“Lesona 20— Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 1: Fanaovana tsianjery sy fahazoana fahalalana ara-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
Fanazaran-tena amin’ny Fifehezana fotompampianarana 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 20: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotompampianarana 1
Fanaovana tsianjery sy fahazoana fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia ahafahana manampy ireo mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia manome fahafahana ireo mpianatra hianatra ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fahamarinana ao anatiny ary koa ny fianarana sy fampiharana ireo fitsipika masina mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
Sahanasa fianarana azo atao
Famerenana Fifehezana fotopampianarana: Ataovy tsianjery
-
Amin’ny fotoana toy ny ahoana ianao no ho feno fankasitrahana noho ny fananana ny iray amin’ireo fitaovana ireo?
-
Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana ianao no ho feno fankasitrahana noho ny nanaovanao tsianjery ny soratra masina?
Ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia soratra masina voafantina izay afaka manampy manokana anao sy ny hafa. Ato amin’ny seminera dia manana fahafahana hianatra tsianjery toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja avy amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ianao. Azonao atao mihitsy aza ny manandrana manao tsianjery ny andininy iray manontolo amin’ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo.
Vakio sy asio marika ao amin’ny soratra masinao ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto. Misafidiana iray na roa izay heverinao fa manan-danja indrindra aminao.
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana |
Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina |
---|---|
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina I Joseph Smith “dia nahita Olona roa, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy no “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina Ny Fisoronana Aharôna no “mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Izaho, [Jesoa Kristy], dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ny tenin[’ny mpaminany] dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Fa haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Aho … ka hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ny olona eto an-tany arivo taona.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ny fanambadiana dia voatendrin’ Andriamanitra.” |
Makà fotoana hiezahana mitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja amin’ny andalan-tsoratra masina iray na roa izay manan-danja indrindra aminao. Eritrereto koa ny toe-javatra iray izay mety hahatonga ny fitadidiana ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ho fitahiana, na ho an’ny tenanao na ho an’olon-kafa.
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Nanomboka nandalina ny Joseph Smith—Tantara sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana i Ava ary nahafinaritra izany. Na izany aza, dia nahita fanehoan-kevitra ratsy tao amin’ny tambajotran-tserasera momba ny Mpaminany Joseph Smith izy izay nampisafotofoto sy nampanahy azy.
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
-
Mitanisà mpaminany telo tamin’ny lasa izay narahan’ny olona sasany tamim-pinoana na dia tsy nanao izany aza ny hafa ary mety ho nanakiana azy ireo mihitsy aza.
-
Inona avy no antony nanarahan’ireo olona sasany raha nanakiana kosa ireo hafa?
-
Ahoana no nitahian’ny Tompo ireo izay nanaraka ny mpaminaniny?
-
Nahoana ny fisaintsainana ireo zavatra momba ireo mpaminany teo aloha ireo no afaka manampy mba hahazoana fomba fijery tsara kokoa amin’ny fanaratsiana natao momba an’i Joseph Smith?
-
Mikatsaka fahatakarana misimisy kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
-
Mitadiava loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra momba ny Mpaminany Joseph Smith izay heverinao fa afaka manampy an’i Ava. Mety hanampy anao amin’izany ireto manaraka ireto:
-
Mitadiava andininy ao amin’ny Joseph Smith—Tantara na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay maneho ny zavatra azontsika atao rehefa manana fisalasalana na fanontaniana isika.
-
Jereo ny “Joseph Smith” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Na tadiavo ny “Joseph Smith” ao amin’ny fizahana lohahevitra ao amin’ny gazetiboky Liahona ho an’ny volana misy fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na ao amin’ny appli Médiathèque de l’Évangile.
-
Raha manana ao an-tsaina fanehoan-kevitra manaratsy manokana iray izay mety hataon’ny olona momba ny Mpaminany ianao, dia jereo ireo lohahevitra ao amin’ny fizarana Sujets et questions ao amin’ny tranonkala ChurchofJesusChrist.org mba hahitana fampahalalana mety hanampy. Azonao atao koa ny manoro hevitra an’ilay tanora handeha hiresaka amin’ny olona iray atokisana fantatrao.
-
Manao asa amim-pinoana
-
Tamin’ny alalan’i Joseph Smith no nitondran’ny Tompo izao manaraka izao: ny Bokin’i Môrmôna, ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana marina sy velona eto an-tany, ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ilaina amin’ny fisandratana, ary ny ankamaroan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Saintsaino ireo fomba samihafa voafaritra tsara efa nitahian’ny Tompo ny fiainanao tamin’ny alalan’ireo zavatra ireo sy ny fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpaminany. Eritrereto ny zavatra nataonao mba hahazoana ireo fitahiana ireo. Ataovy lisitra ny fomba azonao hamporisihana an’i Ava amin’ny fanaovana asa amim-pinoana mba hanohizana ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy.