Lesona 18—Ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna: Ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny
“Lesona 18—Ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna: Ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 18: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9
Ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna
“Ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny”
Niaraka tamin’i Oliver Cowdery izay mpitantsoratra, i Joseph Smith dia nahavita fandrosoana mahagaga tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny lohataonan’ny taona 1829. Na dia tsy mahafantatra antsipiriany manokana momba ny fomba nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna aza isika, dia fantatsika fa nahavita izany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany fa Andriamanitra dia nanome fitaovana sy hery an’i Joseph Smith mba handikana ny Bokin’i Môrmôna ho antsika.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny niandohan’ny Bokin’i Môrmôna
Alaivo sary an-tsaina hoe indray andro ianao dia nizara ny finoanao tamin’ny iray tamin’ireo namanao akaiky fa ny Bokin’i Môrmôna dia soratra masina tahaka ny Baiboly. Toa gaga ihany ilay namanao ary nilaza fa nampianarina izy fa tamin’ny alalan’ny eritreriny i Joseph Smith no nanoratra ny Bokin’i Môrmôna.
Inona avy no azonao atao ao anatin’io toe-javatra io?
Nanampy tamin’ny fandikan-teny i Oliver Cowdery
Rehefa tonga tao Harmony, Pennsylvanie roa andro i Oliver Cowdery, dia nanomboka niasa ho mpitantsoratr’i Joseph Smith. Tsy ela dia nanao fandrosoana mahagaga teo amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph sy i Oliver. Raha tombanana dia nahavita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’ny 65 andro fiasana teo ho eo i Joseph Smith niaraka amin’i Oliver, mpitantsorany (jereo ny Russell M. Nelson, “A Treasured Testament,” Ensign, July 1993, 61).
Ny famariparitan’i Joseph Smith ny fandikan-teny
Tao amin’ny sasin-tenin’ny Bokin’i Môrmôna edisiôna 1830, dia nanoratra i Joseph Smith hoe: “Mampahafantatra anareo aho fa nandika [ilay boky] noho ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny.” Rehefa nanaovana fanadihadiana momba ny antsipirian’ny fomba nanaovana ny fandikan-teny i Joseph, dia namerimberina hatrany izy fa nanatontosa izany “noho ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny”, ary nisy fotoana izy nanampy hoe, “Tsy natao izany mba hilazana amin’izao tontolo izao mikasika ny pitsopitsony manokana rehetra momba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna.” (Sujets de l’évangile, “Livre de Mormon, Traduction,” ChurchofJesusChrist.org)
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny tenin’i Joseph Smith momba ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna?
Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia nadika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra fa tsy tamin’ny alalan’i Joseph Smith?
Fitaovana fandikan-teny
Rehefa niseho tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia tamin’ny 1823, dia nanome torolalana ny Mpaminany momba ny fomba hivoahan’ny Bokin’i Môrmôna izy.
Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:34–35 ary tadiavo izay fitaovana nomanin’ Andriamanitra mba handikana ny Bokin’i Môrmôna.
Tamin’ny fomba ahoana no nanomanan’ny Tompo ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna?
Ireo rakitsoratra ara-tantara tatỳ aoriana dia manondro fa ankoatra ny fampiasana ny Orima sy Tomima (indraindray antsoina hoe mpandika teny na solomaso Nefita) dia nampiasa fitaovana iray hafa antsoina hoe vato mpahita i Joseph Smith mba handikana ny Bokin’i Môrmôna. Efa nahita io fitaovana io taona maromaro talohan’ny nahazoany ireo takela-bolamena ny Mpaminany.
Tsy fantatsika ny antsipiriany momba ny fomba nampiasan’i Joseph ireo fitaovana nomanin’ Andriamanitra ireo. Milaza anefa ny vavolombelona fa nataon’i Joseph Smith tao anatin’ny satroka iray ny Orima sy Tomima na ny vato mpahita mba hisakanana ny hazavana, dia lasa hitany tsara kokoa ny teny nipoitra teo amin’ireo fitaovana azo tsapain-tanana (jereo ny Sujets de l’évangile “Livre de Mormon, Traduction,” ChurchofJesusChrist.org).
Inona avy ireo teny na andian-teny avy amin’i Emma na i Oliver izay manohana ny tenivavolombelon’i Joseph Smith fa ny Bokin’i Môrmôna dia nadika tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra?
Inona no nianaranao na tsapanao momba an’ Andriamanitra rehefa avy nahafantatra fa i Joseph Smith dia fitaovana teo an-tanany handikana ny Bokin’i Môrmôna?
Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainanao
Inona no andininy na tantara iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nisy fiantraikany teo amin’ny fiainanao?
Inona no fiantraikan’io andininy na tantara io tamin’ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?