Tahirim-pitaovana
Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany.


“Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany.

Fahaiza-manao: Ampio ny mpianatra hamorona na hanomboka resaka momba ny filazantsara.

Mamaritra

Nangataka ny zatovo sy ny tanora ny Tompo mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ny fizaran’izy ireo ny zavatra inoany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany dia hiteraka fianarana bebe kokoa sy hampitombo ny fiovampony ho an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Ny mpianatra sasany dia sahirana amin’ny famantarana ny fomba hanombohana ireo fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara ireo. Afaka manomboka fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara amin’ny hafa ny mpianatra amin’ny alalan’ny (1) fandinihana ny zavatra ianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, (2) ny fisaintsainana izay olona hahazo tombontsoa avy amin’ilay fifanakalozan-kevitra, ary (3) ny fanapahan-kevitra mikasika ny fomba hanentanan’izy ireo fifanakalozan-kevitra amin’izany olona izany. Azo atao amin’ny alalan’ny fomba isan-karazany izany, toy ny fampianarana lesona Avia, hanaraka Ahy, ny fitarihana fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy, ny fanoratana fanamarihana, ny fandefasana hafatra an-tsoratra, na ny fizarana lahatsoratra momba ny Fiangonana. Tsy hizara ny zavatra inoana na ny zavatra niainana ny tanjona fa hanomboka fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Ny fanaovana izany dia manasa ny hafa hametraka fanontaniana sy mamporisika ny fanaovana fifanakalozan-kevitra amin’ny ho avy.

Fanamarihana: Raha manana mpianatra matahotra ny hanao izany ianao dia diniho ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hifandray amin’i Jesoa Kristy. Hanampy azy ireo Izy rehefa manokatra ny vavany izy ireo mba hizara ny fahamarinany.

Lamina hakan-tahaka

Rehefa hifarana ny kilasy dia asao ny mpianatrao hisaintsaina izay olona tian’izy ireo hizarana zavatra. Asao izy ireo hanoratra fanamarihana fohy na handefa hafatra an-tsoratra izay hanome azy ireo fahafahana hanao fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara amin’izany olona izany rehefa mifankahita izy ireo. Ohatra, afaka manoratra izy ireo hoe:

  • “Nisy zavatra nampieritreritra ahy anao androany tao amin’ny seminera. Ampahatsiahivo ahy izany rehefa mifankahita isika.”

  • “E! Nieritreritra momba ny fahaizan’ny Mpamonjy mamela aho. Afaka manampy ahy hieritreritra zavatra momba Azy ve ianao? Raha eny, rahoviana?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Mamoròna fehezan-teny telo hafa azonao ampiasaina hatao ohatra mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no nianaranao momba ny fanampiana ireo mpianatra hamorona na hanomboka fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara?

  • Rehefa ampiana ny mpianatra hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra inoany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany dia ahoana no ahafahan’izany manampy ny traikefan’izy ireo amin’ny seminera sy institiota ho tena traikefa mifantoka amin’ny ao an-trano?

Mampiditra fahalalana

Zarao amin’ny mpianatrao ny ohatra vitsivitsy amin’ny zavatra azon’izy ireo soratana mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara, ary avy eo dia hanao fanazaran-tena hizara izany amin’ny iray kilasy. Asao ny mpianatra sasany hanampy azy ireo hanatsara izany. Asao izy ireo hanomboka ilay fifanakalozan-kevitra rehefa vonona.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Russell M. Nelson, “How to Share the Gospel,” New Era, July 2011, 48

  • Sharing the Gospel,” ChurchofJesusChrist.org

Hamoaka printy