Seminera
Lesona 13—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3: “Tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao”


“Lesona 13—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3: -Tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 13: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3

“Tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao”

zatovolahy manalavitra ny namany

Indraindray isika dia mety hahatsapa ho teren’ny hafa tsy hankatò an’ Andriamanitra. Nahatsapa fanerena mitovy amin’izany i Joseph Smith rehefa nangataka ny haka ireo pejy voadika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Martin Harris. Nianaran’i Joseph anefa fa amin’ny fotoana toy ireny no tokony hijoroana tsy hivadika amin’ Andriamanitra sy tsy hilefitra amin’ny faneren’ny hafa. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa ny hatoky an’ Andriamanitra mihoatra ny olon-kafa.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny faneren’ny fiainana

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana zavatra malefaka amin’ny mpianatra toy ny peluche na ondana. Lazao ny mpianatra fa io zavatra io dia afaka maneho azy ireo. Ho an’ny valiny tsirairay omen’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia asao ny mpianatra iray hametraka boky na zavatra mavesatra eo ambonin’ilay zavatra malefaka. Rehefa mihafisaka ilay zavatra dia asao ny mpianatra hieritreritra raha toa izy ireo indraindray mahatsapa ho vesarana toy izany.

  • Inona no fanerena tsapan’ny zatovo eo amin’ny fiainany?

  • Firy amin’ireo fanerena ireo no avy amin’ny faniriana hampifaly ny hafa?

Makà fotoana kely hisaintsainana ny hoe manao ahoana nyfanerena anao hampifaly ny hafa sy ny anton’izany.

Ato amin’ity lesona ity ianao dia handalina ny zavatra tsapan’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nahatsapa fanerena hampifaly an’i Martin Harris izy, sy ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy azy tao anatin’izany toe-javatra izany. Rehefa mandalina ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahitana fahamarinana izay afaka manampy anao rehefa mahatsapa izany fanerena izany ianao.

“Very izy rehetra”

Ireto manaraka ireto dia hevitra hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny toe-javatra ara-tantara manan-danja etsy ambany:

  1. Omeo mpianatra iray alohan’ny fotoam-pianarana ilay lahatsoratra ary asao izy hamintina izany ho an’ny rehetra.

  2. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra fantany momba ireo pejy 116 very tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tany am-boalohany. Hazavao izay fampahalalana tsy zarain’ny mpianatra.

  3. Asehoy ny sasany amin’ireto lahatsoratra manaraka ireto izay tsy ampy teny manan-danja, ary jereo raha afaka mameno ireo fampahalalana tsy ampy ny mpianatra. Fenoy izay tsy fantatry ny mpianatra.

  4. Jereo ny horonan-tsary “The Work of God” (ChurchofJesusChrist.org) manomboka amin’ny mari-potoana 2:25 hatramin’ny 8:45. Azonao atao koa ny misafidy ny hampiseho an’io horonan-tsary io rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10 ianareo.

    13:34

I Martin Harris dia olom-pirenena manan-kaja tao Palmyra ary mpamboly nahomby izay iray tamin’ireo hany olona vitsivitsy tao amin’ilay faritra nino an’i Joseph Smith. Na dia efa ho avo roa heny mihoatra ny an’i Joseph aza ny taonany, dia naman’i Joseph i Martin ary nanome vola azy mba hahafahany nifindra tany Harmony, Pennsylvanie, mba handika ny Bokin’i Môrmôna tsy misy fanelingelenana. Nahafoy tena ihany koa i Martin handeha ho any mba ho mpitantsoratra.

I Lucy vadin’i Martin dia tsy nankasitraka ny fandraisany anjara tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nanontany an’i Joseph i Martin raha toa izy ka afaka mampiseho an’i Lucy ireo pejy 116 voalohany amin’ny fandikan-teny ho porofon’ny asan’izy ireo. Nivavaka indroa mikasika izany i Joseph ary nahazo toromarika hatrany izy tsy hamela an’i Martin haka ireo pejy.

Nivavaka fanintelony i Joseph ary nanome lalana niaraka tamin’ny fepetra hentitra ny Tompo. Nentin’i Martin tany Palmyra ireo pejy mba hasehony amin’ny vadiny.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no tsy nanaraka ireo valin-teny roa voalohany azony avy tamin’ny Tompo i Joseph?

Azonao atao ny mamerina ilay sahanasa tany am-piandohan’ny lesona mba hampisehoana ny fanerena nahazo an’i Joseph.

Ny ampitson’ny nandehanan’i Martin dia niteraka ny zanany voalohany tamin’i Joseph i Emma Smith, izay zazalahy. Indrisy anefa fa ora vitsy monja no niainan’ilay zaza ary toa nahiana ny mety ho faty ihany koa i Emma. Soa ihany fa nanomboka nihatsara ny fahasalaman’i Emma taorian’ny herinandro vitsivitsy. Na dia tsy te hiala teo anilany aza i Joseph, dia namporisika azy i Emma mba handeha ho any Palmyra ary hanontany momba ilay takela natao sora-tanana.

Rehefa tonga tao an-tranon’ny ray aman-dreniny i Joseph dia nanasa an’i Martin izy ireo mba hiaraka hisakafo maraina. Tsy tonga tao anatin’ny adiny efatra mahery i Martin. Tonga ihany izy tamin’ny farany, dia nipetraka ary nihiaka tamin’alahelo hoe, “Very ny fanahiko!” Tsy nanaraka an’ireo toromarika hentitra izy ary very ilay takelaka natao sora-tanana.

“Andriamanitro ô, Andriamanitro ô. Very izy rehetra!” Hoy i Joseph. “Tsy maintsy miverina any amin’ny vadiko miaraka amin’ny tantara toy izany ve aho? Ary ahoana no hisehoako eo anoloan’ny Tompo?”

Taorian’ny niverenan’i Joseph tao Harmony dia niseho i Môrônia ary naka ireo takelaka teny aminy. (Jereo ny Olomasina, 1:50–54.)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no nahatsapa i Joseph fa very avokoa ny zava-drehetra?

Fotoana fohy taorian’io zava-nitranga io, dia niresaka tamin’i Joseph Smith ny Tompo, nanafay azy ary nanome teny fankaherezana azy.

Fahatahorana an’ Andriamanitra mihoatra ny olombelona

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–10. Tadiavo ny zavatra tian’ny Tompo nianaran’i Joseph avy amin’io zavatra niainany io.

Amporisiho ny mpianatra handalina tsikelikely sy amim-pitandremana, ary hikaroka lesona maromaro.

sary famantarana ny fanofananaAsao ny mpianatra mba hianatra fahamarinana ho an’ny tenany manokana: Ity fanontaniana manaraka ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny fahamarinana ho an’ny tenany. Mba hahazoana fiofanana fanampiny momba ireo fanontaniana izay manampy ny mpianatra hahita fotopampianarana sy fitsipika avy amin’ny tenany manokana, dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “Ianaro avy amin’ny ezakao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” hita ao amin’ny Fampivoarana fahaiza-manao ho an’ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana.

  • Inona avy ireo lesona sasany hitanao?

Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ireo fitsipika mety ho hitan’ny mpianatra:

  • Tsy azo sakanana ny asan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1). Raha mahita io fahamarinana io ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hifanakalo hevitra momba ny antony maha-zava-dehibe ny fahatakarana izany sy ny fomba mety ho nampaherezan’izany an’i Joseph Smith.

  • Feno famindram-po Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:10). Tafiditra ao anatin’izany ny fotoana izay anekentsika ny faneren’ny hafa tsy hankatò Azy. Raha mahita io fahamarinana io ny mpianatra dia mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao: Mety ho nanampy ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ny famindram-pon’ny Mpamonjy tamin’io fotoana io? Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny famindram-pony manampy antsika rehefa mila miova isika?

  • Rehefa matahotra an’ Andriamanitra mihoatra noho ny olona isika, dia hanohana antsika amin’ny fotoan-tsarotra Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7–8). Ny ambin’ny lesona dia hifantoka amin’io fitsipika io.

