Rehefa nanomboka nivelatra ny Famerenana amin’ny laonin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia maro ireo olona izay nanam-paniriana ny hahafantatra ny fomba nahafahan’izy ireo manampy. Tafiditra ao anatin’izany ireo olona tamin’ny fianakavian’i Joseph Smith toy an’i Hyrum, rahalahiny. Nidera an’i Hyrum ny Tompo noho ny faniriana tsara nananany ary nampianatra azy ny fomba tokony hiomanany mba hanampy amin’ilay asa. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba hiomanan’izy ireo handray anjara amin’ny asany.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
“Araka izay irinareo”
Tamin’ny mey 1829, ny faniriana lehiben’i Hyrum Smith dia ny handray anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Namakivaky 400 kilaometatra mahery avy tao Palmyra, New York, nankany Harmony, Pennsylvanie izy mba hitsidika an’i Joseph zandriny lahy sy hahafantatra ny zavatra azony atao mba hanampiana azy. Nambaran’ny Tompo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11 noho ny faniriana marin’i Hyrum.
Amin’ny alalan’ny fampiasana ity mari-pandrefesena manaraka ity dia fidio hoe hatraiza ny fahavononanao hanao ny asan’ Andriamanitra:
1 = Tena tsy vonona
2 = Tsy dia tena vonona
3 = Vonombonona
4 = Tena vonona
Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hampitomboana ny fahavononanao. Azonao raketina ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao.
Miomana hanompo
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:11–26, ary asio marika ireo andian-teny mifono torohevitra manokana izay nomen’ny Mpamonjy mba hanampiana an’i Hyrum hiomana hanompo amim-pahatokiana. Rehefa vita ny fandalinana ireo andininy ireo dia misafidiana andian-teny iray izay manoro hevitra hoe ahoana no azontsika iomanana. Mieritrereta fomba roa na telo voafaritra ahafahan’ny olona iray mampihatra izany torohevitra izany eo amin’ny fiainany.
“Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao” (andininy 12)
Mieritrereta toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana izay mety tsy maintsy hanapahan’ny zatovo iray hevitra raha toa izy ka hatoky ny Fanahy na tsia.
Nahoana no ilaina ny finoana ny Mpamonjy mba hatokisana tanteraka ny Fanahy amin’ireo toe-javatra ireo?
Inona no azontsika atao mba hianarana ny fomba handraisana tsara kokoa fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina sy handraisana andraikitra eo anatrehan’izany?
“Mitandrina ny didiko, eny, amin’ny herinao rehetra, ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra.” (andininy 20)
Misafidiana didy telo na efatra izay heverinao fa mihatra indrindra amin’ny zatovo.
Soraty ho an’ny didy tsirairay ny fomba mety ho azon’ny zatovo hitandremana izany amin’ny heriny sy ny sainy ary ny tanjany rehetra.
Nahoana no ilaina ny fiezahana hitandrina ny didin’ny Tompo mba hanompoana Azy amin’ny fomba tsara kokoa?
Ahoana no nitahiana anao na ny olona fantatrao noho ny fiezahana amim-pahazotoana hitandrina ny didin’ny Mpamonjy?
Manaova lisitr’ireo zavatra mety hataon’ny olona iray izay mikatsaka ny “hahazo ny tenin[’ny Tompo]” fa tsy mamaky soratra masina fotsiny ihany.
Amin’ny fomba ahoana ny fiomananao amin’ny nahim-po ho lasa misiônera, mpampianatra, mpitarika, mpanompo, vady, na ray na reny tsara kokoa ho an’ny hoavy no miantraika amin’ny fomba fandalinanao ny filazantsara ankehitriny?
Inona no zavatra voafaritra iray azonao atao mba hampitomboana ny fahombiazan’ny fandalinanao soratra masina isan’andro? (Mety efa nametraka tanjona mitovy amin’izany ianao teo aloha. Mety ho fotoana tsara handinihana ny fivoaranao izao.)
Ampiharo ny zavatra izay nianaranao
Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manazava ny lalanao rehefa miezaka manaraka ny toroheviny sy miomana hanompo Azy ianao?
Ahoana no ahafahanao “mandray” tsara kokoa ny Mpamonjy sy ny toroheviny eo amin’ny fiainanao?
Inona araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe nomena fahefana ho tonga zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra?
Makà fotoana kely hakana sary an-tsaina hoe te ho lasa mpanompo toy ny ahoana ho an’ny Tompo ianao ankehitriny, ao anatin’ny roa taona, ao anatin’ny 10 taona, ary mandritra ny androm-piainanao manontolo. Misafidiana andian-teny iray farafahakeliny avy amin’ny fandalinanao anio izay tianao hifantohana ary mamoròna drafitra hanatanterahana izany. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanaovana sary tohatra tsotra misy dingana telo na efatra. Soraty eo amin’ny dingana tsirairay ny zavatra azonao atao mba hanampiana anao hahazo kokoa ny tenin’ny Tompo, hitandrina ny didiny, na hampihatra torohevitra iray nofidinao hifantohana.