan’izy ireo hatrany.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy