Tahirim-pitaovana
Katsaho ny hahafantatra azy ireo. Takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo.


“Katsaho ny hahafantatra azy ireo. Takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Katsaho ny hahafantatra azy ireo. Takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Tiavo ireo izay ampianarinao

Katsaho ny hahafantatra azy ireo. Takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo.

Fahaiza-manao: Mandiniha dia mametraha fanontaniana momba ny zavatra mahaliana ny mpianatra.

Mamaritra

Afaka mianatra momba ny toe-javatra iainan’ireo mpianany ny mpampianatra ary mamantatra ny sasany amin’ireo zavatra ilain’izy ireo amin’ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny fametrahana fanontaniana momba ny zavatra mahaliana azy ireo. Matetika no mora indrindra ny manao ireo resadresaka ireo aloha sy aorian’ny fotoam-pianarana, kanefa azo atao mandritra ny fotoam-pianarana koa izany. Misy fomba isan-karazany azon’ny mpampianatra hanaovana izany. Ny mpampianatra iray dia mety hahatsikaritra boky, tetikasa, taratasy mandraiki-tena, fitaovana fanaovana fanatanjahan-tena, na zavatra hafa izay entin’ny mpianatra iray ao an-dakilasy. Na ny mpampianatra iray dia mety hahatadidy hetsika iray nandraisan’ny mpianatra anjara dia mametraka fanontaniana momba izany amin’izy ireo. Ny fanontaniana apetratsika dia hanampy antsika ho lasa mahafantatra ny mpianatra sy ny zavatra mahaliana azy ireo ary ahitana andian-teny tahaka ireto:

  • “Lazao ahy bebe kokoa hoe ny momba …”

  • “Inona no tianao momba …”

  • “Liana aho ny hahafantatra …”

Rehefa mahitsy fo sy marina ny mpampianatra amin’ny fanontaniana apetrany dia afaka mamantatra bebe kokoa ny zavatra iainan’ireo mpianany sy ny zavatra ilain’ireo mpianany amin’ny fianarany izy ireo, ary ny mpianatra dia hahatsapa fa tena miraharaha azy ireo ny mpampianany. Rehefa tsapan’ny mpianatra fa tena miraharaha azy ireo marina ny mpampianany dia mazoto kokoa izy ireo ny ho tonga ao an-dakilasy vonona ny hianatra sy hizara ny heviny sy ny zavatra iainany amin’ny mpampianany sy ireo olona hafa ao amin’ny kilasy.

Lamina hakan-tahaka

  1. Tadidin’i Hermana Muñoz fa nandray anjara tamin’ny lalao baolina kitra lehibe izay nampitebiteby azy i Rosa. Rehefa nahita an’i Rosa i Hermana Muñoz dia mijanona ka manontany azy hoe ahoana ny fahitany ny fandehan’ilay lalao.

  2. Misy fanalahidy maromaro mipetraka eo ambonin’ny latabatr’i Auro. Rehefa mandalo ianao dia mahatsikaritra saina avy amin’ny firenena iray hafa eo amin’ny rojon’ny fanalahidiny. Lian-kahafantatra ianao dia miteny hoe: “Auro, mba resaho amiko hoe ilay saina eo amin’ny rojon’ny fanalahidinao.” Mitantara i Auro fa nandeha tany Brésil ny anabaviny tamin’ny misiônany, ary nandeha tany niaraka tamin’ny fianakaviany izy mba hitsena ny anabaviny rehefa vita ny asa fitoriana nataony. Manohy ilay resaka ianao dia manontany hoe: “Inona no tianao tamin’ilay nandeha nijery ny anabavinao tany amin’ny misiônany?

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Fanazaran-tena #1: Inona no hitanao ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto sary manaraka ireto ka afaka manampy anao hamantatra ny toe-javatra iainan’ireo mpianatrao na ny zavatra ilainy amin’ny fianarany?

Sary
zatovovavy milalao basket
Sary
zatovovavy mitendry ukulélé
Sary
zatovo mipetraka manao antsasaka faribolana

Fanazaran-tena #2: Inona no fanontaniana azonao apetraka mba hamantarana kokoa ny zavatra mahaliana ny mpianatrao?

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no nianaranao rehefa nanao fanazaran-tena nandinika sy nametra-panontaniana momba ny zavatra mahaliana ny mpianatra ianao?

  • Afaka maneho ny fitiavanao ny mpianatra amin’ny fomba ahoana ny fandinihana sy ny fanontaniana ny zavatra mahaliana ny mpianatra?

Mampiditra fahalalana

Mitadiava fahafahana ao an-dakilasy amin’ity herinandro ity mba hanontaniana ny mpianatra mikasika ny zavatra mahaliana azy ireo sy ireo hetsika nandraisany anjara, na ny toe-javatra iainany. Asehoy marina fa miraharaha ny zavatra nianaranao momba azy ireo ianao. Katsaho ny fomba fiantraikan’izany amin’ny traikefan’izany mpianatra izany amin’ny fianarana vokatr’izany. Manokàna dimy minitra aorian’ny fotoam-pianarana mba hanoratana ny zavatra nianaranao momba ireo mpianatrao sy ny fomba ahafahan’izany manampy anao hamorona traikefa amin’ny fianarana izay mitarika ho amin’ny fiovampo, ny fahatsapana ho manan-danja ary ny fiombonana.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy