Seminera
Lesona 15—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5: “Fantatro marina tokoa fa marina ireo”


“Lesona 15—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5: -Fantatro marina tokoa fa marina ireo,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 15: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5

“Fantatro marina tokoa fa marina ireo”

ireo takela-bolamena

Nanome toky an’i Martin Harris ny Tompo, izay nitady porofo fanampiny fa nanana ireo takela-bolamena i Joseph Smith. Natao hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo vavolombelona nomen’ny Tompo mba hanampiana azy ireo hahazo fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny Bokin’i Môrmôna ho testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy sy ny antson’i Joseph Smith ho mpaminanin’ Andriamanitra ity lesona ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny olan’i Martin Harris

Omeo fahafahana ny mpianatra hanombantombana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Bokin’i Môrmôna sy i Joseph Smith. Afaka manampy azy ireo hanatanteraka izany ny fisaintsainana ity rafi-tantara ity mbamin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Afaka mizara ny valin-tenin’izy ireo sasany amin’ny iray kilasy ny mpianatra.

Azonao aseho ihany koa ny “Compelling Witness,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 0:37.

7:46

Alaivo sary an-tsaina hoe nisy fitsapana iray natao mba hamaritana raha tena nanana ireo takela-bolamena tokoa i Joseph Smith.

  • Mety ho tsara manao ahoana ny fahafahanao mijoro ho vavolombelona fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna ary i Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny? Nahoana?

  • Inona no holazainao?

  • Inona no porofo hatolotrao hanohanana ny hevitrao?

Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5 amin’ny toe-javatra iainany manokana ny fizarana na famintinana ireto fampahalalana manaraka ireto.

Tezitra noho ny fotoana sy ny vola lanin’ny vadiny tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna i Lucy Harris, vadin’i Martin Harris. Nitory an’i Joseph Smith izy ary nanangona ny olona maromaro izay vonona hijoro ho vavolombelona fa nandainga momba ny fisian’ireo takelaka i Joseph. Nampitandremana i Martin fa raha tsy miaraka amin’izy ireo amin’ny fanomezana vavolombelona manohitra an’i Joseph izy dia mety halefa any am-ponja ihany koa. Na dia mpitantsoratr’i Joseph aza i Martin taloha, na dia nasainy nodinihin’ny manam-pahaizana aza ny tarehin-tsoratra avy amin’ireo takelaka mba hanamarinana ny maha rakitry ny ela azy ireo, na dia very teny am-pelantanany aza ny pejy natao sora-tanana miisa 116 tany am-boalohany, dia mbola nitady vavolombelona fanampiny indray momba ny tena fisian’ireo takela-bolamena ihany i Martin. Nankany amin’ny tranon’i Joseph Smith izy, izay toerana nanontanian’i Joseph ny Tompo ary nandraisany ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5.

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5, dia katsaho ny Fanahy Masina mba hanampy amin’ny fanamafisana ny zavatra efa fantatrao momba an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna. Mikatsaha ihany koa fomba hanamafisana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–3, ary tadiavo ny fomba namalian’ny Tompo an’i Martin Harris.

  • Nahoana ny Tompo, araka ny eritreritrao, no tsy manaporofo ny fisian’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny famelana ireo takelaka sy ireo zavatra sarobidy manan-tantara hafa mba haseho amin’izao tontolo izao?

Na dia tsy navela hahita ireo takela-bolamena aza i Martin tamin’izany fotoana izany dia nankahery azy tamin’ny fomba izay nahafahany nanome fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny Mpaminany io fanambarana io. Ho hitanao ato amin’ity lesona ity fa nanome vavolombelona ny Tompo mba hanampiana antsika tsirairay hahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith ho mpaminanin’ Andriamanitra sy ny Bokin’i Môrmôna ho testamenta hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Porofo avy amin’ny Tompo

sary famantarana ny taratasy zarainaHevero ny hizara ny iray kilasy ho telo ka omeo “vavolombelona” samihafa hohalalinina samirery ny vondrona tsirairay amin’ny alalan’ny fampiasana ilay taratasy zaraina etsy ambany. Afaka mampitaha sy mifanakalo hevitra amin’ny vondrona misy azy ny zavatra nianarany ny mpianatra Rehefa avy nomena fotoana ampy.

Azonao atao koa ny manisy soratra amin’ny valopy telo misaraka hoe “Vavolombelona #1,” “Vavolombelona #2,” ary “Vavolombelona #3.” Fenoy amin’ny tahadika maromaro amin’ny ampahany mifanaraka amin’ny tokony ho izy amin’ilay taratasy zaraina ny valopy tsirairay. Zarao amin’ny vondrona tsirairay izany mba hohalalinina.

Vavolombelona

Vavolombelona #1

Ny tenin’ny Tompo

Nodidiana i Joseph Smith mba tsy hampiseho ireo takela-bolamena amin’izao tontolo izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:3). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:6–10, ary tadiavo ny zavatra azon’i Joseph nozaraina.

Azonao atao ny manisy marika ny andian-teny iray izay averimberin’ny Tompo ao amin’ny andininy 5, 6, ary 7.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana ny Tompo no manahy kokoa ny amin’ny finoantsika sy ny fihainoana ny teniny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna noho ny fahafantarantsika fa tena nisy ireo takelaka?

