“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5: Topimaso,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5
Topimaso
Ao amin’ireo fizarana ireo, ny Tompo dia nanitsy ny Mpaminany Joseph Smith noho ny fahatahorany ny olona mihoatra an’ Andriamanitra; nanambara tamin’ny rain’i Joseph Smith ny fomba ahafahany manompo Azy Izy; ary nitarika an’i Martin Harris nandritra ny fitsapana azy. Ity herinandro ity koa dia ahitana lesona fanombanana.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3
Tanjon’ny lesona: Ny hanampiana ny mpianatra mba hanana faniriana mitombo kokoa hametraka ny fitokisany amin’ Andriamanitra mihoatra ny amin’ny olon-kafa
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fotoana izay nitarihan’ny namana azy ireo, na tamin’ny fanaovana zavatra tsara izany na ratsy. Angataho izy ireo hisaintsaina ny fiantraikan’ny safidiny eo amin’ny fiainany ary koa ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’ny hafa.
-
Fitaovana: Zavatra malefaka toy ny peluche na ondana; entana mavesatra toy ny boky
-
Horonan-tsary: “The Work of God” (13:35; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 2:25 hatramin’ny 8:45)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4
Tanjon’ny lesona: Ny hanampy ny mpianatra hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa toy ny nanaovan’i Kristy izany
-
Fanomanana ny mpianatra: Mieritrereta olona iray izay ohatra tsara amin’ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy. Inona no manampy io olona io hanompo toy ny Mpamonjy?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5
Tanjon’ny lesona: Ny hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo vavolombelona nomen’ny Tompo ho azy ireo mba hanampiana azy ireo hahazo fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny Bokin’i Môrmôna ho testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy sy ny fiantsoana an’i Joseph Smith ho mpaminanin’ Andriamanitra
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra niainan’izy ireo izay nampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Bokin’i Môrmôna. Homena fahafahana ireo mpianatra, raha toa ka manaiky izany, hizara ny tenivavolombelon’izy ireo manokana mandritra ny fotoam-pianarana.
-
Horonan-tsary: “Compelling Witness” (7:46)
-
Taratasy zaraina: “Vavolombelona”
Tombano ny fianaranao 1
Tanjon’ny lesona: Ny hanampiana ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana hoe tamin’ny fomba ahoana no nanampy azy ireo hivoatra ara-panahy sy hanatona akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ny zavatra niainan’izy ireo teo am-pandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary koa ny Joseph Smith—Tantara
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo lesona ara-panahy nianarany tamin’ity taona ity ary hisafidy zavatra iray nianarany na tsapany ka nanampy azy ireo handroso ara-panahy.
-
Fitaovana: Sarin’ny Mpaminany Joseph Smith; taratasy kely roa ho an’ny mpianatra tsirairay