“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9: Topimaso,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9
Topimaso
Nahare ny asa fandikana ny Bokin’i Môrmôna nataon’i Joseph Smith Zanany i Oliver Cowdery nandritra ny fotoana nijanonany tao an-tranon’i Joseph Smith Rainy sy i Lucy Mack Smith. Naniry hanampy tamin’ny asa i Oliver ka nifindra tany Harmony, Pennsylvanie, tamin’ny lohataonan’ny taona 1829, ary lasa mpitantsoratra ny Mpaminany izy tany. Tamin’ny alalan’i Joseph Smith no nanomezan’ny Tompo fanambarana maro an’i Oliver mikasika ny andraikiny amin’ny maha mpitantsoratra azy sy ny faniriany handray anjara amin’ny fandikana. Ireo fanambarana ireo dia mirakitra fahamarinana manan-danja mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Nanatanteraka ny andraikitry ny maha mpitantsoratra i Oliver, ka nisy fandrosoana lehibe nataon’i Joseph Smith teo amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hametraka ny fitokiany amin’ny Mpamonjy rehefa miatrika fisalasalana sy tahotra izy ireo
-
Fanomanana ny mpianatra: Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Amporisiho ny mpianatra hanao tsianjery io andininy fohy io alohan’ny hahatongavana any am-pianarana.
-
Horonan-tsary: “Days of Harmony” (25:01; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:07 hatramin’ny 7:18 sy 15:02 hatramin’ny 17:49)
-
Sary: Sarin’i Jesoa Kristy haseho eny amin’ny solaitrabe
Ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna
Tanjon’ny lesona: Ampio ny mpianatra hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany fa Andriamanitra dia nanome an’i Joseph Smith fitaovana sy hery handikana ny Bokin’i Môrmôna ho antsika
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifidy andininy na tantara iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanamarika azy ireo.
-
Horonan-tsary: “Seer Stone“(3:47); “Days of Harmony” (25:01; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 7:18 hatramin’ny 11:33)
-
Fitaovana navoaka printy: Ho an’ny mpianatra tsy manana fahafahana hahita zavatra nomerika ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy, dia azo atao ny mamoaka printy tahadika ny fizarana hoe “Voices of the Restoration (Ny feon’ny Famerenana amin’ny laoniny)” an’ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9: Io no fanahin’ny fanambarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ny any am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahaizany hamantatra ny fomba iresahan’ Andriamanitra amin’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina
-
Fanomanana ny mpianatra: Angataho ny mpianatra mba hitadidy ny fomba niresahan’ Andriamanitra tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
-
Kisary: Ny kisary maneho ny saina sy ny fo
-
Horonan-tsary: “To Acquire Spiritual Guidance” (16:00; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 14:41 hatramin’ny 15:04); “Patterns of Light: Discerning Light” (2:12)
Fanazaran-tena fifehezana fotompampianarana 1
Tanjon’ny lesona: Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hianatra ireo andalan-tsoratra masina ffifehezana fotopampianarana sy ireo fahamarinana ao anatiny, ary hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro izay tiany hotadidina. Afaka manao tsianjery ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izy ireo ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) na miezaka mitadidy ireo andalan-tsoratra masina manontolo.
-
Votoatiny haseho: Tabilao misy toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina; sahanasa fifanakalozan-kevitra A, B, ary D izay manaraka ny rafi-tantara