Tahirim-pitaovana
Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo.


“Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Tiavo ireo izay ampianarinao

Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo.

Fahaiza-manao: Mivavaha dia angataho ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatrao ary araho ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina.

Mamaritra

Ny fivavahana tsy tapaka ho an’ireo mpianatrao dia afaka manampy anao hahatsapa kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo sy hampitombo ny fanirianao hanome toerana azo antoka sy mahatamana azon’izy ireo ianarana. Afaka mamela ihany koa ny Ray any An-danitra hanampy anao hahatakatra kokoa ny toe-javatra iainan’izy ireo sy ny zavatra ilainy izany. Na dia tsy afaka manery ny hiainan’ny mpianatra zavatra ara-panahy na ny fahazoana valim-bavaka aza isika dia manasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fivavahana ho an’ireo mpianatsika ary afaka mampitombo ny fahaizantsika manampy azy ireo. Ny fanarahana ny fitaomam-panahy voarainao dia afaka manampy anao hanatsara ny traikefa amin’ny fianarana ho an’ny mpianatra tsirairay. Fomba iray azon’ny mpampianatra hikatsahana ny hampitombo ny fitiavany ireo mpianany ny fieritreretana ny zavatra efa fantatr’izy ireo momba ny mpianatra iray ary avy eo dia misaintsaina ombam-bavaka sy mangataka ny fomba ahafahan’izy ireo maneho fitiavana bebe kokoa ho an’izany mpianatra izany. Rehefa mivavaka sady mieritreritra izany ny mpampianatra dia tokony hikatsaka ny hamantatra sy hanaraka ny bitsiky ny Fanahy izy ireo avy eo.

Lamina hakan-tahaka

Ireto manaraka ireto dia ohatra vitsivitsy amin’ny fomba azonao hivavahana sy hangatahana ny fomba hanampianao mpianatra iray sy hanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina:

  • Tsikaritrao fa tsy nazoto handray anjara mavitrika tao an-dakilasy i John tato ho ato. Mangataka amin’ny Ray any An-danitra ny fomba tsara indrindra ahafahanao manampy azy ianao. Tsapanao fa tokony hiresaka aminy ianao rehefa tonga ao an-dakilasy izy. Tsapanao fa tokony hanontany azy bebe kokoa momba ny zavatra nahaliana azy tato ho ato ianao fa tsy hoe hanontany azy fotsiny ny antony tsy dia nandraisany anjara loatra tato ho ato. Miomana ny hiresaka aminy ianao rahampitso alohan’ny fotoam-pianarana.

  • Nizara foana ny heviny sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany i Maria tao anatin’ireo herinandro vitsy farany. Alohan’ny fotoam-pianarana manaraka dia mangataka amin’ny Ray any An-danitra ianao ny amin’ny fomba ahafahanao manampy azy hanohy hivoatra. Nisy hevitra tonga tao aminao fa tokony hampiarahanao amin’ny mpiara-mianatra aminy vitsivitsy izay tsy dia mizara zavatra matetika na manana olana amin’ny fizarana an-kalalahana ny zavatra tsapany izy. Ampidirinao ao amin’ny drafitry ny lesonao ho an’ny rahampitso ny fahafahana mizara zavatra amin’ny mpiara-mianatra.

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Ampiasao ny iray na ny maromaro amin’ireto fanazaran-tena manaraka ireto mba hanatsarana ny fahaizanao mivavaka ho an’ny mpianatra sy manaraka izay bitsiky ny Fanahy azonao avy amin’izany:

  • Misafidiana mpianatra iray izay tsapanao fa tsy manana namana akaiky ao an-dakilasy. Mivavaha mikasika ny fomba tsara indrindra ahafahana manampy azy. Manaova drafitra mba hanarahana ireo fitaomam-panahy voarainao.

  • Misafidiana mpianatra iray izay tia mizara hevitra ao an-dakilasy. Mivavaha ho azy sy mikasika ny fomba hanohizana manatsara ny traikefa amin’ny fianarana an’izany mpianatra izany. Tanteraho ireo fitaomam-panahy voarainao.

  • Misafidiana mpianatra iray izay tsy hitanao tao an-dakilasy tato ho ato. Mivavaha ho azy dia angataho amin’ny Tompo ny fomba tsara indrindra hanolorana tanana sy hanampiana ilay mpianatra hahatsapa ho tiana sy ilaina. Mamoròna drafitra mifototra amin’ireo fitaomam-panahy voarainao, dia manapaha hevitra momba ny fotoana hanatanterahanao izany drafitra izany sy hanarahanao maso ny fahombiazan’izany.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

Saintsaino ny zavatra nianaranao avy amin’io zavatra niainana io. Azonao atao tsara ny manoratra ny sasany amin’ireo eritreritra ireo ao amina diary fandalinana iray. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ezaka nataoko teo aloha mba hivavahana ho an’ireo mpianatro?

  • Inona no nianarako avy amin’io dingana narahina io ka tokony hanatsara ny fahaizako mivavaka ho an’ireo mpianatra sy manampy azy ireo hanatsara ny traikefan’izy ireo amin’ny fianarana?

  • Inona no hataoko hivoarako hatrany?

Mampiditra fahalalana

Manaova drafitr’asa mba hivavaka sy hangataka ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatrao ary hanaraka ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina. Azonao saintsainina ireto dingana aroso manaraka ireto eo am-panaovanao drafitr’asa:

  • Misafidiana iray amin’ireo fanazaran-tena etsy ambony ary mifantoha amin’izany.

  • Manapaha hevitra ny amin’ny fomba hampidiranao izany.

  • Mandamina fotoana hampidiranao izany.

  • Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Neil L. Andersen, “A Classroom of Faith, Hope, and Charity” (evening with a General Authority, Feb. 28, 2014), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org

  • Chad H. Webb, “Ambonin’ny zava-drehetra” (Fampitana fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy institiotra fianarana ny filazantsara, 12 jona 2019), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org

  • Tiavo ireo izay ampianarinao,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2016), 6

Hamoaka printy