Seminera
Lesona 16—Tombano ny fianaranao 1—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1–5; Joseph Smith—Tantara 1


“Lesona 16—Tombano ny fianaranao 1—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1–5; Joseph Smith—Tantara 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Tombano ny fianaranao 1,” Seminera momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 16: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5

Tombano ny fianaranao 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1–5; Joseph Smith—Tantara 1

zatovo mandalina ny soratra masin’izy ireo

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina sy handinika hoe ahoana no nanampian’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary koa ny Joseph Smith—Tantara azy ireo mba hitombo ara-panahy sy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Nahoana isika no tokony hanao fanombanana?

Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana hanombantombana ny fandrosoana izay efa nataon’izy ireo hatreto dia manaova sahanasa toy izao manaraka izao. Ataovy eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity ary hevero ny hanome ohatra tanjona iray. Ny mpianatra dia afaka misaintsaina ny tanjona ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana na ara-tsôsialy izay katsahiny ao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo.

Manaova tsipika eo amin’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao. Soraty eo amin’ny faran’ny andalana eo amin’ny ilany havanana ny iray amin’ireo tanjonao maharitra. Ohatra amin’izany ny fanaovana fanatanjahantena na fitendrena zavamaneno amin’ny ambaratonga avo kokoa, ny ho manan-talenta manokana amin’ny sehatra iray, ny fahazoana mari-pahaizana na mari-pankasitrahana, na ny fanambadiana any amin’ny tempoly.

Araka ny aseho eto amin’ity tabilao manaraka ity, dia manaova kisarisarin’olona iray eo ambonin’ilay tsipika mba hanehoana hoe hatraiza ny fandrosoana tsapanao efa vitanao mankany amin’ny tanjonao.

kisarisarin’olona maneho ny fandrosoana

Eo amin’ny ilany havia amin’ny tsipika, dia makà fotoana hanoratana ny fandrosoana efa vitanao. Azonao atao ny mampiditra zavatra manokana nianaranao na nataonao mba handrosoana mankany amin’ny tanjonao.

  • Nahoana no mahasoa ny miato kely sy manombana ny zavatra nianarantsika sy ny fandrosoana efa vitantsika?

Asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra nianarany na nataony mba handrosoana mankany amin’ny tanjony. Tsy vitan’ny hoe manomana ny mpianatra hampitombo ny fahalalany amin’ity lesona ity izany, fa manampy azy ireo koa mba hifankafantatra tsara kokoa ary manamafy ny firaisankina ao anatin’ny kilasy.

Iray amin’ireo tanjon’ny seminera ny hanampy anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy, sy ho tonga kokoa tahaka Azy.

  • Nahoana no zava-dehibe ihany koa ny miato sy manombantombana ny ezaka ataontsika mba hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy ho tonga kokoa tahaka Azy?

Inona no zavatra ianaranao? Manao ahoana ny fandrosoanao?

Hazavao fa mandritra ity taom-pianarana ity, isaky ny efatra na enina herinandro, dia hisy lesona tahaka izao izay ahafahan’ny mpianatra miato mba hanombanana ny zavatra nianarany sy ny fomba nanatonan’izy ireo akaiky kokoa ny Mpamonjy.

Raha ilaina dia asao ny mpianatra hanao lisitra ireo tantara sy lohahevitra nianarany hatreto. Afaka manampy azy ireo hanao ireto manaraka ireto izany:

Makà minitra vitsivitsy hanoratana ao amin’ny diary fandalinanao momba ny fandrosoana ataonao mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao tamin’ity taona ity. Izany dia mety ho fotopampianarana sy fahamarinana ianaranao, fomba itomboan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy, fahazarana vaovao ezahinao ananana, ary fiovana izay ezahinao atao.

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ny mpianatra, dia manasà mpianatra maromaro hizara ny eritreritr’izy ireo raha toa ka tsy miditra loatra amin’ny fiainany manokana izany. Azo atao ny manao izany anaty vondrona kely na miaraka amin’ny kilasy iray manontolo. Afaka mieritreritra teny na andian-teny iray ihany koa ny mpianatra izay mamintina ny fomba ianarany na ny fivoarany ary manoratra izany eny amin’ny solaitrabe (ohatra, “fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa,” “fahafantarana momba Azy avy amin’ny soratra masina,” na “fahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy”). Avy eo dia azonao atao ny manondro ireo teny manan-danja eny amin’ny solaitrabe ary manontany raha vonona hanazava ny antony nanononany izany ilay mpianatra nanoratra azy. Rehefa mihaino ianao dia mitadiava fomba hiderana ny ezaka ataon’ireo mpianatra sy hamporisihina azy ireo hanohy, ary hijoroana ho vavolombelona momba ny fanampian’ny Tompo sy ny fitahiany.

