“Lesona 22—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:1–7: -Mirakitra famonjena maharitra mandrakizay … ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra-,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:1–7,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 22: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11
“Mirakitra famonjena maharitra mandrakizay … ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra”
Ny olona izay fidintsika harahina, ny zavatra katsahintsika, ary ny fomba andaniantsika ny fotoanantsika dia mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny hoe lasa olona toy ny ahoana isika any amin’ny farany. Ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ny Mpamonjy antsika be fitiavana dia nanome antsika torohevitra feno fahalalahan-tanana momba ny zavatra tokony ifantohantsika eo amin’ny fiainantsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka ny ny fiainana mandrakizay izay fanomezana atolotr’i Jesoa Kristy ho an’izay rehetra handray izany.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Hafatra mendrika haverina
Mba hanombohana ny lesona dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hieritreritra ireo hafatra izay miverimberina matetika. Azon’izy ireo atao ny manonona ireo hafatra tsikaritr’izy ireo amin’ny dokambarotra, hira na memes. Asao izy ireo hieritreritra hoe nahoana no miverimberina matetika ny sasany amin’ireo hafatra ireo. Izany dia afaka manampy azy ireo hiomana hieritreritra ireo hafatra izay averin’ny Tompo matetika sy ny anton’izany.
Inona avy ireo hafatra nanomezan’i Jesoa Kristy fitaomam-panahy ireo mpaminaniny velona mba haverina tsy tapaka?
Inona avy ireo hafatra miverimberina efa voamarikao hatreto nandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?
Inona no zavatra azontsika ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ireo hafatra miverimberina ireo?
Tamin’ny 1829 dia olona maro—toa an’i Oliver Cowdery, i Hyrum Smith, i Joseph Knight Rainy, ary i David Whitmer—no naniry ny hianatra ny zavatra tian’i Jesoa Kristy ho fantatr’izy ireo sy hataony. Maro amin’ireo valin-teny feno fitiavana nomen’ny Mpamonjy no ahitana ireo fahamarinana miverimberina izay tiany ho takatsika sy hiainantsika rehetra.
Asao ny mpianatra hanangana vondrona misy olona efatra ary angataho ny mpianatra tsirairay hijery ny iray amin’ireto fizarana manaraka ireto. Ny mpianatra iray dia afaka mamaky mafy ireo andininy ao amin’ny fizarana misy azy. Azon’izy ireo atao ny miato kely aorian’ny andininy tsirairay mba hahafahan’ireo mpikambana mifampizara ny fitoviana sy fahasamihafana hitany ao amin’ireo andininy mifanaraka amin’izany ao amin’ny fizarana misy azy ireo.
Vakio ny andininy enina voalohany amin’ireto fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana manaraka ireto: 6 ; 11 ; 12 ; ary 14 . Ampitahao amin’ny hafatry ny Mpamonjy ny tsirairay amin’izany.
“Indro, izay manana ny fiainana mandrakizay no manan-karena”
Vakio ny andininy 7 ao anatin’ny fizarana 6 sy 11 ka tadiavo ny torohevitry ny Mpamonjy ho an’izay rehetra maniry hanompo Azy.
Afaka mizara fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Te hanome antsika fiainana mandrakizay i Jesoa Kristy, ary io no sarobidy indrindra amin’ireo fanomezana rehetra.
Omeo fahafahana ireo mpianatra mba hampitombo ny fahatakarany mikasika ny dikan’ny fiainana mandrakizay sy ny antony mahatonga izany ho fanomezana sarobidy ho antsika ny mandray izany. Afaka manao izany ianao amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra handalina ny sasany amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto, atao isaky ny isam-batan’olona na ao anaty vondrona. Azonao atao ihany koa ny manoratra ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny taratasy kely napetraka eran’ilay efitrano ary mamela ny mpianatra hivezivezy eran’ny efitrano sy handalina izany amim-pahanginana ary handray an-tsoratra samirery.
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy tsapany nandritra ny fandalinany.
