Lesona 14—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4: “Manompoa tahaka ny Tompo”
“Lesona 14—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4: -Manompoa tahaka ny Tompo,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 14: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5
Naniry hahafantatra ny fomba ahafahany manompo an’ Andriamanitra sy ny hafa i Joseph Smith Rainy. Ho setrin’ny fanirian-drainy, ny Mpaminany Joseph dia nikatsaka ka nandray ny voalohany amin’ireo fanambarana maro nomena ireo izay te handray anjara amin’ny asan’ny Tompo (jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11–12; 14–16; 25). Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa amin’ny fomban’i Kristy.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Manompo tahaka ny Mpamonjy
Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona manao ny iray amin’ireto asa fanompoana manaraka ireto ho anao:
Miresaka aminao mba hahafantarana hoe manao ahoana ianao
Manampy anao amin’ny asa tokony hataonao
Mivavaka ho anao
Inona no mety ho fiantraikan’izany aminao raha manompo amin’ireto fihetsika manaraka ireto izy ireo? Nahoana?
Amin’ny fo manontolo na tsy amin’ny fo manontolo
Amim-paharetana na tsy amim-paharetana
Atosiky ny fitiavana anao na atosiky ny zavatra hafa
Alaivo sary an-tsaina indray izao hoe ny Mpamonjy no manao izany fanompoana izany ho anao. Ahoana no mety ho nanaovany izany ary inona no mety ho vokatr’izany?
Ato amin’ity lesona ity ianao dia handalina ny asa fanompoana sy ireo toetran’i Kristy izay tian’ny Tompo hokatsahintsika rehefa manompo. Rehefa mandalina ianao dia saintsaino ny fanirianao manokana hanompo sy ny antony mety hahatonga anao haniry ny hanana ireo toetra ireo.
Namaliana ny fanontanian’i Joseph Smith Rainy
Na dia tsy mbola niditra tamina antokom-pivavahana voarindra aza i Joseph Smith Rainy dia nino ny zavatra nolazain’ny zanany lahy taminy mikasika ireo fahitany avy any an-danitra izy ary nanohana azy tamin’ny fandikany ny Bokin’i Môrmôna. Naniry ny hanompo an’ Andriamanitra i Joseph Rainy saingy tsy fantany izay tokony hatao. Tamin’ny febroary 1829 dia nitsidika an’i Joseph Zanany tany Harmony, Pennsylvanie izy sy ny vadiny. Nandritra izany fitsidihana izany dia nahazo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 ny Mpaminany Joseph ho valin’ny fanontanian-drainy.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–4, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny (1) fomba tokony hanompoantsika Azy sy (2) ny antony tokony hanompoantsika Azy. Mety hanampy ny mahafantatra fa ao amin’ny andininy 4, ny Tompo dia mampitaha ny vary efa masaka hojinjaina amin’ny olona izay vonona handray ny filazantsara. Ny antsimbilona dia fitaovana fijinjana.
Inona no hitanao?
Inona no fitahiana raketin’ireo andininy ireo ho an’ireo izay manompo an’ Andriamanitra amin’ny fony, ny heriny, ny sainy ary ny tanjany rehetra?
Rehefa avy nampianatra momba ireo fitahiana avy amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra amin’ny fontsika, ny herintsika, ny saintsika ary ny herintsika rehetra ny Tompo, dia nitanisa toetra maro izay afaka manampy antsika rehefa manompo Izy. Manana ny tsirairay amin’ireo toetra ireo i Jesoa Kristy ary manasa antsika mba hiezaka hanana izany eo amin’ny fiainantsika manokana Izy. Rehefa manao izany isika dia lasa tahaka Azy kokoa ary afaka manompo tahaka Azy.
Ahoana no ahafahanao mamintina ireo fampianarana ato amin’ity fizarana ity ao anatin’ny fehezan-teny iray?
Fahatakarana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy
Angataho ny Fanahy Masina mba hitarika anao amin’ny fisafidianana ny toetra tahaka ny an’i Kristy izay hanan-danja indrindra aminao ny fandalinana azy. Soraty eo an-tampon’ny pejy iray ao anatin’ny diary fandalinanao izany. Soraty eo ambanin’ilay toetra nofidinao ity manaraka ity.
Ohatra: Saintsaino ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy izany toetra izany fahiny na eo amin’ny fiainanao ankehitriny. Raha mampiasa ohatra ao amin’ny soratra masina ianao, dia miezaha manoratra tantara na toko sy andininy voafaritra tsara. (Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia mety hanampy indray.) Azonao atao ihany koa ny manome ohatra maoderina momba ny olona iray izay nanompo niaraka tamin’io toetra io ary ny fiovana lehibe naterak’izany toetra izany.
Inona no azontsika atao: Mitanisà dingana iray na roa azonao atao mba hananana kokoa io toetra io eo amin’ny fiainanao. Mba hahitana hevitra, dia avereno vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:7, mangataha torohevitra amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra na amin’ny olona iray izay tsapanao fa manana io toetra tahaka ny an’i Kristy io.
Mamboly ireo toetra tahaka ny an’i Kristy
Ho famaranana ity lesona ity dia manaova drafitra miaraka amin’ny dingana iray na roa izay azonao atao mba hampivelarana toetra iray ananan’i Kristy izay nianaranao androany. Azonao atao ny mampiditra fomba hikatsahana ny fanampian’ny Tompo eo am-pamolavolana io toetra io.