Fanombanana ny fandalinana soratra masina

Manehoa sarin’i Joseph Smith tahaka io etsy ambany io ary ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra ny fiantraikan’izany fandalinana ny soratra masina izany teo aminy amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy.

i Joseph Smith tanora eo am-pamakiana Baiboly
  • Ahoana no nanampian’ny fandalinana soratra masina ny Mpaminany Joseph Smith?

Saintsaino ny tanjonao manokana amin’ny fandalinana ny soratra masina. Inona no fiantraikan’ny ezaka ataonao eo aminao?

Omeo taratasy kely roa ny mpianatra tsirairay. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ny fanontaniana voalohany amin’ny taratasy iray, ary eo amin’ilay taratasy iray hafa ny valin-tenin’izy ireo amin’ny fanontaniana faharoa.

  • Inona no fahombiazana anankiray tsapanao fa nisy teo amin’ny fandalinana ny soratra masina?

  • Inona no olana iray atrehinao amin’ny fandalinanao ny soratra masina?

Angataho ny mpianatra hametraka ireo taratasy mifandraika amin’ny fahombiazan’izy ireo eo amin’ny toerana iray ary hametraka ny taratasy mifandraika amin’ny olana atrehan’izy ireo eo amin’ny toerana iray hafa. Afangaroy mitokana ireo karazana taratasy roa ireo ary zarao amin’ny iray kilasy izany. Rehefa mamaky ny fahombiazan’ireo mpianatra ianao dia derao sy amporisiho izy ireo. Azonao anontaniana ny hoe: “Nisy olon-kafa nahavita nanao zavatra mitovy amin’izany koa ve?” sy hoe “Ahoana no nanampian’ny fandalinanao soratra masina mba hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?” Rehefa mamaky momba ireo fahasahiranana atrehin’ny mpianatra eo amin’ny fandalinana ny soratra masina ianao dia asao ny iray kilasy hitady soratra masina, na hikaroka teny avy amin’ireo mpaminany na mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na hieritreritra zavatra niainana manokana izay mety hanampy.

Tombano ny zavatra tsapan’ny mpianatra momba ny Mpaminany Joseph Smith

Omeo fahafahana tahaka izao manaraka izao ny mpianatra hanombantombanana ny zavatra tsapany momba ny Mpaminany Joseph Smith.

Manorata zavatra betsaka araka izay azo atao izay nianaranao momba ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ireo herinandro vitsivitsy farany nanaovana ny seminera.

Afaka manoratra ny zavatra nianarany eny amin’ny solaitrabe manodidina ny sarin’i Joseph Smith ny mpianatra. Raha tsy izany dia afaka manao io asa io ao anaty vondrona kely ihany koa ny mpianatra.

Tsipiho na ataovy anaty faribolana ny zavatra rehetra ao amin’ny lisitrao izay manondro ny fomba nanampiany anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Raha tsy miresaka momba izany ny mpianatra dia ataovy izay hiresahana fa i Joseph Smith dia nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tao amin’ny Fahitana Voalohany, nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny herin’ Andriamanitra, ary nahazo fanambarana avy amin’ny Tompo izay tafiditra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Lazao ihany koa fa namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana, ny Fiangonana, fanekempihavanana ary ôrdônansy tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo.

Asao ny mpianatra hanombantombana hoe hatraiza ny finoany ireo zavatra notanisain’izy ireo amin’ny maridrefy 1 ka hatramin’ny 5 (1=tsy mino ary 5=mino amim-patokiana). Asao izy ireo hizara zavatra niainana izay nanampy azy ireo hino fa niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany Andriamanitra mba hanampy antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Ny mpianatrao sasany dia mety mbola manana olana amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo fa mpaminany i Joseph Smith. Ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity sy ny famelana ireo mpianatra hanome hevitra maro dia mety hanampy ireo mpianatra ireo.

  • Raha misy olona manana olana amin’ny finoana fa niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany ny Tompo, inona no mety hasainao ataon’izy ireo mba hampatanjahana ny finoan’izy ireo?