“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11
Topimaso
Nanazava ny zava-nitranga tamin’ireo pejin’ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana miisa 116 sy ny fomba hitohizan’ny asa fandikan-teny ny Tompo. Naniry ny hanampy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Tompo i Hyrum Smith ka nahazo torohevitra momba ny fomba hiomanana amin’ny fanompoana.
Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana ianaran’izy ireo: Ny fanomezana fahafahana ireo mpianatra mba haneho ny eritreriny sy ny fahatsapany dia afaka manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy Masina mampianatra na mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Mitadiava fotoana ao anatin’ny lesona izay ahafahanao manasa ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany sy hizara izany. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny fizarana “Ny Mpamonjy dia namporisika ny hafa hizara ireo fahamarinana nianaran’izy ireo” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Azonao atao ihany koa ny mijery ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity izay mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10.” |
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10
Tanjon’ny lesona: Ny hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fatokisan’izy ireo fa hanampy azy ireo Andriamanitra handresy ireo tetika feno fitak’i Satana
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamaky ny Olomasina, 1:51–53 mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ireo zava-nitranga manodidina ny fahaverezan’ireo pejy natao sora-tanana miisa 116 sy ny famoizam-po tsapan’i Joseph sy ny fianakaviany tamin’izany fotoana izany.
-
Taratasy zaraina: “Ny fahendren’ Andriamanitra”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:1–7
Tanjon’ny lesona: Ny hanampiana ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka ny fiainana mandrakizay izay fanomezana atolotr’i Jesoa Kristy ho an’ireo rehetra izay handray izany
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:7 ary hampitaha ny famaritan’izao tontolo izao ny harena amin’ny famaritan’ny Tompo izany. Asao izy ireo hisaintsaina hoe nahoana no tsy mitovy ireo famaritana ireo.
-
Fitaovana: Soratra masina sy loharano voasoratra amin’ny taratasy napetraka ao amin’ny efitrano
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:8–30
Tanjon’ny lesona: Ny hanampiana ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fiomanana handray anjara amin’ny asany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe nahoana ny faniriantsika no zava-dehibe amin’ny Tompo sy hitady fomba hanamafisana ny fanirian’izy ireo hanompo Azy amim-pahatokiana bebe kokoa.