“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75: Topimaso,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75
Topimaso
Raha teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery dia nanana fanontaniana mikasika ny batisa ho famelana ny fahotana. Nanontany ny Tompo izy ireo. Ho valin’ny fanontanian’izy ireo dia niseho i Jaona Mpanao Batisa ary namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna. Nitohy herinandro maromaro tatỳ aoriana ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana rehefa namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka i Petera sy i Jakoba ary i Jaona. Rehefa nifarana ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, dia nisy olona telo nofidina hahita ireo takela-bolamena. I Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris dia nahita ny anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena tao anatin’ny fahitana iray. Nandre ny feon’ny Tompo ihany koa izy ireo izay nanambara fa marina ny Bokin’i Môrmôna.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Joseph Smith—Tantara 1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronan’ny Mpamonjy
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho vonona hizara antsipiriany na izay fanontaniana ananany momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana alohan’ny hahatongavana ao an-dakilasy. Afaka miomana amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra eo amin’ny sary faha-5 miompana amin’ny tantaran’ny Fiangonana izy ireo, dia ny “Susquehanna River,” izay hita any amin’ny faran’ny triptika na ao amin’ny fizarana “Fanampiana amin’ny fandalinana” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
-
Horonan-tsary: “Ireo harena ara-panahy” (18:07; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana 3:00 ka hatramin’ny 3:51)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra ho mpankatò sy haharitra hatramin’ny farany miaraka amin’ny hery manampin’ny Mpamonjy
-
Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady fitsipika iray azony ampiharina avy amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina. Mety ho te hampiasa ny sasantsasany amin’ireo loharanom-pitaovana ho an’ny fandalinana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ireo mpianatra.
-
Horonan-tsary: “Tomorrow the Lord Will Do Wonders among You” (19:18: jereo manomboka amin’ny mari-potoana 15:08 ka hatramin’ny 16:21)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananany momba ny Bokin’i Môrmôna rehefa mandalina ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo izy ireo
-
Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hikaroka ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hahazoana fampahalalana momba ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna sy mba ho vonona hizara ny zavatra hitany rehefa tonga ao an-dakilasy izy ireo.
-
Fitaovana: Kitapo iray sy zavatra iray (tokony ho azo asiana zavatra iray izay hojeren’ireo mpianatra ka hofariparitan’izy ireo amin’ny iray kilasy ilay kitapo)
-
Horonan-tsary: “A Day for the Eternities” (23:09; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 15:01 ka hatramin’ny 17:55); “An Enduring Testimony of the Mission of the Prophet Joseph” (17:32; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 4:18 ka hatramin’ny 5:43)