Raha niresaka momba ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nampianatra hoe:

Ny Filoha Gordon B. Hinckley

Ny porofon’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna, ny maha-manan-kery azy ato anatin’ity izao tontolo izao izay toa mirona amin’ny fangatahana porofo ity, dia tsy hita ao amin’ny hainifahagola sy ny haiolombelona, na dia mety hanampy ny sasany aza ireo. Tsy hita ao amin’ny fikarohana momba ny teny na ny famakafakana ara-tantara izany, na dia mety hanamafy ny marina aza ireo zavatra ireo. … Tsy maintsy mamaky azy ny olona iray mba hanamarinany fahamarinany. Bokin’ Andriamanitra ilay izy. (Gordon B. Hinckley, “Four Cornerstones of Faith,” Liahona, Feb. 2004, 6)

Makà minitra vitsivitsy hisaintsainana ny zavatra niainanao tamin’ny fandalinana sy ny fianarana avy amin’ny Bokin’i Môrmôna. Eritrereto ny fiantraikan’ny fandalinanao teo amin’ny fiainanao. Azonao atao ny mirakitra ny eritreritrao sasany ao amin’ny diarinao.

Vavolombelona #2

Ny tenivavolombelon’ireo mpanompo telo

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:11–15, hitadiavana hoe iza no havelan’ny Tompo hahita ireo takelaka amin’ny farany.

  • Inona no hitanao tao amin’ireo andininy ireo izay afaka ny hahatonga ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo Vavolombelona Telo hahery vaika?

Nahita ireo takela-bolamena i Martin Harris sy i Oliver Cowdery ary i David Whitmer tatỳ aoriana, ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny tena fisian’izany. Hahafantatra kokoa momba io toe-javatra io ianao rehefa mianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany raha niresaka momba ireo Vavolombelona Telo ireo hoe:

Filoha Dallin H. Oaks

Tsy nifanohitra tamin’ny an’ny vavolombelona hafa ny fanambaran’izy ireo. Mety handà izany ny olona iray, nefa ahoana no hanazavana ny firaisan-kina sy ny fikirizana nananan’ny olona tsara laza telo amin’ny fampahafantarana ny tenivavolombelon’izy ireo mandra-pahafatiny, eny fa na dia teo anoloan’ny esoeso lehibe sy ny fahavoazana manokana aza? Tahaka ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy misy fanazavana tsaratsara kokoa noho izay nomen’ilay tenivavolombelona mihitsy, ilay fanambarana natao am-boninahitra nomen’ny lehilahy tsara sy mari-toetra izay nilaza fa marina ny zavatra hitany. (Dallin H. Oaks, “The Witness: Martin Harris,” Liahona, mey 1999, 36.)

Hevero ny hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” ao amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna na manaova ny lisitr’ireo olona izay nijoro ho vavolombelona taminao fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Eritrereto ny fomba nampaherezan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ny anao.

Vavolombelona #3

Ny Fanahy Masina

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:16 sy ny Môrônia 10:4–5. Fantaro ny fomba anambaran’ Andriamanitra ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ireo zanany.

  • Ahoana no ahafahan’ny Fanahy mijoro ho vavolombelona amin’ny olona iray mikasika ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Nilaza I Glenn L. Pace, izay efa Eveka Mpiahy hoe:

Loholona Glenn L. Pace

Tsy misy fomba hafa hahazoana fijoroana ho vavolombelona afa-tsy ny vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy afaka miantehitra amin’ny zavatra hafa ianao. … Manana ohatra maro ao amin’ny soratra masina isika izay mampiseho ny maha-zava-poana ny fisehoana hita maso na azo tsapain-tanana raha tsy miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina izany. Tsy mitranga amin’ny alalan’ny fisehoana hita maso na azo tsapain-tanana avy any an-danitra ny fiovam-po. (Glenn L. Pace, “The Elusive Balance,” New Era, Mar. 1989, 49)

Tanisao ireo antony hiheveranao fa manan-danja kokoa noho ny porofo ara-batana fa marina ny zavatra iray ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina, izay mpikambana iray ao amin’ Ny Andriamanitra. Eritrereto ny hampiditra ny fijoroana ho vavolombelona rehetra tsapanao fa noraisinao avy amin’ny Fanahy Masina momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

Asao ny mpianatra hanendry solontena iray na maromaro avy amin’ny vondrona misy azy mba hanolotra ity fampahalalana manaraka ity amin’ny iray kilasy rehefa avy nandalina sy nifanakalo hevitra momba ny vavolombelona nomena azy izy ireo:

  • Hazavao ilay vavolombelona nomen’ny Tompo izay nianaranao niaraka tamin’ny vondrona misy anao.

  • Mizarà ohatra avy amin’ireo lisitra noforonin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra rehetra mba hanampy ny heviny sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ny zavatra nozarain’ny mpiara-mianatra aminy.

Azonao atao ny mijery ny ambin’ny horonan-tsary “Compelling Witness” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:37 hatramin’ny 7:46.

7:46

Nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana teo amin’ny fitsarana momba ny toetran’i Joseph Smith sy ny tena fisian’ireo takela-bolamena i Martin, taorian’ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5. Nanafoana ny fiampangana an’i Joseph Smith ilay mpitsara rehefa nandre ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Martin sy ny hafa .

Zarao ny eritreritrao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ato amin’ity lesona ity.