Mieritreritra ny zavatra nianaranao
Mandania fotoana vitsivitsy hiresahana amin’ireo mpianatra izay zavatra mety manelingelina azy amin’ny fikatsahana ny fiainana mandrakizay. Asao izy ireo hieritreritra amim-pahanginana hoe moa ve ny fanapahan-kevitr’izy ireo ankehitriny manomana tsara azy ireo amin’ny fandraisana ny fiainana mandrakizay. Hevero ny hanatanteraka ity sahanasa manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka ny fiainana mandrakizay:
Manomeza antony maro araka izay azonao atao mba hanazavana hoe nahoana no manan-karena ny olona iray manana ny fiainana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:7 ).
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Asao izay mazoto mba hamariparitra ny hoe nahoana no sarobidy aminy ny zavatra nosoratany. Mety ho ampahany manan-danja ao amin’ny lesona izany. Mety ho hevitra tsara ny manome fotoana betsaka ho an’ny mpianatra mba hanoratana sy hisaintsainana ary hizarana.
Farano amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hieritreritra ny mety ho fiantraikan’ny zavatra nianarany sy tsapany androany eo amin’ny fiainany ny lesona. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manome fahafahana ny mpianatra handrakitra ny eritreriny sy ny fahatsapany ao anatin’ny diary fandalinany.
Inona no nianaranao androany izay mampitombo ny fanirianao hahatsapa ho akaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Inona avy ny zavatra sasantsasany azonao atao mba tsy hamelana ny fikatsahana ireo zavatr’izao tontolo izao ho lasa lohalaharana mihoatra noho ny fandrosoana mankamin’ny fiainana mandrakizay?
Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Zanak’ Andriamanitra isika, natokana ho amin’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. …
Amin’ny farany dia ny fitahian’ny fifandrasaina akaiky sy tsy lefy amin’ny Ray sy ny Zanaka no katsahintsika. Izany no mampiova ny zava-drehetra ary hahaleo ny sarany mandrakizay ny vidiny. (D. Todd Christofferson, “Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra ,” Liahona , mey 2022, 79–80)
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niteny hoe:
Amin’ireo tanjona mahatalanjona maro notanterahina teo amin’ny fiainana sy ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy Tompo, dia matetika no tsy ankalazaina ny lafiny lehibe iray amin’izany iraka izany. Ireo mpanara-dia Azy dia tsy nahatakatra tsara izany tamin’izany fotoana izany, ary maro ao amin’ny Kristianisma maoderina no tsy mahatakatra azy io ankehitriny, saingy ny Mpamonjy Tenany mihitsy no nilaza sy nanantitrantitra izany ombieny ombieny. Izany dia ny fahamarinana lehibe fa tamin’ny zavatra rehetra izay nolazain’i Jesoa sy nataony, tafiditra ao anatin’izany ary indrindra indrindra tamin’ny fijaliana sy ny sorona manavotra nataony, dia nasehony antsika hoe iza ary manao ahoana Andriamanitra ilay Raintsika Mandrakizay, ary tena nanolo-tena tanteraka ho an’ireo zanany Izy na firy taona ireny na firy taona ary na avy aiza na avy aiza. Niezaka nampahafantatra tamintsika tsirairay avy ny tena toetran’ny Rainy, ny Raintsika any An-danitra, tamin’ny alalan’ny teny sy ny asa i Jesoa.
Anisan’ny antony nanaovany izany farafahakeliny ny hoe mila mahafantatra an’ Andriamanitra bebe kokoa isika rehetra na tamin’izany na amin’izao mba hitiavana Azy lalina kokoa sy hankatoavana Azy feno kokoa. (Jeffrey R. Holland, “The Grandeur of God ,” Liahona , Nov. 2003, 70)
Nampianatra toy izao ny Loholona Christoffel Golden ao amin’ny Fitopololahy:
Ny fikarohantsika ny fiainana mandrakizay dia tsy inona akory fa fikarohana mba hahatakatra hoe iza moa Andriamanitra sy mba hiverenantsika hiara-hiaina Aminy. Nivavaka tamin’ny Rainy ny Mpamonjy, “Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy izay efa nirahinao” [Jaona 17:3 ]. (Christoffel Golden, “Ny Ray sy ny Zanaka ,” Liahona , mey 2013, 99–100)
Ny fampiasana sabatra roa lela sy ny fanaovana fanoharana momba izany dia efa fahita tany amin’ny tontolo fahiny ary hita ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao (jereo ny Mpitsara 3:16 ; Salamo 149:6 ; Ohabolana 5:4 ; Hebreo 4:12 ; Apokalypsy 1:16 ; 2:12 ). Ny sabatra roa lela dia afaka manapaka amin’ny lafiny roa ary manome tombony bebe kokoa ny mpampiasa azy amin’ny ady. Rehefa nanao ny fanoharana momba ny fiadian’ Andriamanitra ny Apôstôly Paoly, dia nampitaha ny sabatry ny Fanahy tamin’ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny Efesiana 6:17 ).