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe matahotra an’ Andriamanitra:

Loholona D. Todd Christofferson

Misy toerana maro ao amin’ny soratra masina izay manoro hevitra ny olombelona mba hatahotra an’ Andriamanitra. Amin’izao androntsika izao dia matetika adikantsika hoe “fanajana” na “fanajana lalina” na “fitiavana” ny teny hoe tahotra; noho izany, midika hoe fitiavana an’ Andriamanitra na fanajana Azy sy ny lalàny ny fahatahorana an’ Andriamanitra. …

… Tokony ho tia sy hanaja Azy tokoa isika ka hatahotra ny hanao zavatra tsy mety eo imasony, na inona na inona mety ho hevitra na fanerena avy amin’ny hafa. (D. Todd Christofferson, “A Sense of the Sacred” [Takariva amorom-patana nataon’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ireo tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 7 nôv. 2004], 6–7, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’ny Loholona Christofferson momba ny tahotra an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana?

Rehefa mahatoky isika dia hanohana antsika amin’ny fotoan-tsarotra rehetra Andriamanitra

Azonao atao ny manoratra ny hoe Afaka manohana ahy amin’ny fotoan-tsarotra ny Tompo satria Izy… eo amin’ny solaitrabe.

Soraty ny andian-teny hoe Afaka manohana ahy amin’ny fotoan-tsarotra ny Tompo satria Izy… ao amin’ny diary fandalinanao. Fenoy io fanambarana io amin’ny alalan’ny fanaovana ny iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto:

  1. Ataovy lisitra ny fanampiana sy fanohanana azon’i Jesoa Kristy omena anao izay tsy vitan’olon-kafa.

  2. Tanisao ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nisafidiananao ny ho mahatoky amin’ny Tompo, na dia namporisika anao tsy hankatò Azy aza ny hafa, ka nanohana anao Izy. Azonao atao koa ny mampiasa ohatra avy ao amin’ny soratra masina.

    Afaka manao lisitry ny valin-teniny sasany eny amin’ny solaitrabe ihany koa ny mpianatra. Mety hila fanampiana ireo mpianatra amin’ny famantarana ireo raki-tantara ao amin’ny soratra masina momba ny fanohanan’ Andriamanitra ny olona izay niatrika fanoherana kanefa nijanona ho mahatoky Taminy. Azonao atao ny manome azy ireo ireto ohatra manaraka ireto: Nahazo hery avy tamin’ Andriamanitra i Abinadia mba hampita ny hafany na dia teo aza ny fandrahonana avy amin’ny Mpanjaka Noà sy ny mpisorony (jereo ny Môzià 13:1–3); ny Tompo namonjy an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego avy tao amin’ny lafaoro nisy afo mirehitra (jereo ny Daniela 3:23–25).

  • Inona no nosoratanao momba ny Mpamonjy izay hitanao fa tena ilainao hotsaroana rehefa alaim-panahy hampifaly ny hafa mihoatra noho Andriamanitra ianao?

Tamin’ny alalan’io famaizana io dia nianatra i Joseph fa hanohana azy Andriamanitra raha misafidy ny ho mahatoky izy. Nandroso teo amin’ny fiainana i Joseph, nitoky tamin’ny didin’ Andriamanitra sy ny fitarihany, na dia niaina fanaintainana, fanenjehana, fanagadrana, ary fahafatesana mihitsy aza izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122135).

Saintsaino ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny maha-zava-dehibe ny zavatra nianaranao tamin’ity lesona ity. Azonao atao ny mampiditra izay tianao hotadidina na hatao rehefa miatrika fanerena hatahotra ny hafa mihoatra an’ Andriamanitra ianao.

Hevero ny hijoro ho vavolombelona fa ny lesona nianaran’i Joseph Smith avy tamin’io zavatra niainana sarotra io dia nanampy azy ho lasa mpankatò kokoa an’ Andriamanitra nandritra ny androm-piainany. Afaka mijoro ho vavolombelona momba ny fanohanana azonao avy tamin’ Andriamanitra ianao rehefa nanaraka ny toroheviny na dia sarotra aza ny nanao izany.