Seminera
Lesona 17—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra”


“Lesona 17—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6: -Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 17: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6-9

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6

“Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra”

ny sandry mihinjitry ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty

Tamin’ny 5 aprily 1829 no nihaona voalohany tamin’i Joseph Smith i Oliver Cowdery. Roa andro tatỳ aoriana dia lasa mpitantsoratr’i Joseph tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna izy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6 dia ahitana torohevitra avy amin’ny Tompo izay miresaka momba ny fanontaniana sy olana maro nananan’i Oliver mikasika ny fandraisana anjara amin’ny asan’ny Tompo. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hametraka ny fitokiany amin’ny Mpamonjy rehefa miatrika fisalasalana sy tahotra izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fisalasalana sy tahotra

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity ary asao ny mpianatra hanoratra ny valin-teniny eo ambanin’izany. Azo atao ny manao izany alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana na amin’ny fiandohan’ny lesona.

  • Inona avy ireo tahotra, fisalasalana na ahiahy mety hananan’ny zatovo?

Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ny fanontaniana teo aloha dia asao ny mpianatra hisaintsaina izay tahotra, fisalasalana, na ahiahy mety hananany eo amin’ny fiainany manokana. Hazavao fa mirakitra fahamarinana izay afaka manampy azy ireo amin’ny fotoana toy ireny ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6. Asao ny mpianatra hitady ireo fahamarinana ireo rehefa mandalina izy ireo.

Nanomboka nanampy an’i Joseph Smith i Oliver Cowdery

Hazavao fa mirakitra fanambarana iray nomena an’i Oliver Cowdery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba nihaonan’i Oliver voalohany tamin’i Joseph Smith dia azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary “Days of Harmony” manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:07 hatramin’ny 7:18. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mamaky ny Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018) pejy 58–60, na azonao fintinina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

25:0

Mpampianatra tany an-tsekoly izay nanomboka niara-nipetraka tamin’ny ray aman-drenin’i Joseph Smith tamin’ny fararano tamin’ny taona 1828 i Oliver Cowdery. Raha niaraka tamin’ny fianakaviana Smith i Oliver dia nahare momba ny fiantsoana masina an’i Joseph sy ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna teo an-dalam-panaovana. Nisy bitsika nanosika an’i Oliver hanontany raha afaka manampy an’i Joseph amin’ny fandikan-teny izy. Tamin’ny lohataonan’ny taona 1829, dia niaraka tamin’i Samuel zandrin’i Joseph tany Harmony, Pennsylvanie, i Oliver mba hihaona voalohany tamin’ny Mpaminany.

  • Raha teo amin’ny toe-javatra niainan’i Oliver Cowdery no misy ianao dia inona no fanontaniana na ahiahy mety ho nanananao nandritra izany fotoana izany?

Fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tao Harmony dia lasa mpitantsoratr’i Joseph Smith i Oliver. Na dia teo aza ny fanamafisana masina voarain’i Oliver teo aloha mikasika ny fanomezam-pahasoavan’ny faminanian’i Joseph ho an’ny fandikan-teny, dia mbola nanana fanontaniana mikasika ny fandraisany anjara amin’ny asan’ny Tompo ihany izy. Naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6 i Joseph Smith nandritra io fotoana io.

Mahafantatra sy matoky ny Mpamonjy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–24, 32–37, ary tadiavo ny torohevitra avy amin’ny Tompo ho an’i Oliver. Mariho manokana ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny Tenany izay afaka manampy antsika amin’ny fotoan’ny fisalasalana na ny tahotra.

Ankoatra ny famakiana ireo andininy ireo dia afaka mijery ny “Days of Harmony” ihany koa ireo mpianatra manomboka eo amin’ny mari-potoana 15:02 hatramin’ny 17:49.

25:0

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra lalina ny zavatra vakiny dia asehoy eny amin’ny solaitrabe ny sarin’i Jesoa Kristy. Rehefa hitan’ny mpianatra ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo dia afaka manoratra izany manodidina ilay sary eny amin’ny solaitrabe izy ireo.

  • Inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao hametraka ny fitokianao Aminy rehefa miatrika tahotra, fisalasalana, na ahiahy ianao?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy ireo manampy ho anao amin’ny fotoana toy izany?

Banjino i Jesoa Kristy

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Asao hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra mba ho mora foana aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36–37, ary tadiavo ireo fanasan’ny Mpamonjy ho an’i Oliver.

  • Ahoana no amintinanao ny fahamarinana nampianarina tao amin’ny andininy 36?

Azonao atao ny manantitrantitra fa rehefa mibanjina an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mandresy ny fisalasalana sy ny tahotra.

Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe mibanjina an’i Jesoa Kristy amin’ny eritreritra rehetra?

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fifandraisana misy eo amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 36 sy 37, dia hevero ny hampiseho ilay sary hatrany am-piandohan’ny lesona. Hazavao fa ny hoe mibanjina zavatra dia midika hoe mahita sy mandinika. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no tian’ny Mpamonjy “hibanjina” ny ratrany isika? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:37).

  • Inona no mety ho vokatry ny fahatsiarovana ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty eo amintsika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny fomba ahafahan’izy ireo mibanjina an’i Jesoa Kristy dia asehoy ireto rafi-tantara manaraka ireto. Azonao atao koa ny mamorona rafi-tantara hafa mifandraika kokoa amin’ny toe-javatra iainan’ny mpianatrao.

Manana fanontaniana tsy voavaly momba ny filazantsara i Anna. Indraindray izy dia mahatsapa fa tsy matanjaka tsara ahafahana mandresy ny fisalasalany ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Mijaly noho ny olana momba ny fahatsapany tena ho tsy misy dikany firy i Eric. Mahatsiaro tena ho tsy misy mahatsikaritra izy any am-pianarana.

Ny ray aman-drenin’i Sophie dia sahirana amin’ny famelomana eo amin’ny lafiny ara-bola ny fianakaviany. Manahy izy hoe tsy hanana vola ampy eo anatrehan’ny zavatra rehetra ilain’ny fianakaviany ny ray aman-dreniny.

Zarao ho vondrona kely ny mpianatra ary omeo iray amin’ireo rafi-tantara ireo ny vondrona tsirairay mba hifantohana rehefa mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo.

  • Inona no fomba telo farafahakeliny ahafahan’ireo olona ireo mibanjina an’i Kristy amin’ny toe-javatra misy azy ireo?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fomba ireo mitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ireo olona ireo?

Rehefa avy nifanakalo hevitra niaraka tamin’ny vondrona misy azy ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ny iray kilasy. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra dia mety hanampy ny manontany ny mpianatra hoe nahoana no ohatra amin’ny fibanjinana an’i Kristy ireo fomba hitan’izy ireo.

Asao koa ny mpianatra hizara ohatra mikasika ny fomba nitahiana azy ireo rehefa nibanjina an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainany izy ireo.

Mampihatra izany amin’ny fiainanao

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny torohevitry ny Mpamonjy mba hibanjina Azy dia asao izy ireo hieritreritra momba ny tahotr’izy ireo, ny fisalasalany, na ny ahiahiny izay hitan’izy ireo tany am-piandohan’ny lesona. Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, ary omeo fotoana ireo mpianatra hamaly izany ao anatin’ny diary fandalinany.

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy androany izay afaka manampy anao amin’ireo tahotra, fisalasalana, na ahiahy anananao?

  • Inona avy ireo fomba manokana izay hiezahanao hampiharana ny torohevitry ny Mpamonjy mba “[hibanjina Azy] amin’ny eritreritra rehetra; [tsy hiroanàhana,], [tsy hatahotra]”?

Ataovy tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 dia ataovy famerenana amin’ny lesona manaraka izany. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny andininy iray manontolo: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.” Misy hevitra ho an’ny sahanasa fitadidiana ao amin’ny fitaovana tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”