Seminera
Lesona 21—Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 10: Ny fahendren’ Andriamanitra


“Lesona 21—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10: Ny fahendren’ Andriamanitra,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 10,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 21: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10

Ny fahendren’ Andriamanitra

takela-bolamena

Nalaina nandritra ny fotoana fohy tamin’i Joseph ireo takela-bolamena, ny Orima sy Tomima ary ny hery nahafahany nandika teny taorian’ny fahaverezan’ireo takila natao sora-tanana 116 pejy. Nanaiky ny fibebahana amin-kitsim-po avy amin’i Joseph ny Tompo ary nanazava taminy fa efa nanomana lalana ho an’ny asany Izy mba hampifanaraka izany amin’ny fahendreny sy ny fahafantarany mialoha ireo zavatra hitranga. Afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fitokisan’izy ireo ity lesona ity fa hanampy azy ireo handresy ireo tetika feno hafetsen’i Satana Andriamanitra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny olona hendry indrindra fantatrao

Natao hanampiana ireo mpianatra hieritreritra momba ny fahendren’ Andriamanitra tsy misy fetra ity fizarana ato amin’ny lesona ity. Aza misalasala manisy fanamboarana ireto lohahevitra atolotra manaraka ireto.

  • Iza no olona hendry indrindra fantatrao na niaina teto an-tany amin’ireo lohahevitra manaraka tsirairay avy ireto?

Siansa, Tantara, Fivavahana, Fahasalamana, Teknôlôjia

  • Raha atambatra daholo ny fahendren’ireo olona rehetra noeritreretinao dia mety hanao ahoana izany fahendrena izany raha oharina amin’ny fahendren’ Andriamanitra?

Hevero ny hanoritra tsipika lava be iray mitsangana eo amin’ny solaitrabe ka ny tampon’izany dia maneho ny fahendren’ Andriamanitra. Manasà mpianatra maromaro hametraka marika eo amin’ilay tsipika ka maneho ny fitambaran’ny fahendren’ireo olona maranin-tsaina indrindra eto ambonin’ny tany noeritreretin’izy ireo. Azonao atao ny manontany ireo mpianatra hoe amin’ny fomba ahoana no hitaoman’ireo andian-tsoratra masina toy ny Môzià 4:9 sy ny Isaia 55:8–9 azy ireo amin’ny fanisiana ilay marika eo amin’ilay tsipika.

Tsy hoe hendry noho isika rehetra fotsiny ihany Andriamanitra. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:43 mba hahitanao hoe inona avy ireo zavatra ihoharan’ny fahendren’ Andriamanitra.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety ho tombony ho an’ny olona iray ny mahafantatra ny fahamarinana fa ny fahendren’ Andriamanitra dia lehibe kokoa noho ny hafetsen’ny devoly?

  • Inona ireo ohatra sasantsasany ao amin’ny soratra masina na amin’ny tantara izay maneho fa nandresy ny tetika feno hafetsen’ny devoly ny fahendren’ Andriamanitra?

Mety hahitana ny fomba nanomanana ny Sorompanavotan’i Kristy mba handresena ny vokatry ny Fahalavoana, ny fomba nanomanana ny asan’ny tempoly isoloana tena mba hanampiana ireo izay niaina nandritra ny Apôstazia, na ny fomba handresena ny fahotantsika amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy sy ny fibebahana ny valin’ilay fanontaniana teo aloha.

Eritrereto ny ezak’i Satana hanakanany anao tsy handroso ara-panahy sy hanao ny asan’ Andriamanitra rehefa mandalina ity lesona ity ianao. Henoy ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona fa takatr’ Andriamanitra tanteraka ny paikadin’i Satana ary efa nanomana fomba iray handresenao izany Izy.

“Ny hafetsen’ny devoly”

Azonao asaina ny mpianatra izay mazoto iray mba hampahatsiahy ny iray kilasy ireo zava-nitranga izay nitarika tamin’ny fahaverezan’ireo takila natao sora-tanana 116 pejy voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna. (Ampiasao ny lesona “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3” na ity andiam-pehezan-teny manaraka ity raha ilaina.)

Nanana drafitra hanapaka ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna sy hahatonga ny olona hisalasala ny amin’ny fahamarinan’ilay boky i Satana. Nanery an’i Joseph Smith i Martin Harris mba hamela azy hampiseho ireo pejy natao sora-tanana 116 voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny vadiny sy ny hafa. Nanohy nangataka lalana tamin’ Andriamanitra i Joseph, na dia efa nilaza taminy indroa aza Andriamanitra mba tsy hamela izany. Namoy ireo pejy i Martin tamin’ny farany. Nalain’ny anjely Môrônia avy tamin’i Joseph avy eo ireo takela-bolamena sy ny Orima sy Tomima.

  • Inona, araka ny eritreritrao, no mety ho nampanahy an’i Joseph taorian’ny nahavery ny takela natao sora-tanana?

Nandray indray ireo takela-bolamena sy ny Orima sy Tomima i Joseph taorian’ny fotoam-pibebahana feno fanetrentena. Nilaza taminy i Môrônia fa nanaiky ny fibebahany ny Tompo.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10, nampianatra an’i Joseph ny Tompo fa nikasa ny hanova ireo teny tao amin’ilay takila natao sora-tanana ireo izay nangalatra ireo pejy. Raha toa ka namerina nandika ilay fitaovana io ihany i Joseph, dia ho nilaza izy ireo fa nandika zavatra hafa izy ka noho izany dia mpaminany sandoka izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:10–19).

