Lesona 35: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36: Ny fanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36: Ny fanorenana ny Fiangonan’i Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 35: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia naorina tao amin’ny tranon’i Peter sy Mary Whitmer tao Fayette, New York, tamin’ny 6 aprily 1830. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia manambara ny fanirian’ny Tompo ho an’ilay Fiangonana vao naverina tamin’ny laoniny. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-manan-danja ny Fiangonan’ny Mpamonjy.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny maha-zava-dehibe ny fiangonana
15:54
Alaivo sary an-tsaina hoe raha teo am-piresahana tamin’ny namanao momba ny zavatra nataonao nandritra ny faran’ny herinandro ianao dia niresaka momba ny fandehanana tany am-piangonana. Namaly toy izao ny iray tamin’ireo namanao: “Tsy hoe tsy mahalala fomba aho, fa tsy azoko ny antony ilàna antokom-pivavahana voaorina. Tena mahatsapa ve ianao fa mila fiangonana mba hahatsapanao ho akaiky an’ Andriamanitra sy ho olona tsara?”
Nahoana, araka ny eritreritrao, no tsy hitan’ny olona sasany izay ilàna antokom-pivavahana voaorina?
Inona no zavatra ho niova teo amin’ny fiainanao raha toa ka tsy nisy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?
Ny fanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
Iraika ambin’ny folo andro taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna, tamin’ny 6 aprily 1830, dia naorina ny Fiangonan’i Kristy. Tao an-tranon’i Peter sy Mary Whitmer tao Fayette, New York no nanaovana ny fanorenana. Mba hamenoana ny fepetra takin’ny lalàna, dia olona enina no voafidy ho mpikambana voalohany tao amin’ilay fiangonana vaovao. Manodidina ny 40 eo ho eo koa no nanatrika tao mba ho vavolombelon’izany fotoana lehibe izany. Taty aoriana, tamin’ny 1838, dia nanambara ny anaran’ny Fiangonana araka ny fantatsika ankehitriny ny Tompo: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Nahoana, araka ny eritreritrao, no tian’ny Mpamonjy hisy ny Fiangonany eto an-tany?
Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay nianarany: Ity fizarana manaraka ao amin’ny lesona ity dia manome fahafahana ny mpianatra hisaintsaina ary avy eo hizara ny zavatra nianarany.
Mamoròna valiny hanampiana olona iray izay tsy mahatakatra ny ilàna ny Fiangonan’ny Mpamonjy eto an-tany amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao androany. Raha tianao dia mety hitari-dalana anao ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona no atolotry Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay tsy azon’ny fikambanana hafa omena antsika?
Ahoana no hanampian’ny Fiangonan’ny Mpamonjy antsika hianatra momba Azy sy hanatona Azy?