Ao amin’ny Hebreo 4:12 , ny tenin’ Andriamanitra dia voalaza fa “faingana, mahery ary maranitra noho ny sabatra roa lela.” Nampiasa ireo teny ireo ihany koa ny Mpamonjy amin’izao androntsika izao mba hamaritana ny teniny (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:2 ; 11:2 ; 12:2 ; 14:2 ; 33:1 ). Ny teny grika nadika hoe faingana dia midika hoe miaina sy velona. Ny teny grika nadika hoe mahery dia midika hoe mazoto, mavitrika ary mahomby.
Asao ny mpianatra hijery ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ny “teniny” ao amin’ny andininy 2 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6 ; 11 ; 12 ; ary 14 .
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny herin’ny tenin’ Andriamanitra dia zarao ho vondrona efatra izy ireo ary omeo iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra tsirairay ao amin’ilay vondrona. Asao izy ireo handalina ny anjarany ary hizara amin’ny vondrona misy azy ny zavatra nianarany momba ny tenin’ Andriamanitra sy ny fomba nitahiany ireo mpanoratra andinin-tsoratra masina isan-karazany ireo. Amporisiho ihany koa ireo mpianatra hitady ireo fampitahana natao teo amin’ny tenin’ Andriamanitra sy ny sabatra.
Almà 31:5 . Niomana hampianatra ny Zôramita i Almà.
Helamàna 3:29 . Nofariparitan’i Môrmôna ny fomba nitondrana fanahy an’arivony ho amin’ny fahamarinana.
Joseph Smith—Tantara 1:11–12 . Nandalina ny soratra masina mba hahazoana fahendrena i Joseph Smith tanora.
Hebreo 4:12 . Nanome toromarika ny Israelita fahiny i Paoly.
Manaova sarina sabatra iray lela sy sabatra roa lela eo amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra avy amin’ny vondrona samihafa hifanakalo hevitra momba ny tombontsoa azo avy amin’ny sabatra roa lela ary hanao lisitra ny zavatra nianarany avy amin’ny soratra masina manodidina ilay sary.
Ny mpianatra ohatra, dia afaka mahita avy amin’ny Almà 31:5 fa ny tenin’ Andriamanitra dia mahery noho ny sabatra. Avy amin’ny Helamàna 3:29 dia mety ho hitan’izy ireo hoe ahoana no ahafahan’ny tenin’ Andriamanitra mampisaraka sy manasaraka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana. Hitan’izy ireo avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith fa ny tenin’ Andriamanitra dia afaka manohina ny fontsika ary manampy antsika hanao asa amim-pahamarinana. Avy amin’ny Hebreo 4:12 ny mpianatra dia afaka mahatsapa fa ny tenin’ Andriamanitra dia afaka manindrona ny saintsika sy ny fanahintsika.
Raha toa ny mpianatra ka hahazo tombontsoa avy amin’ny fahitana ny mety ho fiantraikan’ny fialamboly, ary na dia ireo zavatra tsara maro loatra enjehina izay mety hisy fiantraikany amin’ny fivoarany mankany amin’ny mandrakizay aza, dia azonao haseho ny horonan-tsary iray toy ny “The Soul’s Sincere Desire ”(3:28), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org .
3:28
Eo am-pijeren’ny mpianatra izany dia asao izy ireo hieritreritra ireo zavatra takiana ataony isan’andro sy ny fomba hisafidianan’izy ireo ny handaniana ny fotoana malalaka ananany. Aorian’ilay horonan-tsary dia afaka manao lisitra ireo zavatra rehetra ataon’izy ireo mandritra ny andro iray ny mpianatra ary manamarika ireo hetsika izay mahatonga azy ireo ho akaiky kokoa ny Mpamonjy sy hanipika izay mety hanalavitra azy ireo Aminy.