Afaka manampy ny mpianatra hampifandray ny zavatra niainan’i Joseph amin’ny fiainan’izy ireo ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ny valin-teny omen’izy ireo.

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny asa asain’ Andriamanitra ataon’ny zatovo ankehitriny?

  • Inona no tetika feno hafetsena ampiasain’i Satana mba hanakanana antsika tsy hanatanteraka ny asan’ Andriamanitra?

Mety hilaza ny mpianatra fa ahitana fitondran-tena mampiankin-doha, fanelingelenana, na fampisalasalana amin’ny tena manokana ny drafitr’i Satana. Valiny iray hafa amin’izanyny fanereny antsika hanome lanja ny hevitry ny hafa na ny fomba fiainan’ny hafa mihoatra noho ny fitsipik’ Andriamanitra.

Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny asa izay tsapanao fa tian’ Andriamanitra hifantohanao amin’izao fotoana izao ary hotanterahinao amin’ny hoavinao. Afaka mamela ny Fanahy Masina hanentana hevitra vitsivitsy aminao ny fisaintsainana izany. Inona no fomba mety hampiasain’i Satana eo amin’ny fiainanao ankehitriny mba hiezahana hisakanana anao tsy hanatanteraka ny asan’ Andriamanitra?

Ny fahendren’ Andriamanitra

sary famantarana ny taratasy zarainaAmpio ireo mpianatra hahita ny fahendren’ Andriamanitra sy ny fahafantarany mialoha ny zavatra ho avy amin’ny alalan’ny famoahana printy sy fanapatapahana tahadika ampy an’ilay taratasy zaraina nampiarahana tato ho an’ny mpianatra tsirairay mba hananan’izy ireo singana piozila iray. Asao izy ireo hamaky ny andalan-tsoratra masin’izy ireo ary hirakitra ao ambadiky ny piozilany ny zavatra nampianarin’ Andriamanitra tamin’ny olona iray na nitaomany fanahy olona iray mba hanaovany zavatra.

Asao ny mpianatra avy eo hanangana vondrona ahitana mpianatra efatra manana singa samy hafa amin’ilay piozila. Asao ny vondrona hiara-hiasa mba hahita ny fomba nanomanan’ Andriamanitra fomba iray hanarenana ny fahaverezan’ireo pejy 116. Asao ny vondrona avy eo hizara amin’ny iray kilasy ny fomba ahafahan’ity tantara ity manampy amin’ny fampitomboana ny finoantsika sy ny fatokisantsika an’ Andriamanitra.

Azo aseho na omenaireo fanampiana efatra etsy ambany, raha toa ka mila fitarihana misimisy kokoa ny mpianatra mba hahatakarana ny andalan-tsoratra masina nomena azy.

Ny fahendren’ Andriamanitra

Taratasy zaraina Ny fahendren’ Andriamanitra

Fanampiana:

  1. 1 Nefia 19:1–3—Nodidian’ Andriamanitra i Nefia hanao andian-takelaka roa izay nandrakotra fe-potoana iray ihany.

  2. Tenin’i Môrmôna 1:3–7—Nitaona an’i Môrmôna Andriamanitra hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia miaraka amin’ny famintinana ny vanim-potoana izay efa nataon’i Môrmôna tamin’ireo takelaka hafa an’i Nefia.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:30, 40–42—Nilaza tamin’i Joseph Smith Andriamanitra handika ireo takelaka kelin’i Nefia fa tsy handika indray ny zavatra narian’i Martin tamin’ny famintinan’i Môrmôna ireo takelaka lehibe.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:43–46—Nampitahain’ Andriamanitra ny votoatin’ireo pejy nangalarina (jereo ny andininy 44) tamin’ny zavatra hoadikan’i Joseph nanomboka teo (jereo ny andininy 45–46).

Ny fahendren’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika

Ampio ireo mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ny fahendren’ Andriamanitra mitahy ny fiainan’izy ireo. Azo atao amin’ny alalan’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy izany, ka hampiasana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no tian’ Andriamanitra ho fantatry ny zatovo ankehitriny ny zavatra nampianariny an’i Joseph Smith ato amin’ity fizarana ity?

  • Inona no nomanin’ Andriamanitra mba hanampiana antsika ho voavotra amin’ny hafetsen’i Satana sy hanohy ny asany?

sary famantarana ny fanofananaAmporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany: Jereo ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe: “Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany” raha mila fanazaran-tena bebe kokoa momba ny fomba hanaovana izany ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Hanampy anao ity fiofanana ity hanao fanazaran-tena amin’ny fanasana ireo mpianatra hifampizara ny zavatra nianarany.

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra nosoratany tao amin’ny diariny. Asaivo ampiany izany amin’ny alalan’ny firaketana an-tsoratra ny fomba nanomanan’ Andriamanitra fomba iray handresena ny teti-dratsin’ny devoly eo amin’ny fiainan’izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manampy ny zavatra tsapan’izy ireo fa tokony hatao mba hatoky kokoa ny fahendren’ Andriamanitra mba hanatanterahana tsara kokoa ny asany.

Omeo toky ireo mpianatra fa mihoatra lavitra noho ny an’ny devoly ny fahendren’ Andriamanitra. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fampiononana izay azo avy amin’ny fahafantarana fa efa nahita mialoha sy nanomana lalana ho an’ireo izay mino Azy Andriamanitra mba handresena ireo tetika feno hafetsen’i Satana rehetra.