Tahirim-pitaovana
Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.


“Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Fahaiza-manao: Mamoròna fehezan-teny famporisihana mba hanampiana ny mpianatra hilaza ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Mamaritra

Rehefa mizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny mpianatra dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra lazain’izy ireo ny Fanahy Masina, na ao an-tsain’izy ireo na ao am-pony ary koa amin’ny hafa. Ny fehezan-teny famporisihana dia fomba iray hanampiana azy ireo hizara. Raha ny mahazatra dia ahitana fizarana roa ireo fehezan-teny famporisihana ireo: Ny ampahany voalohany dia manasa ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany izay azo ampifandraisina amin’ireo fitaovana fampianarana hafa, toy ny sary, fanontaniana, tantara manome ohatra, horonan-tsary kely, ary hira ao amin’ny fihirana. Ny ampahany faharoa dia manome fahafahana ny mpianatra hanomboka hizara hevitra. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra handinika ny fomba hamenoan’izy ireo fehezan-teny tsy feno iray. Ny toetra manan-danja ananan’ireo fehezan-teny famporisihana ireo dia noho izy ireo manampy ny mpianatra hifandray amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana azy ireo hanomboka hieritreritra fomba hilazana ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Lamina hakan-tahaka

Sary hanaovana lamina hakan-tahaka

Sary
sary hosodoko maneho an’i Jesoa Kristy

Mampianatra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–5 ianao ary ny fitsipika dia hoe “I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo amin’ny Ray.” Asehonao an’ny mpianatra io sarin’i Jesoa Kristy io dia ampiasainao ilay fehezan-teny famporisihana hoe: “Raha afaka milaza amin’i Jesoa Kristy antony iray itiavako Azy aho, dia hilaza hoe …”

Fihirana hanaovana lamina hakan-tahaka

Miara-mihira ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” ianareo rehetra ao an-dakilasy. Manasa ny mpianatra ianao mba hitady ny andalana tian’izy ireo indrindra izay manampy azy ireo hameno ity andian-teny ity: “Fantatro fa velona i jesoa Kristy mba …”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Atokany ny dimy minitra manaraka mba hitadiavana sary, hira ao amin’ny fihirana na horonan-tsary fohy momba an’i Jesoa Kristy izay mifandray amina fitsipika na fotopampianarana iray ao anatina ampahan-tsoratra masina iray vao hovakina. Mamoròna fehezan-teny famporisihana iray izay hanampy ny mpianatra hieritreritra ary avy eo dia hizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra niainany niaraka Taminy ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba Azy izay mifandray amin’ilay fitsipika na fotopampianarana nofidina.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Ahoana no ahafahan’ny fanomezana fehezan-teny famporisihana iray manampy ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany?

  • Inona no nianaranao momba ny fanampiana ireo mpianatra hahatsapa fatokian-tena kokoa amin’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona sy fahatsapana manan-danja?

Mampiditra fahalalana

Mamoròna fehezan-teny famporisihana ho an’ny lesona tsirairay amin’ity herinandro ity izay manampy ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy