Seminera
Lesona 19—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8: Ny Fanahin’ny fanambarana


“Lesona 19—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8: Ny Fanahin’ny fanambarana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 19: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8

“Ny Fanahin’ny fanambarana”

zatovovavy mivavaka

Nampiaiky volana an’i Oliver Cowdery ny fahaizan’i Joseph Smith nandika ny Bokin’i Môrmôna. Tiany koa raha homen’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana mitovy amin’izany izy. Nampanantena an’i Olivier ny Tompo fa hanome azy ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fandikan-teny araka ny finoany. Tamin’izay fotoana izay dia nampianatra an’i Oliver fitsipika manan-danja maro momba ny fanambarana i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahafantatra bebe kokoa ny fomba iresahan’ Andriamanitra amin’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fanontaniana momba ny fanambarana

Mba hanampiana ireo mpianatra hanomboka handalina momba ny fanambarana dia zarao izao manaraka izao:

Te hiresaka amintsika Andriamanitra ary manao izany amin’ny fomba samihafa tokoa Izy. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, Andriamanitra dia mikatsaka ny “hanampy antsika hamaly ny filantsika manokana, ny andraikitsika sy ny fanontaniantsika, ary hanampy antsika hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika” (Sujets et questions, “Révélationtopics.ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona no fanontaniana anananao na ananan’ny olona hafa fantatrao momba ny famantarana fanambaran’ Andriamanitra?

    Hevero ny hanasa mpianatra maromaro hanoratra ny fanontanian’izy ireo eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady valiny mandritra ny fianarany androany. Tsy andrasana ho voavaly ao an-dakilasy ny fanontaniana rehetra, saingy afaka manoratra izay hevi-baovao hitany ny mpianatra. Azonao atao ny mampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny antony isalasalan’ny olona momba ny fanambarana.

  • Nahoana no sarotra ny mamantatra hoe rahoviana Andriamanitra no mifandray amintsika ary amin’ny fomba ahoana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fanatsarana ny fahafahantsika mamantatra sy manaraka ny fanambaran’ Andriamanitra?

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanomboka amin’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinany na handray an-tsoratra ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile, izay ahafahan’izy ireo mirakitra ny zavatra nianarany momba ny fanambarana avy amin’ny Tompo. Afaka manome ohatra ianao amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra mitovy amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Atombohy amin’ny lohateny toy ny Ahoana no ahafantarako fa mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra aho?

Mampianatra an’i Oliver Cowdery momba ny fanambarana ny Tompo

Fony izy mpitantsoratra dia afaka nijoro ho vavolombelona i Oliver Cowdery fa nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith ny fahefana handika ny Bokin’i Môrmôna. Naniry ny handika teny ihany koa i Oliver. Nanaiky hanome azy io tombontsoa io ny Tompo (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:25). Mba hanampiana an’i Oliver hahomby dia nampianatra fitsipika manan-danja momba ny fandraisana fanambarana ny Tompo.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Asao ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1–3, ka tadiavo ny zavatra tian’ny Tompo ho fantatr’i Oliver mikasika ny fandraisana fanambarana.

  • Inona no nianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahan’ny Tompo miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

    Asaivo mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra. Amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahita fa mifandray amin’ny saintsika sy ny fontsika ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

    sary famantarana ny fanofananaMifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra mankany amin’ny fiovam-po: Mba hahazoana fiofanana fanampiny momba ireo fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hamantatra sy hilaza ireo fitsipiky ny fiovam-po dia jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy,” hita ao amin’ny fiofanana hoe Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana.

    Soraty eo ambanin’ilay lohateny eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io. Ny fanaovana kisary tahaka ity manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo.

    saina sy fo
  • Raha araka ny fandalinanao samirery sy ny traikefanao, inona avy ny sasany amin’ireo fomba ifandraisan’ Andriamanitra amin’ny saintsika? Ahoana no ifandraisany amin’ny fontsika?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928-2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny sasany amin’ireo fomba itenenan’ Andriamanitra amin’ny saintsika sy ny fontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina:

2:3
Ny Loholona Richard G. Scott

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia afaka miresaka amin’ny sainareo sy ny fonareo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Indraindray dia fahatsapana ankapobeny fotsiny ireo fahatsapana. Indraindray dia tonga mazava be sy mora fantatra ilay fitarihana ka azo soratana toy ny sora-tononina ara-panahy izany. (Richard G. Scott, “Mba hahazoana tari-dalana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2009, 9)

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hahita lamin’ny fifandraisana amin’ny saina sy ny fo ao anatin’ireto ohatra manaraka mikasika an’i Oliver Cowdery ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–24; 9:8–9. Afaka mikaroka ireo teny sy andian-teny nampiasain’ny Tompo ireo mpianatra mba hanazavana ny sasany amin’ireo fomba iresahany amin’ny saintsika sy ny fontsika.

Mety hanampy ny hanazavana fa ny hoe mahamay ny ao anatin’ny tratra voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8 dia mety hilazana “fahatsapana fiadanana sy filaminana” (Dallin H. Oaks, “Teaching and Learning by the Spirit,” Ensign, mar. 1997, 13).

Fifandraisana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Hazavao fa misy fampianarana maro hafa ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana maoderina izay manampy antsika hahatakatra ny fomba ifandraisan’ Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Omeo fotoana ny mpianatra hitadiavana sy handalinana ary hifanakalozan-kevitra momba ireo fampianarana sasany ireo.

Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanasana azy ireo hampiasa fitaovana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny fikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahitana soratra masina na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mamariparitra ny sasany amin’ireo fomba ahafahantsika mamantatra fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Safidy iray hafa hanaovana izany ny manasa ireo mpianatra handalina ireto soratra masina manaraka ireto mba hahitana ny zavatra azony ianarana momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana:

Azonao atao koa ny mampiseho amin’ny mpianatra ilay horonan-tsary “Patterns of Light: Discerning Light” (2:12). Ao amin’io horonan-tsary io, ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fahatakarana mikasika ny fomba ahafahantsika mamantatra ny fahasamihafana eo amin’ny eritreritsika manokana sy bitsika avy amin’ny Fanahy Masina.

2:12

Rehefa nanana fotoana ampy handalinana ireo mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hanampy ny zavatra nianarany ao amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.

Ny fanontaniana toy izao manaraka izao dia afaka manampy ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany ary hamela ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona amin’ny iray kilasy.

  • Inona no nianaranao momba ireo fomba samihafa ifandraisan’ Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny toetra sy fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo fampianarana ireo?

  • Inona no zavatra niainanao tamin’ny fahatakarana ny fomba ifandraisan’ny Fanahy Masina?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ireo fanontaniana napetrany tany amin’ny fanombohan’ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany izay nanampy tamin’ny famaliana ny iray tamin’ireo fanontaniana ireo. Farano ny fotoam-pianarana amin’ny fanasana ireo mpianatra mba hiezaka hamantatra ny Tompo izay miteny ao am-pony sy ao an-tsainy amin’ny iray na maromaro amin’ireo fomba maro nianarany. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny fanekena ny fanambaran’ny Tompo dia mitaky ezaka mitohy mandritra ny androm-piainany.

Ataovy tsianjery

Azonao atao koa ny manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3 ary avereno jerena ao anatin’ny lesona manaraka izany. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny hoe “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fitadidiana dia ao amin’ny fitaovana tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”